< Matej 25 >

1 “Tada će kraljevstvo nebesko biti kao kad deset djevica uzeše svoje svjetiljke i iziđoše u susret zaručniku.
Ary amin’ izany ny fanjakan’ ny lanitra dia ho tahaka ny virijina folo, izay nitondra ny fanalany ka nivoaka hitsena ny mpampakatra.
2 Pet ih bijaše ludih, a pet mudrih.
Ary ny dimy tamin’ ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry.
3 Lude uzeše svjetiljke, ali ne uzeše sa sobom ulja.
Fa ny adala nandray ny fanalany, nefa tsy nitondra solika fitaiza;
4 Mudre pak zajedno sa svjetiljkama uzeše u posudama ulja.”
ary ny hendry kosa nitondra solika tao anatin’ ny fitondrany sy ny fanalany.
5 “Budući da je zaručnik okasnio, sve one zadrijemaše i pozaspaše.
Ary raha naharitra ela ny mpampakatra, dia samy rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory.
6 O ponoći nasta vika: 'Evo zaručnika! Iziđite mu u susret!'
Ary nony mamatonalina, dia nisy antso hoe: Indro ny mpampakatra! Mivoaha mba hitsena azy.
7 Tada ustadoše sve one djevice i urediše svoje svjetiljke.
Dia nitsangana ireo virijina ireo, ka samy namboatra ny fanalany.
8 Lude tada rekoše mudrima: 'Dajte nam od svoga ulja, gase nam se svjetiljke!'
Dia hoy ny adala tamin’ ny hendry: Mba omeo kely amin’ ny solikareo izahay; fa efa ho faty ny fanalanay.
9 Mudre im odgovore: 'Nipošto! Ne bi doteklo nama i vama. Pođite radije k prodavačima i kupite!'”
Fa ny hendry namaly ka nanao hoe: Sao tsy ampy ho anay sy ho anareo, fa mandehana mankany amin’ ny mpivarotra ianareo, ka mividiana ho anareo.
10 “Dok one odoše kupiti, dođe zaručnik: koje bijahu pripravne, uđoše s njim na svadbu i zatvore se vrata.
Fa raha mbola lasa nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin’ ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana.
11 Poslije dođu i ostale djevice pa stanu dozivati: 'Gospodine! Gospodine! Otvori nam!'
Ary rehefa afaka izany, dia tonga kosa ireo virijina teo ka nanao hoe Tompoko, tompoko, vohay izahay.
12 A on im odgovori: 'Zaista kažem vam, ne poznam vas!'
Fa izy namaly hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy fantatro ianareo.
13 Bdijte dakle jer ne znate dana ni časa!”
Koa amin’ izany miambena ianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.
14 “Doista, kao kad ono čovjek, polazeći na put, dozva sluge i dade im svoj imetak.
Fa ny fanjakan’ ny lanitra dia tahaka ny olona izay efa handeha ho any an-tany hafa ka niantso ny mpanompony, dia nanolotra azy ny fananany:
15 Jednomu dade pet talenata, drugomu dva, a trećemu jedan - svakomu po njegovoj sposobnosti.
koa ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray, ― samy araka izay fahaizany avy; dia lasa nandeha izy.
16 I otputova. Onaj koji je primio pet talenata odmah ode, upotrijebi ih i stekne drugih pet.
Ary niaraka tamin’ izay dia lasa ilay nandray ny talenta dimy, ka nataony varotra izany; ary nahazo tombony talenta dimy koa izy.
17 Isto tako i onaj sa dva stekne druga dva.
Ary toy izany koa, ilay nandray ny roa dia nahazo roa ho tombony.
18 Onaj naprotiv koji je primio jedan ode, otkopa zemlju i sakri novac gospodarov.”
Fa ilay nandray ny iray kosa dia lasa nihady ny tany ka nandevina ny volan’ ny tompony.
19 “Nakon dugo vremena dođe gospodar tih slugu i zatraži od njih račun.
Ary nony ela, dia tonga ny tompon’ ireo mpanompo ireo ka nampilaza azy ny amin’ ny volany.
20 Pristupi mu onaj što je primio pet talenata i donese drugih pet govoreći: 'Gospodaru! Pet si mi talenata predao. Evo, drugih sam pet talenata stekao!'
Ary nony nanatona ilay nandray ny talenta dimy, dia nitondra talenta dimy koa izy ka nanao hoe: Tompoko, talenta dimy no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta dimy koa aho.
21 Reče mu gospodar: 'Valjaš, slugo dobri i vjerni! U malome si bio vjeran, nad mnogim ću te postaviti! Uđi u radost gospodara svoga!'”
Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin’ ny fifalian’ ny tomponao.
22 “Pristupi i onaj sa dva talenta te reče: 'Gospodaru! Dva si mi talenta predao. Evo, druga sam dva talenta stekao!'
Ary nony nanatona koa ilay nandray ny talenta roa, dia hoy izy: Tompoko, talenta roa no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta roa koa aho.
23 Reče mu gospodar: 'Valjaš, slugo dobri i vjerni! U malome si bio vjeran, nad mnogim ću te postaviti! Uđi u radost gospodara svoga.'”
Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin’ ny fifalian’ ny tomponao.
24 “A pristupi i onaj koji je primio jedan talenat te reče: 'Gospodaru! Znadoh te: čovjek si strog, žanješ gdje nisi sijao i kupiš gdje nisi vijao.
Fa nony nanatona kosa ilay nandray ny talenta iray, dia nilaza hoe: Tompoko, fantatro fa olona mila voatsiary ianao, mijinja eny amin’ izay tsy namafazanao, ary manangona eny amin’ izay tsy nanahafanao;
25 Pobojah se stoga, odoh i sakrih talenat tvoj u zemlju. Evo ti tvoje!'
dia natahotra aho ka lasa nandevina ny talentanao tao anatin’ ny tany; indry, lasanao ny anao.
26 A gospodar mu reče: 'Slugo zli i lijeni! Znao si da žanjem gdje nisam sijao i kupim gdje nisam vijao!
Ary ny tompony namaly ka nanao taminy hoe: Ry mpanompo ratsy sady malaina, efa fantatrao fa mijinja eny amin’ izay tsy namafazako aho, ary manangona eny amin’ izay tsy nanahafako;
27 Trebalo je dakle da uložiš moj novac kod novčara i ja bih po povratku izvadio svoje s dobitkom.'”
koa tokony ho nampanàna ny volako tamin’ ny mpanana vola ianao, ka raha tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany.
28 “'Uzmite stoga od njega talenat i podajte onomu koji ih ima deset.
Koa alao aminy ny talenta, dia omeo ilay manana ny talenta folo.
29 Doista, onomu koji ima još će se dati, neka ima u izobilju, a od onoga koji nema oduzet će se i ono što ima.
Fa izay rehetra manana dia homena, ka hanam-be izy; fa izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia halaina aminy.
30 A beskorisnoga slugu izbacite van u tamu. Ondje će biti plač i škrgut zubi.'”
Ary ario ho any amin’ ny maizina any ivelany ny mpanompo tsy mahasoa; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
31 “Kad Sin Čovječji dođe u slavi i svi anđeli njegovi s njime, sjest će na prijestolje slave svoje.
Ary raha tonga ny Zanak’ olona amin’ ny voninahiny, arahin’ ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianan’ ny voninahiny Izy;
32 I sabrat će se pred njim svi narodi, a on će ih jedne od drugih razlučiti kao što pastir razlučuje ovce od jaraca.
ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ ny osy;
33 Postavit će ovce sebi zdesna, a jarce slijeva.”
ary hametraka ny ondry eo amin’ ny ankavanany Izy, fa ny osy eo amin’ ny ankaviany.
34 “Tada će kralj reći onima sebi zdesna: 'Dođite, blagoslovljeni Oca mojega! Primite u baštinu Kraljevstvo pripravljeno za vas od postanka svijeta!
Ary amin’ izany ny Mpanjaka dia hilaza amin’ izay eo amin’ ny ankavanany hoe: Avia ianareo izay notahin’ ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao;
35 Jer ogladnjeh i dadoste mi jesti; ožednjeh i napojiste me; stranac bijah i primiste me;
fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo;
36 gol i zaogrnuste me; oboljeh i pohodiste me; u tamnici bijah i dođoste k meni.'”
tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo; narary Aho, dia notsaboinareo; tao an-tranomaizina Aho, dia novangianareo.
37 “Tada će mu pravednici odgovoriti: 'Gospodine, kada te to vidjesmo gladna i nahranismo te; ili žedna i napojismo te?
Ary dia hamaly Azy ny marina ka hanao hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao ka nomenay hanina, na nangetaheta ka nampisotroinay?
38 Kada te vidjesmo kao stranca i primismo; ili gola i zaogrnusmo te?
Ary oviana no hitanay nivahiny Hianao ka nampiantranoinay, na tsy nanan-kitafy ka notafianay?
39 Kada te vidjesmo bolesna ili u tamnici i dođosmo k tebi?'
Ary oviana no hitanay narary Hianao, na tao an-tranomaizina, ka novangianay?
40 A kralj će im odgovoriti: 'Zaista, kažem vam, što god učiniste jednomu od ove moje najmanje braće, meni učiniste!'”
Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ ny anankiray amin’ ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.
41 “Zatim će reći i onima slijeva: 'Odlazite od mene, prokleti, u oganj vječni, pripravljen đavlu i anđelima njegovim! (aiōnios g166)
Ary dia hilaza indray amin’ izay eo amin’ ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, ianareo izay voaozona, ho any amin’ ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an’ ny devoly sy ny anjeliny; (aiōnios g166)
42 Jer ogladnjeh i ne dadoste mi jesti; ožednjeh i ne dadoste mi piti;
fa noana Aho, fa tsy mba nomenareo hanina; nangetaheta Aho, fa tsy mba nampisotroinareo;
43 stranac bijah i ne primiste me; gol i ne zaogrnuste me; bolestan i u tamnici i ne pohodiste me!'”
nivahiny Aho, fa tsy mba nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho, fa tsy mba notafianareo; narary sy tao an-tranomaizina Aho, fa tsy mba novangianareo.
44 “Tada će mu i oni odgovoriti: 'Gospodine, a kada te to vidjesmo gladna, ili žedna, ili stranca, ili gola, ili bolesna, ili u tamnici, i ne poslužismo te?'
Ary dia hamaly kosa ireo hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao, na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nanan-kitafy, na narary, na tao an-tranomaizina, ka tsy mba nanompo Anao izahay?
45 Tada će im on odgovoriti: 'Zaista, kažem vam, što god ne učiniste jednomu od ovih najmanjih, ni meni ne učiniste.'”
Fa hamaly azy Izy ka hanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay tsy nataonareo tamin’ ny anankiray amin’ ireto kely indrindra ireto no tsy mba nataonareo tamiko.
46 “I otići će ovi u muku vječnu, a pravednici u život vječni.” (aiōnios g166)
Ary ireo dia hiala ho any amin’ ny fampijaliana mandrakizay; fa ny marina ho any amin’ ny fiainana mandrakizay. (aiōnios g166)

< Matej 25 >