< 2 Korintským 6 >
1 Protož napomáhajíce, i napomínáme vás, abyste milosti Boží nadarmo nebrali,
Ary izahay mpiara-miasa aminy dia mangataka aminareo koa mba tsy handraisanareo foana ny fahasoavan’ Andriamanitra
2 (Neboť praví Bůh: V čas příhodný uslyšel jsem tě a v den spasení spomohl jsem tobě. Aj, nyníť jest čas příhodný, aj, nyní dnové spasení.)
fa hoy Izy: Tamin’ ny taona fankasitrahana no nihainoako anao, Ary tamin’ ny andro famonjena no namonjeko anao; indro, ankehitriny no andro fankasitrahana; indro, ankehitriny no andro famonjena;
3 Žádného v ničemž nedávajíce pohoršení, aby byla bez úhony služba naše;
fa tsy manao izay mahatafintohina izahay na amin’ inona na amin’ inona, mba tsy homen-tsiny ny fanompoana;
4 Ale ve všem se chovajíce jakožto Boží služebníci, ve mnohé trpělivosti, v utištěních, v nedostatcích, v úzkostech,
fa amin’ ny zavatra rehetra dia mampiseho ny tenanay ho mpanompon’ Andriamanitra izahay, dia amin’ ny faharetana be, amin’ ny fahoriana, amin’ ny fahaterena, amin’ ny fahantrana,
5 V ranách, v žalářích, v nepokojích, v pracech, v bdění, v postech,
amin’ ny kapoka, amin’ ny fatorana, amin’ ny tabataba, amin’ ny fisasarana, amin’ ny tsy fahitan-tory, amin’ ny fifadian-kanina,
6 V čistotě, v umění, v dlouhočekání, v dobrotivosti, v Duchu svatém, v lásce neošemetné,
amin’ ny fahadiovana, amin’ ny fahalalana, amin’ ny fahari-po, amin’ ny fahamoram-panahy, amin’ ny Fanahy Masìna, amin’ ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy,
7 V slovu pravdy, v moci Boží, skrze odění spravedlnosti, napravo i nalevo,
amin’ ny teny fahamarinana, amin’ ny herin’ Andriamanitra, amin’ ny fiadian’ ny fahamarinana, na amin’ ny ankavanana na amin’ ny ankavia,
8 Skrze slávu i pohanění, skrze zlou i dobrou pověst, jakožto bludní, a jsouce pravdomluvní,
amin’ ny voninahitra sy ny fahafaham-boninahitra, amin’ ny laza ratsy sy ny laza soa; tahaka ny mpamitaka, nefa marina ihany;
9 Jakožto neznámí, a jsouce známí, jakožto umírající, a aj, živi jsme, jakožto potrestaní, a nezmordovaní,
tahaka ny tsy fantatra, nefa fantatra tsara ihany; tahaka ny efa ho faty, nefa, indro, velona ihany; tahaka ny faizana, nefa tsy atao maty;
10 Jako smutní, avšak vždycky se radujíce, jako chudí, a mnohé zbohacujíce, jako nic nemajíce, avšak všemi věcmi vládnouce.
tahaka ny ampalahelovina, nefa faly mandrakariva; tahaka ny malahelo, nefa mampanan-karena ny maro; tahaka ny tsy manana na dia kely akory aza, nefa manana ny zavatra rehetra.
11 Ústa naše otevřína jsou k vám, ó Korinští, srdce naše rozšířeno jest.
Ry Korintiana, ny vavanay misokatra aminareo, ny fonay malalaka.
12 Nejste v nás souženi, než souženi jste v srdcích vašich.
Tsy terỳ aminay ianareo, fa terỳ ao am-ponareo ihany.
13 O takovéžť odplaty žádám od vás, jakožto synům pravím: Rozšiřte se i vy.
Ary mba ho valiny toraka izany (izaho miteny toy ny amin’ ny zanako), dia mba mihalalaha kosa ianareo.
14 A netáhněte jha s nevěřícími. Nebo jaký jest spolek spravedlnosti s nepravostí? A jaké obcování světla s temnostmi?
Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ ny tsy mino. Fa inona no iraisan’ ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonana’ ny mazava sy ny maizina?
15 A jaké srovnání Krista s Beliálem? Aneb jaký díl věřícímu s nevěřícím?
Ary inona no ifanarahan’ i Kristy sy Beliala? Ary inona no iraisan’ ny anjaran’ ny mino sy ny tsy mino?
16 A jaké spolčení chrámu Božího s modlami? Nebo vy jste chrám Boha živého, jakož pověděl Bůh: Že přebývati budu v nich, a procházeti se, a budu jejich Bohem, a oni budou mým lidem.
Ary inona no ikambanan’ ny tempolin’ Andriamanitra amin’ ny sampy? Fa isika no tempolin’ Andriamanitra velona, araka ny nataon’ Andriamanitra hoe: Honina eo aminy sy handeha eo aminy Aho, ary izy ho oloko.
17 A protož vyjdětež z prostředku jejich a oddělte se od nich, praví Pán; a nečistého se nedotýkejte, a já přijmu vás.
Koa mivoaha eo aminy ianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, Ary aza manendry izay zavatra tsy madio; Ary Izaho handray anareo.
18 A budu vám za Otce, a vy mi budete za syny a za dcery, praví Pán všemohoucí.
Ary ho Rainareo Aho, ary ianareo ho zanako-lahy sy ho zanako-vavy, hoy Jehovah Tsitoha.