< Psalmi 92 >
1 Psalam. Pjesma. Za dan subotnji. Dobro je slaviti Jahvu, pjevati imenu tvome, Svevišnji;
Salamo. Tonon-kira hatao amin’ ny andro Sabata. Tsara ny hidera an’ i Jehovah Sy ny hankalaza ny anaranao, ry Avo Indrindra ô,
2 naviještati jutrom ljubav tvoju i noću vjernost tvoju,
Ary hanambara ny famindram-ponao nony maraina Sy ny fahamarinanao nony alina,
3 uz harfu od deset žica i liru, s pjesmom uz citaru.
Amin’ ny valiha tory folo Sy amin’ ny feon-dokanga.
4 Obradovao si me djelima svojim, o Jahve, kličem zbog djela ruku tvojih.
Fa ampifalinao amin’ ny nataonao aho Jehovah ô; Ny asan’ ny tananao no hihobiako.
5 Kako su silna djela tvoja, o Jahve, i duboki naumi tvoji!
Jehovah ô, akory ny halehiben’ ny asanao! Lalina indrindra ny fisainanao.
6 Bezuman čovjek ne spoznaje, luđak ne shvaća.
Ny ketrina tsy mahafantatra izany, Ary ny adala koa tsy mba mahalala.
7 Sve ako bi bezbošci nicali k'o trava i cvali svi što zlo čine, određeni su za vječnu propast;
Raha mitsiry tahaka ny ahitra ny ratsy fanahy, Ary mamony ny mpanao ratsy rehetra, Dia izany no ho fandringanana azy mandrakizay.
8 a ti, Jahve, dovijeka uzvišen ostaješ.
Nefa Hianao, Jehovah ô, dia avo mandrakizay.
9 Doista, dušmani tvoji, o Jahve, tvoji će dušmani propasti; raspršit će se svi što čine zlo.
Fa, indreo, ny fahavalonao, Jehovah ô, Fa, indreo, ringana ny fahavalonao; Mihahaka ny mpanao ratsy rehetra.
10 Rog si mi digao k'o u bivola, pomazao me uljem prečistim;
Fa ny tandroko kosa asandratrao ho tahaka ny an’ ny ombimanga; Mihosotra diloilo vaovao aho.
11 i oko mi s visoka gleda dušmane i uho mirno sluša o onima što na me ustaju.
Ary faly ny masoko mahita ny amin’ ny fahavaloko, Ary finaritra ny sofiko mandre ny amin’ ny ratsy fanahy izay efa mitsangana hamely ahy.
12 K'o palma cvate pravednik i raste k'o cedar libanonski.
Ny marina hamololona tahaka ny rofia; Hisandrahaka tahaka ny sedera any Libanona izy;
13 Zasađeni u Domu Jahvinu, cvatu u dvorima Boga našega.
Efa nambolena tao an-tranon’ i Jehovah izy Ka maniry eo an-kianjan’ Andriamanitsika;
14 Rod donose i u starosti, sočni i puni svježine:
Mbola manorobona ihany izy, na dia efa antitra aza; Dofodofotra sy maitso izy,
15 da navijeste kako je pravedan Jahve, Hrid moja, onaj na kome nema nepravde.
Mba hanambara fa mahitsy Jehovah, Vatolampiko Izay tsy misy tsiny.