< 1 Samuelova 5 >

1 Kad su Filistejci osvojili Kovčeg Božji, prenesoše ga iz Eben Haezera u Ašdod.
Dia nalain’ ny Filistina ny fiaran’ Andriamanitra ka nentiny niala tany Ebenezera ho any Asdoda.
2 Nato Filistejci uzeše Kovčeg Božji, unesoše ga u hram Dagonov i smjestiše pokraj Dagona.
Ary nony efa azon’ ny Filistina ny fiaran’ Andriamanitra, dia nentiny tao an-tranon’ i Dagona izy ka napetrany teo anilany.
3 Sutradan ujutro, kad su žitelji Ašdoda došli u hram Dagonov, gle, Dagon ležaše ničice na zemlji pred Kovčegom Jahvinim. Oni digoše Dagona i metnuše ga natrag na njegovo mjesto.
Ary nony ampitson’ iny dia nifoha maraina koa ny Asdodita, ka indro Dagona potraka niankohoka tamin’ ny tany teo anoloan’ ny fiaran’ i Jehovah; dia narenin’ ny olona izy ka napetrany teo amin’ ny fitoerany indray.
4 Ali kad su ujutro uranili, gle, Dagon opet ležaše ničice na zemlji pred Kovčegom Jahvinim; glava Dagona i obje njegove ruke ležahu odsječene na pragu: na mjestu je stajao samo Dagonov trup.
Ary nony ampitson’ iny indray dia nifoha maraina koa ny olona, ka indro Dagona potraka niankohoka indray tamin’ ny tany teo anoloan’ ny fiaran’ i Jehovah, ary tapaka teo amin’ ny tokonam-baravarana ny lohan’ i Dagona sy ny felatanany roa; fa ny tenabeny ihany no sisa
5 Zato Dagonovi svećenici i svi koji ulaze u Dagonov hram ne staju nogom na prag Dagonov u Ašdodu sve do današnjeg dana.
(izany no tsy anitsahan’ ny mpisoron’ i Dagona, na izay miditra ao an-tranony, ny tokonam-baravaran’ i Dagona ao Asdoda mandraka androany).
6 Tada ruka Jahvina teško pritisnu žitelje Ašdoda i natjera ih u silan strah: udari ih čirevima, Ašdod i njegovo područje.
Ary navesatra tamin’ ny Asdodita ny tànan’ i Jehovah, fa nandringana azy Izy; ary nasiany vay ny tao Asdoda sy ny tamin’ ny fari-taniny rehetra.
7 Kad su ljudi u Ašdodu vidjeli što se dogodilo, rekoše: “Kovčeg Boga Izraelova ne smije ostati kod nas jer se ruka njegova ispriječila protiv nas i protiv našega boga Dagona.”
Ary rehefa hitan’ ny mponina tao Asdoda fa nisy izany, dia hoy izy: Aza avela hitoetra eto amintsika ny fiaran’ ny Andriamanitry ny Isiraely; fa mavesatra amintsika sy amin’ i Dagona andriamanitsika ny tànany.
8 Oni sazvaše i okupiše sve knezove filistejske k sebi i rekoše: “Što da radimo s Kovčegom Boga Izraelova?” A oni odgovoriše: “U Gat neka se prenese Kovčeg Boga Izraelova.” I prenesoše Kovčeg Boga Izraelova onamo.
Dia naniraka olona izy ka nanangona ireo andriana rehetra tamin’ ny Filistina hankeo aminy ka nanao hoe: Hataontsika ahoana ny fiaran’ ny Andriamanitry ny Isiraely? Dia hoy ireo: Aoka hafindra hankany Gata ny fiaran’ ny Andriamanitry ny Isiraely. Dia nafindrany ny fiaran’ ny Andriamanitry ny Isiraely.
9 Ali kad su ga prenijeli, ruka se Jahvina spusti na grad i nasta silna strava: udari građane, od najmanjega do najvećega, tako da im se pojaviše čirevi.
Ary rehefa voafindrany ny fiara, dia namely ny tanàna ny tànan’ i Jehovah ka nampangorohoro azy indrindra, fa Izy namely ny mponina tao an-tanàna, na kely na lehibe, ka nisy vay nipoipoitra taminy.
10 Oni tada poslaše Kovčeg Božji u Ekron. Ali kad je Kovčeg Božji stigao u Ekron, povikaše Ekronjani: “Donesoše Kovčeg Boga Izraelova k meni da pomori mene i sav moj narod!”
Ary dia naterin’ ny olona nankany Ekrona ny fiaran’ Andriamanitra. Ary raha vao tonga tany Ekrona ny fiaran’ Andriamanitra, dia nitaraina ny Ekronita nanao hoe: Efa nafindran’ ny olona ho atỳ amintsika ny fiaran’ ny Andriamanitry ny Isiraely hahafaty antsika sy ny firenentsika.
11 Zato sazvaše i okupiše sve knezove filistejske i rekoše: “Pošaljite natrag Kovčeg Boga Izraelova, neka se vrati na svoje mjesto da ne pomori mene i moj narod!” Jer vladaše smrtna strava u svemu gradu, toliko ondje bijaše pritisnula ruka Božja.
Dia naniraka olona izy ka nanangona ireo andriana rehetra tamin’ ny Filistina ka nanao hoe: Ampandehano ny fiaran’ ny Andriamanitry ny Isiraely, ary aoka ho entina ho any amin’ ny fitoerany ihany indray izy mba tsy hahafaty antsika sy ny firenentsika; fa nanerana ny tanàna ny horohoron’ ny fahafatesana, fa navesatra indrindra tao ny tànan’ Andriamanitra.
12 Ljudi koji nisu pomrli bili su udareni čirevima i bolni se vapaj grada dizao do neba.
Ary ny olona izay tsy maty dia voan’ ny vay kosa, ka ny fitarainan’ ny tao an-tanàna dia niakatra ho any an-danitra.

< 1 Samuelova 5 >