< Psalmi 22 >
1 Zborovođi. Po napjevu “Košuta u zoru”. Psalam. Davidov. Bože moj, Bože moj, zašto si me ostavio? Daleko si od ridanja moga.
Ho an’ ny mpiventy hira. Alaieleth-hasahara. Salamo nataon’ i Davida. Andriamanitra ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy ahy Hianao? Lavitra ny famonjena ahy ny tenin’ ny fitarainako.
2 Bože moj, vičem danju, al'ne odvraćaš; noću vapijem i nema mi počinka.
Andriamanitro ô, miantso aho nony andro, nefa tsy mamaly Hianao; ary nony alina, nefa tsy mahita fiononana aho.
3 A ipak, ti u Svetištu prebivaš, Nado Izraelova!
Kanefa masìna Hianao, Ry mipetraka eo ambonin’ ny fideran’ ny Isiraely.
4 U tebe se očevi naši uzdaše, uzdaše se, i ti ih izbavi;
Hianao no nitokian’ ny razanay; Natoky izy, ka namonjy azy Hianao.
5 k tebi su vikali i spasavali se, u tebe se uzdali, i postidjeli se nisu.
Hianao no nitarainany, ka afaka izy; Hianao no nitokiany, ka tsy menatra izy.
6 A ja, crv sam, a ne čovjek, ruglo ljudi i naroda prezir.
Ary izaho dia olitra, fa tsy olona, fandatsan’ olona sy fanevatevam-bahoaka.
7 Koji me vode, podruguju se meni, razvlače usne, mašu glavom:
Izay rehetra mahita ahy dia manaraby ahy; manondro molotra izy sady mihifikifi-doha ka manao hoe:
8 “U Jahvu se on uzda, neka ga sad izbavi, neka ga spasi ako mu omilje!”
Ankino amin’ i Jehovah, dia aoka Izy hamonjy azy; eny, aoka Izy hanafaka azy, raha mankasitraka azy Izy.
9 Iz krila majčina ti si me izveo, mir mi dao na grudima majke.
Fa Hianao no nampivoaka ahy avy tao an-kibo; nampandry ahy fahizay ianao, fony aho mbola nampinonoin’ ny reniko;
10 Tebi sam predan iz materine utrobe, od krila majčina ti si Bog moj.
Nankinina taminao hatrany am-bohoka aho; hatrany an-kibon-dreniko dia Andriamanitro Hianao.
11 Ne udaljuj se od mene, blizu je nevolja, a nikog nema da mi pomogne.
Aza manalavitra ahy Hianao, fa akaiky ny fahoriana, sady tsy misy mpamonjy.
12 Opkoliše me junci mnogobrojni, bašanski bikovi okružiše mene.
Mitangorona amiko ireo ombilahy be, ny maherin’ i Basana manemitra ahy.
13 Ždrijela svoja razvaljuju na me k'o lav koji plijen kida i riče.
Misanasana vava amiko izy; eny, liona mamiravira sy mierona izy.
14 Kao voda razlih se, sve mi se kosti rasuše; srce mi posta poput voska, topi se u grudima mojim.
Efa rano aidina aho, ka mivaha ny taolako rehetra; tahaka ny savoka ny foko: miempo ato anatiko izy.
15 Grlo je moje kao crijep suho, i moj se jezik uz nepce slijepi: u prah smrtni bacio si mene.
Maina tahaka ny tavim-bilany ny heriko, ary ny lelako miraikitra amin’ ny lanilaniko; ao amin’ ny vovoky ny fahafatesana no ametrahanao ahy.
16 Opkolio me čopor pasa, rulje me zločinačke okružile. Probodoše mi ruke i noge,
Fa mitangorona amiko ny amboa, ny fiangonan’ ny ratsy fanahy manemitra ahy. Manindrona ny tongotro aman-tanako izy
17 sve kosti svoje prebrojiti mogu, a oni me gledaju i zure na me.
Mahisa ny taolako rehetra aho ireo dia mibanjina sady mangarika ahy.
18 Haljine moje dijele među sobom i kocku bacaju za odjeću moju.
Mizara ny fitafiako ho azy izy; ary ny akanjoko ilokàny.
19 Ali ti, o Jahve, daleko mi ne budi; snago moja, pohiti mi u pomoć!
Fa Hianao, Jehovah ô, aza manalavitra; ry Heriko ô, faingana hamonjy ahy.
20 Dušu moju istrgni maču, iz šapa pasjih život moj.
Vonjeo amin’ ny sabatra ny fanahiko, dia ny hany malalako amin’ ny herin’ ny amboa.
21 Spasi me iz ralja lavljih i jadnu mi dušu od rogova bivoljih!
Vonjeo amin’ ny vavan’ ny liona aho; ary valio ho afaka amin’ ny tandroky ny ombimanga.
22 A sada, braći ću svojoj naviještat' ime tvoje, hvalit ću te usred zbora.
Hitory ny anaranao amin’ ny rahalahiko aho; eo amin’ ny fiangonana no hideràko Anao.
23 “Koji se bojite Jahve, hvalite njega! Svi od roda Jakovljeva, slavite njega! Svi potomci Izraelovi, njega se bojte!
Hianareo izay matahotra an’ i Jehovah, miderà Azy; ry taranak’ i Jakoba rehetra, manomeza voninahitra Azy; ary matahora Azy, ry Zanak’ Isiraely rehetra.
24 Jer nije prezreo ni zaboravio muku jadnika, i nije sakrio lice svoje od njega; kad ga je zazvao, on ga je čuo.”
Fa tsy manao tsinontsinona na marikorikon’ ny fahorian’ ny ory Izy, ary tsy mba manafina ny tavany aminy; fa raha mitaraina aminy ireny, dia mihaino Izy.
25 Zato ću te hvaliti u zboru veliku, pred vjernicima tvojim izvršit' zavjete.
Avy aminao no ahazoako manao fiderana eo amin’ ny fiangonan-dehibe; ny voadiko dia hefaiko eo anatrehan’ izay matahotra an’ i Jehovah.
26 Siromasi će jesti i nasitit će se, hvalit će Jahvu koji traže njega: nek' živi srce vaše dovijeka!
Hihinana ny mpandefitra ka ho voky; hidera an’ i Jehovah izay mitady azy; ho velona mandrakizay anie ny fonareo.
27 Spomenut će se i Jahvi se vratit' svi krajevi zemlje; pred njim će n§icÄe pasti sve obitelji pogana.
Hahatsiaro ka hiverina ho amin’ i Jehovah ny faran’ ny tany rehetra; ary hiankohoka eo anatrehanao ny fokon’ ny firenen-tsamy hafa.
28 Jer Jahvino je kraljevstvo, on je vladar pucima.
Fa an’ i Jehovah ny fanjakana; ary manapaka amin’ ny firenen-tsamy hafa Izy.
29 Njemu će se jedinom klanjati svi koji snivaju u zemlji, pred njim se sagnuti svi koji u prah silaze. I moja će duša za njega živjeti,
Hihinana sy hiankohoka ny mpanefoefo rehetra ambonin’ ny tany, eo anatrehany no hiondrehan’ izay rehetra efa hidina any amin’ ny vovoka ka tsy mahavelona ny ainy.
30 njemu će služiti potomstvo moje. O Gospodu će se pripovijedat'
Hisy taranaka hanompo Azy; ary ny Tompo dia holazaina amin’ ny taranaka ho avy.
31 slijedećem koljenu, o njegovoj pravdi naviještati narodu budućem: “Ovo učini Jahve!”
Hisy ho avy ka hanambara ny fahamarinany, amin’ ny olona izay mbola hateraka, fa Izy no nanao izany.