< 1 Kraljevima 5 >

1 Tirski kralj Hiram posla svoje sluge Salomonu, jer bijaše čuo da su ga pomazali za kralja na mjesto njegova oca, a Hiram je svagda bio prijatelj Davidov.
Ary Hirama, mpanjakan’ i Tyro, naniraka ny mpanompony ho any amin’ i Solomona, satria reny fa izy no voahosotra ho mpanjaka handimby an-drainy; fa Hirama dia sakaizan’ i Davida hatrizay ela izay.
2 Tada Salomon poruči Hiramu:
Ary Solomona naniraka tany amin’ i Hirama hanao hoe:
3 “Ti znaš dobro da moj otac David nije mogao sagraditi Doma imenu Jahve, svoga Boga, zbog ratova kojima su ga okružili neprijatelji sa svih strana, sve dok ih Jahve nije položio pod stopala nogu njegovih.
Fantatrao fa Davida raiko tsy nahavita trano ho an’ ny anaran’ i Jehovah Andriamaniny noho ny ady nanodidina azy, ambara-panaon’ i Jehovah ireo ho eo ambanin’ ny faladiany.
4 Sada mi je Jahve, Bog moj, dao mir posvuda unaokolo: nemam neprijatelja ni zlih udesa.
Fa ankehitriny Jehovah Andriamanitro efa nanome ahy fitsaharana amin’ ny manodidina, ka tsy misy fahavalo na loza manjo intsony.
5 Namjeravam, dakle, sagraditi Dom imenu Jahve, Boga svoga, kako je Jahve rekao mome ocu Davidu: 'Tvoj sin koga ću mjesto tebe postaviti na tvoje prijestolje, on će sagraditi Dom mome Imenu.'
Ary, indro, izaho mikasa hanao trano ho an’ ny anaran’ i Jehovah Andriamanitro, araka ilay nolazain’ i Jehovah tamin’ i Davida raiko hoe: Ny zanakao izay hapetrako eo amin’ ny seza fiandriananao handimby anao, izy no hanao trano ho an’ ny anarako.
6 Stoga sada zapovjedi da mi nasijeku cedrova na Libanonu; moje će sluge biti sa slugama tvojim, i ja ću platiti nadnicu tvojim slugama prema svemu kako mi odrediš. Ti znaš dobro da u nas nema ljudi koji umiju sjeći drva kao Sidonci.”
Roa dia mba asaovy misy mikapa hazo sedera any Libanona ho ahy; ary ny vahoakako hiarata amin’ ny vahoakanao, ka ny karaman’ ny vahoakanao dia homeko anao araka izay hotononinao; fa fantatrao fa tsy mba misy olona atỳ aminay mahay mikapa hazo tahaka ny Sidoniana.
7 Kada je Hiram primio Salomonovu poruku, veoma se obradova i reče: “Neka je blagoslovljen danas Jahve koji je dao mudra sina Davidu, koji upravlja ovim velikim narodom.”
Ary rehefa ren’ i Hirama ny tenin’ i Solomona, dia faly indrindra izy ka nanao hoe: Ankehitriny izao dia isaorana anie Jehovah, Izay nanome zanakalahy hendry ho Davida hanapaka izao olona betsaka izao.
8 I Hiram javi Salomonu: “Primio sam tvoju poruku. Ispunit ću u svemu tvoju želju glede drva cedrova i drva čempresova.
Ary Hirama naniraka tany amin’ i Solomona hanao hoe: Efa reko ny nanirahanao tatỳ amiko; koa izaho dia hanao izay rehetra irinao ny amin’ ny hazo sedera sy ny hazo kypreso.
9 Moje će ih sluge dopremiti s Libanona na more, složit ću ih u splavi i pustiti ih morem do mjesta koje ćeš mi označiti; ondje ću ih razložiti i ti ćeš ih uzeti. Ti ćeš pak ispuniti moju želju i dati hranu mojoj čeljadi.”
Ny vahoakako hitondra azy midìna avy any Libanona ho any amin’ ny ranomasina, ary hofeheziko ka hampandehaniko mitsinkafona amin’ ny rano ho any amin’ izay hotononinao, ary any vao hoberahiko izy, ka dia ianao kosa no hampaka azy; ary ianao dia hanao izay iriko amin’ ny fanomezan-kanina ho an’ ny ankohonako.
10 Hiram je davao Salomonu drva cedrova i čempresova koliko je htio,
Ary Hirama dia nanome hazo sedera sy hazo kypreso ho an’ i Solomona araka izay rehetra nilainy.
11 a Salomon je davao Hiramu dvadeset tisuća kora pšenice za hranu ljudstvu, i dvadeset tisuća kora ulja od tiještenih maslina. Toliko je Salomon davao Hiramu godinu za godinom.
Ary Solomona kosa nanome an’ i Hirama vary tritika roa alina kora ho an’ ny ankohonany ary diloilo roa-polo kora avy amin’ ny oliva voatoto; izany no nomen’ i Solomona an’ i Hirama isan-taona isan-taona.
12 Jahve je dao mudrost Salomonu, kako mu bijaše obećao; između Hirama i Salomona vladao je mir te oni sklopiše savez.
Ary Jehovah nanome fahendrena an’ i Solomona, araka izay nolazainy taminy; ary nihavana Hirama sy Solomona, ka nanao fanekena izy roa lahy.
13 Tada diže kralj Salomon kulučare iz svega Izraela; kulučara je bilo u svemu trideset tisuća ljudi.
Ary Solomona mpanjaka naka olona tamin’ ny Isiraely rehetra hanao fanompoana, ka olona telo alina no nalainy.
14 Slao ih je naizmjence na Libanon, svakog mjeseca deset tisuća ljudi: bili su mjesec dana na Libanonu, a dva mjeseca kod kuće. Adoniram je bio nad svim kulučarima.
Ary nirahiny nankany Libanona ireny, dia iray alina no indray milatsaka isam-bolana; iray volana izy no tany Libanona, ary roa volana kosa mba tany an-tranony; ary Adonirama no nifehy azy rehetra.
15 Salomon je imao i sedamdeset tisuća nosača tereta, osamdeset tisuća kamenorezaca u gori,
Ary Solomona nanana mpitondra entana fito alina sy tambato valo alina teny an-tendrombohitra,
16 ne računajući glavara službeničkih koji su upravljali poslovima; njih je bilo tri tisuće i tri stotine, a upravljali su narodom zaposlenim na radovima.
afa-tsy ny lehiben’ ireo olona voatendrin’ i Solomona ireo, izay nitandrina ny raharaha, dia telonjato amby telo arivo lahy izay nifehy ny mpiasa.
17 Kralj je zapovjedio da lome gromade biranog kamena i da ih klešu za temelje Hrama.
Ary ny mpanjaka dia nandidy hanamboatra vato vaventy tsara sady voapaika hatao fanorenan’ ny trano.
18 Graditelji Salomonovi i Hiramovi, i oni iz Gibela, tesali su i pripremali drvo i klesali za gradnju Hrama.
Ary ny mpiasan’ i Solomona sy Hirama (indrindra fa ny avy any Gebala) no nipaika sy nanamboatra ny hazo sy ny vato hatao trano.

< 1 Kraljevima 5 >