< ⳘⲀⲦⲐⲈⲞⲚ 10 >
1 ⲁ̅ ⲁϥⲙⲟⲩⲧⲉ ⲇⲉ ⲉⲡⲉϥⲙⲛⲧⲥⲛⲟⲟⲩⲥ ⲙⲙⲁⲑⲏⲧⲏⲥ ⲁϥϯ ⲛⲁⲩ ⲛⲧⲉⲝⲟⲩⲥⲓⲁ ⲛⲛⲉⲡⲛⲁ ⲛⲁⲕⲁⲑⲁⲣⲧⲟⲛ ⲉⲛⲟⲩϫ ⲉⲃⲟⲗ ⲁⲩⲱ ⲉⲣⲡⲁϩⲣⲉ ⲉϣⲱⲛⲉ ⲛⲓⲙ ϩⲓⲗⲟϫⲗⲉϫ ⲛⲓⲙ
Ary Jesosy niantso ny mpianany roa ambin’ ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto sy hahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ ny rofy rehetra.
2 ⲃ̅ ⲛⲁⲓ ⲇⲉ ⲛⲉ ⲛⲣⲁⲛ ⲙⲡⲙⲛⲧⲥⲛⲟⲟⲩⲥ ⲛⲁⲡⲟⲥⲧⲟⲗⲟⲥ ⲡϣⲟⲣⲡ ⲡⲉ ⲥⲓⲙⲱⲛ ⲡⲉⲧⲉϣⲁⲩⲙⲟⲩⲧⲉ ⲉⲣⲟϥ ϫⲉ ⲡⲉⲧⲣⲟⲥ ⲙⲛ ⲁⲛⲇⲣⲉⲁⲥ ⲡⲉϥⲥⲟⲛ ⲓⲁⲕⲱⲃⲟⲥ ⲡϣⲏⲣⲉ ⲛⲍⲉⲃⲉⲇⲁⲓⲟⲥ ⲙⲛ ⲓⲱϩⲁⲛⲛⲏⲥ ⲡⲉϥⲥⲟⲛ
Ary izao no anaran’ ny Apostoly roa ambin’ ny folo lahy: Ny voalohany, Simona, izay atao hoe Petera, dia Andrea rahalahiny; Jakoba, zanak’ i Zebedio, sy Jaona rahalahiny;
3 ⲅ̅ ⲫⲓⲗⲓⲡⲡⲟⲥ ⲙⲛ ⲃⲁⲣⲑⲟⲗⲟⲙⲁⲓⲟⲥ ⲑⲱⲙⲁⲥ ⲙⲛ ⲙⲁⲑⲑⲁⲓⲟⲥ ⲡⲧⲉⲗⲱⲛⲏⲥ ⲓⲁⲕⲱⲃⲟⲥ ⲡϣⲏⲣⲉ ⲛⲁⲗⲫⲁⲓⲟⲥ ⲙⲛ ⲑⲁⲇⲇⲁⲓⲟⲥ
Filipo sy Bartolomeo; Tomasy sy Matio mpamory hetra; Jakoba, zanak’ i Alfeo,
4 ⲇ̅ ⲥⲓⲙⲱⲛ ⲡⲕⲁⲛⲁⲛⲓⲧⲏⲥ ⲙⲛ ⲓⲟⲩⲇⲁⲥ ⲡⲓⲥⲕⲁⲣⲓⲱⲧⲏⲥ ⲡⲉⲛⲧⲁϥⲡⲁⲣⲁⲇⲓⲇⲟⲩ ⲙⲙⲟϥ
sy Tadeo; Simona Kananeana ary Jodasy Iskariota, ilay namadika Azy.
5 ⲉ̅ ⲡⲉⲓⲙⲛⲧⲥⲛⲟⲟⲩⲥ ⲁϥϫⲟⲟⲩⲥⲉ ⲛϭⲓ ⲓⲏⲥ ⲁϥⲡⲁⲣⲁⲅⲅⲉⲓⲗⲉ ⲛⲁⲩ ⲉϥϫⲱ ⲙⲙⲟⲥ ϫⲉ ⲙⲡⲣⲃⲱⲕ ⲉϩⲓⲏ ⲛϩⲉⲑⲛⲟⲥ ⲁⲩⲱ ⲙⲡⲣⲃⲱⲕ ⲉϩⲟⲩⲛ ⲉⲡⲟⲗⲓⲥ ⲛⲥⲁⲙⲁⲣⲓⲧⲏⲥ
Ireo roa ambin’ ny folo lahy ireo dia nirahin’ i Jesosy ka nodidiany hoe: Aza mandeha any amin’ ny lalan’ ny jentilisa, ary aza miakatra amin’ izay tanànan’ ny Samaritana,
6 ⲋ̅ ⲃⲱⲕ ⲇⲉ ⲛϩⲟⲩⲟ ϣⲁⲛⲉⲥⲟⲟⲩ ⲛⲧⲁⲩⲥⲱⲣⲙ ⲛⲧⲉⲡⲏⲓ ⲙⲡⲓⲥⲣⲁⲏⲗ
fa aleo mankany amin’ ny ondry very amin’ ny taranak’ isiraely.
7 ⲍ̅ ⲉⲧⲉⲧⲛⲁⲃⲱⲕ ⲇⲉ ⲧⲁϣⲉⲟⲉⲓϣ ⲉⲧⲉⲧⲛϫⲱ ⲙⲙⲟⲥ ϫⲉ ⲙⲉⲧⲁⲛⲟⲓ ⲁⲥϩⲱⲛ ⲅⲁⲣ ⲉϩⲟⲩⲛ ⲛϭⲓ ⲧⲙⲛⲧⲣⲣⲟ ⲛⲙⲡⲏⲩⲉ
Ary raha mandeha ianareo, dia mitoria hoe: Efa mby akaiky ny fanjakan’ ny lanitra.
8 ⲏ̅ ⲛⲉⲧϣⲱⲛⲉ ⲁⲣⲓⲡⲁϩⲣⲉ ⲉⲣⲟⲟⲩ ⲛⲉⲧⲥⲟⲃϩ ⲧⲃⲃⲟⲟⲩ ⲛⲇⲁⲓⲙⲱⲛⲓⲟⲛ ⲛⲟϫⲟⲩ ⲉⲃⲟⲗ ⲁⲧⲉⲧⲛϫⲓ ⲛϫⲓⲛϫⲏ ϯⲛϫⲓⲛϫⲏ
Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana.
9 ⲑ̅ ⲙⲡⲣϫⲡⲟ ⲛⲏⲧⲛ ⲛⲟⲩⲛⲟⲩⲃ ⲟⲩⲧⲉ ⲟⲩϩⲁⲧ ⲟⲩⲇⲉ ϩⲟⲙⲛⲧ ϩⲛ ⲛⲉⲧⲛⲙⲟϫϩ
Aza mitady volamena, na volafotsy, na varahina, ho ao anatin’ ny fehin-kibonareo,
10 ⲓ̅ ⲟⲩⲧⲉ ⲡⲏⲣⲁ ⲉⲧⲉϩⲓⲏ ⲟⲩⲧⲉ ϣⲧⲏⲛ ⲥⲛⲧⲉ ⲟⲩⲧⲉ ⲟⲩⲧⲟⲟⲩⲉ ⲟⲩⲧⲉ ⲟⲩϭⲉⲣⲱⲃ ϥⲉⲙⲡϣⲁ ⲅⲁⲣ ⲛϭⲓ ⲡⲉⲣⲅⲁⲧⲏⲥ ⲛⲧⲉϥϩⲣⲉ
na kitapom-batsy ho amin’ izay haleha, na akanjo roa, na kapa na tehina; fa ny mpiasa dia miendrika hahazo ny haniny.
11 ⲓ̅ⲁ̅ ⲧⲡⲟⲗⲓⲥ ⲇⲉ ⲉⲧⲉⲧⲛⲁⲃⲱⲕ ⲉϩⲟⲩⲛ ⲉⲣⲟⲥ ⲏ ⲡϯⲙⲉ ϣⲓⲛⲉ ϩⲣⲁⲓ ⲛϩⲏⲧⲥ ϫⲉ ⲛⲓⲙ ⲡⲉⲧⲙⲡϣⲁ ⲛⲧⲉⲧⲛϭⲱ ϩⲙ ⲡⲙⲁ ⲉⲧⲙⲙⲁⲩ ϣⲁⲛⲧⲉⲧⲛⲉⲓ ⲉⲃⲟⲗ
Ary izay tanàna na vohitra hiakaranareo, dia fantaro tsara izay miendrika ao; ka mitoera ao aminy mandra-pialanareo.
12 ⲓ̅ⲃ̅ ⲉⲧⲉⲧⲛⲃⲏⲕ ⲇⲉ ⲉϩⲟⲩⲛ ⲉⲡⲏⲓ ⲁⲥⲡⲁⲍⲉ ⲙⲙⲟϥ
Ary raha vao miditra ao amin’ ny trano ianareo, dia miarahabà ny ao.
13 ⲓ̅ⲅ̅ ⲁⲩⲱ ⲉϣⲱⲡⲉ ⲡⲏⲓ ⲙⲡϣⲁ ⲙⲁⲣⲉⲧⲉⲧⲛⲉⲓⲣⲏⲛⲏ ⲉⲓ ⲉϩⲣⲁⲓ ⲉϫⲱϥ ⲉϣⲱⲡⲉ ⲇⲉ ⲛϥⲙⲡϣⲁ ⲁⲛ ⲙⲁⲣⲉⲧⲉⲧⲛⲉⲓⲣⲏⲛⲏ ⲕⲟⲧⲥ ⲉⲣⲱⲧⲛ
Koa raha miendrika ny ao an-trano, dia aoka ho ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy miendrika izy, dia aoka hiverina aminareo ny fiadanana voatononareo.
14 ⲓ̅ⲇ̅ ⲡⲉⲧⲉⲛϥⲛⲁϫⲓⲧⲏⲩⲧⲛ ⲇⲉ ⲁⲛ ⲁⲩⲱ ⲛϥⲧⲙⲥⲱⲧⲙ ⲉⲛⲉⲧⲛϣⲁϫⲉ ⲉⲧⲉⲧⲛⲛⲏⲩ ⲇⲉ ⲉⲃⲟⲗ ϩⲙ ⲡⲏⲓ ⲏ ⲧⲡⲟⲗⲓⲥ ⲉⲧⲙⲙⲁⲩ ⲏ ⲡϯⲙⲉ ⲛⲟⲩϩⲉ ⲉⲃⲟⲗ ⲙⲡϣⲟⲉⲓϣ ⲛⲛⲉⲧⲛⲟⲩⲉⲣⲏⲧⲉ
Ary izay tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino ny teninareo, raha miala amin’ izany trano na tanàna izany ianareo, dia ahintsano ny vovoka amin’ ny tongotrareo.
15 ⲓ̅ⲉ̅ ϩⲁⲙⲏⲛ ϯϫⲱ ⲙⲙⲟⲥ ⲛⲏⲧⲛ ϫⲉ ⲟⲩⲛⲟⲩⲙⲧⲟⲛ ⲛⲁϣⲱⲡⲉ ϩⲙ ⲡⲕⲁϩ ⲛⲥⲟⲇⲟⲙⲁ ⲙⲛ ⲅⲟⲙⲟⲣⲣⲁ ϩⲙ ⲡⲉϩⲟⲟⲩ ⲛⲧⲉⲕⲣⲓⲥⲓⲥ ⲉϩⲟⲩⲉⲧⲡⲟⲗⲓⲥ ⲉⲧⲙⲙⲁⲩ
Lazaiko aminareo marina tokoa fa ho moramora kokoa ny ho amin’ ny tany Sodoma sy Gomora amin’ ny andro fitsarana noho ny ho amin’ izany tanàna izany.
16 ⲓ̅ⲋ̅ ⲉⲓⲥ ϩⲏⲏⲧⲉ ⲁⲛⲟⲕ ϯϫⲟⲟⲩ ⲙⲙⲱⲧⲛ ⲛⲑⲉ ⲛϩⲉⲛⲉⲥⲟⲟⲩ ϩⲛ ⲧⲙⲏⲧⲉ ⲛϩⲉⲛⲟⲩⲱⲛϣ ϣⲱⲡⲉ ϭⲉ ⲛⲥⲁⲃⲉ ⲛⲑⲉ ⲛⲛϩⲟϥ ⲁⲩⲱ ⲛⲁⲕⲉⲣⲁⲓⲟⲥ ⲛⲑⲉ ⲛⲛⲓϭⲣⲟⲟⲙⲡⲉ
Indro, Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry ao ampovoan’ ny amboadia; koa hendre tahaka ny menarana, ary morà tahaka ny voromailala.
17 ⲓ̅ⲍ̅ ϯϩⲧⲏⲧⲛ ⲇⲉ ⲉⲣⲱⲧⲛ ⲉⲃⲟⲗ ϩⲛ ⲛⲉⲣⲱⲙⲉ ⲥⲉⲛⲁⲡⲁⲣⲁⲇⲓⲇⲟⲩ ⲅⲁⲣ ⲙⲙⲱⲧⲛ ⲉⲛⲥⲩⲛϩⲉⲇⲣⲓⲟⲛ ⲁⲩⲱ ϩⲣⲁⲓ ϩⲛ ⲛⲉⲩⲥⲩⲛⲁⲅⲱⲅⲏ ⲥⲉⲛⲁⲙⲁⲥⲧⲓⲅⲟⲩ ⲙⲙⲱⲧⲛ
Ary mitandrema ianareo noho ny amin’ ny olona; fa hatolony ho amin’ ny Synedriona sy hokapohiny ao amin’ ny synagogany ianareo;
18 ⲓ̅ⲏ̅ ⲛⲥⲉϫⲓⲧⲏⲩⲧⲛ ⲛⲛϩⲏⲅⲉⲙⲱⲛ ⲙⲛ ⲛⲣⲣⲱⲟⲩ ⲉⲧⲃⲏⲏⲧ ⲉⲩⲙⲛⲧⲙⲛⲧⲣⲉ ⲛⲁⲩ ⲙⲛ ⲛϩⲉⲑⲛⲟⲥ
ary ho entiny eo anatrehan’ ny mpanapaka sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko, ho vavolombelona aminy sy amin’ ny jentilisa.
19 ⲓ̅ⲑ̅ ϩⲟⲧⲁⲛ ⲇⲉ ⲉⲩϣⲁⲛⲡⲁⲣⲁⲇⲓⲇⲟⲩ ⲙⲙⲱⲧⲛ ⲙⲡⲣϥⲓⲣⲟⲟⲩϣ ϫⲉ ⲛⲁϣ ⲛϩⲉ ⲏ ⲉⲧⲉⲧⲛⲁϫⲟⲟⲥ ϫⲉ ⲟⲩ ⲥⲉⲛⲁϯ ⲅⲁⲣ ⲛⲏⲧⲛ ϩⲛ ⲧⲉⲩⲛⲟⲩ ⲉⲧⲙⲙⲁⲩ ϫⲉ ⲟⲩ ⲡⲉⲧⲉⲧⲛⲛⲁϫⲟⲟϥ
Fa raha manolotra anareo izy, dia aza manahy ny amin’ izay fomba hitenenanareo, na izay holazainareo; Fa homena anareo amin izany ora izany izay holazainareo.
20 ⲕ̅ ⲛⲧⲱⲧⲛ ⲅⲁⲣ ⲁⲛ ⲡⲉⲧϣⲁϫⲉ ⲁⲗⲗⲁ ⲡⲉⲡⲛⲁ ⲙⲡⲉⲧⲛⲉⲓⲱⲧ ⲡⲉⲧϣⲁϫⲉ ⲛϩⲏⲧⲧⲏⲩⲧⲛ
Fa tsy ianareo no miteny, fa ny Fanahin’ ny Rainareo no miteny ao anatinareo.
21 ⲕ̅ⲁ̅ ⲟⲩⲛⲟⲩⲥⲟⲛ ⲇⲉ ⲛⲁⲡⲁⲣⲁⲇⲓⲇⲟⲩ ⲙⲡⲉϥⲥⲟⲛ ⲉⲡⲙⲟⲩ ⲁⲩⲱ ⲟⲩⲉⲓⲱⲧ ⲙⲡⲉϥϣⲏⲣⲉ ⲛⲧⲉⲛϣⲏⲣⲉ ⲧⲱⲟⲩⲛ ⲉϫⲛ ⲛⲉⲩⲉⲓⲟⲧⲉ ⲛⲥⲉⲙⲟⲩⲟⲩⲧ ⲙⲙⲟⲟⲩ
Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny mba ho faty, ary ny ray hanolotra ny zanany; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy sy ny reniny ka hahafaty azy.
22 ⲕ̅ⲃ̅ ⲛⲧⲉⲧⲛϣⲱⲡⲉ ⲉⲩⲙⲟⲥⲧⲉ ⲙⲙⲱⲧⲛ ⲉⲃⲟⲗ ϩⲓⲧⲛ ⲣⲱⲙⲉ ⲛⲓⲙ ⲉⲧⲃⲉ ⲡⲁⲣⲁⲛ ⲡⲉⲧⲛⲁϩⲩⲡⲟⲙⲉⲓⲛⲉ ⲇⲉ ϣⲁⲃⲟⲗ ⲡⲁⲓ ⲡⲉⲧⲛⲁⲟⲩϫⲁⲓ
Ary ho halan’ ny olona rehetra ianareo noho ny anarako; fa izay maharitra hatramin’ ny farany no hovonjena.
23 ⲕ̅ⲅ̅ ϩⲟⲧⲁⲛ ⲇⲉ ⲉⲩϣⲁⲛⲡⲱⲧ ⲛⲥⲱⲧⲛ ϩⲛ ⲧⲉⲓⲡⲟⲗⲓⲥ ⲡⲱⲧ ⲉϩⲣⲁⲓ ⲉⲕⲉⲟⲩⲉⲓ ϩⲁⲙⲏⲛ ⲅⲁⲣ ϯϫⲱ ⲙⲙⲟⲥ ⲛⲏⲧⲛ ϫⲉ ⲛⲛⲉⲧⲛϫⲱⲕ ⲉⲃⲟⲗ ⲛⲙⲡⲟⲗⲓⲥ ⲙⲡⲓⲥⲣⲁⲏⲗ ⲙⲡⲉⲡϣⲏⲣⲉ ⲙⲡⲣⲱⲙⲉ ⲉⲓ
Ary raha manenjika anareo amin’ ny tanàna anankiray ny olona dia mandosira ho any amin’ ny hafa; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy hahatapitra ny tanànan’ ny Isiraely ianareo tsy akory mandra-pahatongan’ ny Zanak’ olona.
24 ⲕ̅ⲇ̅ ⲙⲛⲥⲃⲟⲩⲓ ⲅⲁⲣ ⲉϥⲟ ⲛⲛⲟϭ ⲉⲡⲉϥⲥⲁϩ ⲟⲩⲧⲉ ⲙⲛ ϩⲙϩⲁⲗ ⲉϥϫⲟⲥⲉ ⲉϩⲟⲩⲉⲡⲉϥϫⲟⲉⲓⲥ
Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra, na ny mpanompo noho ny tompony.
25 ⲕ̅ⲉ̅ ϩⲱ ⲉⲡⲉⲥⲃⲟⲩⲓ ϫⲉ ⲉϥⲉϣⲱⲡⲉ ⲛⲑⲉ ⲙⲡⲉϥⲥⲁϩ ⲁⲩⲱ ⲡϩⲙϩⲁⲗ ϫⲉ ⲉϥⲉϣⲱⲡⲉ ⲛⲑⲉ ⲙⲡⲉϥϫⲟⲉⲓⲥ ⲉϣϫⲉ ⲁⲩⲙⲟⲩⲧⲉ ⲉⲡϫⲟⲉⲓⲥ ϫⲉ ⲃⲉⲉⲗⲍⲉⲃⲟⲩⲗ ⲡⲟⲥⲟ ⲙⲁⲗⲗⲟⲛ ⲛⲉϥⲣⲙⲛⲏⲓ
Fa ampy amin’ ny mpianatra, raha tonga tahaka ny mpampianatra azy, ary ny mpanompo, raha tonga tahaka ny tompony. Raha ny tompon-trano no nataony hoe Belzeboba, tsy mainka va ny ankohonany?
26 ⲕ̅ⲋ̅ ⲙⲡⲣⲣ ϩⲟⲧⲉ ϭⲉ ϩⲏⲧⲟⲩ ⲙⲛ ⲗⲁⲁⲩ ⲅⲁⲣ ⲉϥϩⲟⲃⲥ ⲛⲥⲉⲛⲁϭⲟⲗⲡϥ ⲁⲛ ⲉⲃⲟⲗ ⲁⲩⲱ ⲉϥϩⲏⲡ ⲉⲛϥⲛⲁⲟⲩⲱⲛϩ ⲁⲛ ⲉⲃⲟⲗ
Koa amin’ izany aza matahotra azy ianareo; fa tsy misy afenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra.
27 ⲕ̅ⲍ̅ ⲡⲉϯϫⲱ ⲙⲙⲟϥ ⲛⲏⲧⲛ ϩⲙ ⲡⲕⲁⲕⲉ ⲁϫⲓϥ ϩⲙ ⲡⲟⲩⲟⲉⲓⲛ ⲁⲩⲱ ⲡⲉⲧⲉⲧⲛⲥⲱⲧⲙ ⲉⲣⲟϥ ϩⲙ ⲡⲉⲧⲛⲙⲁⲁϫⲉ ⲧⲁϣⲉⲟⲉⲓϣ ⲙⲙⲟϥ ϩⲓϫⲛ ⲛϫⲉⲛⲉⲡⲱⲣ
Izay lazaiko aminareo ao amin’ ny maizina, dia ambarao eo amin’ ny mazava, ary izay ren’ ny sofinareo, dia torio eo ambonin’ ny tampon-trano.
28 ⲕ̅ⲏ̅ ⲙⲡⲣⲣ ϩⲟⲧⲉ ϩⲏⲧⲟⲩ ⲛⲛⲉⲧⲛⲁⲙⲟⲩⲟⲩⲧ ⲙⲡⲉⲧⲛⲥⲱⲙⲁ ⲉⲙⲛϭⲟⲙ ⲇⲉ ⲙⲙⲟⲟⲩ ⲉⲙⲟⲩⲟⲩⲧ ⲛⲧⲉⲧⲛⲯⲩⲭⲏ ⲁⲣⲓϩⲟⲧⲉ ⲇⲉ ⲛϩⲟⲩⲟ ϩⲏⲧϥ ⲙⲡⲉⲧⲉⲟⲩⲛϭⲟⲙ ⲙⲙⲟϥ ⲉⲧⲁⲕⲟ ⲛⲧⲉⲧⲛⲯⲩⲭⲏ ⲙⲛ ⲡⲉⲧⲛⲥⲱⲙⲁ ϩⲣⲁⲓ ϩⲛ ⲧⲅⲉϩⲉⲛⲛⲁ (Geenna )
Ary aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin’ ny helo. (Geenna )
29 ⲕ̅ⲑ̅ ⲙⲏ ϫⲁϫ ⲥⲛⲁⲩ ⲛⲥⲉϯ ⲙⲙⲟⲟⲩ ⲁⲛ ⲉⲃⲟⲗ ϩⲁ ⲟⲩϩⲟⲃⲟⲗⲟⲥ ⲁⲩⲱ ⲟⲩⲁ ⲉⲃⲟⲗ ⲛϩⲏⲧⲟⲩ ⲛⲛⲉϥϩⲉ ⲉϩⲣⲁⲓ ⲉϫⲙ ⲡⲕⲁϩ ⲁϫⲙⲡⲉⲧⲛⲉⲓⲱⲧ ⲉⲧϩⲛ ⲙⲡⲏⲩⲉ
Tsy varidimiventy ihany va no vidin’ ny tsintsina roa? nefa tsy misy na dia iray akory aza amin’ ireny ho latsaka amin’ ny tany, raha tsy avelan’ ny Rainareo.
30 ⲗ̅ ⲛⲕⲉⲃⲱ ⲇⲉ ⲛⲧⲉⲧⲛⲁⲡⲉ ⲏⲡ ⲧⲏⲣⲟⲩ
Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa.
31 ⲗ̅ⲁ̅ ⲙⲡⲣⲣ ϩⲟⲧⲉ ϭⲉ ϩⲏⲧⲟⲩ ⲛⲧⲱⲧⲛ ⲧⲉⲧⲛϣⲟⲃⲉ ⲉϩⲁϩ ⲛϫⲁϫ
Koa aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.
32 ⲗ̅ⲃ̅ ⲟⲩⲟⲛ ϭⲉ ⲛⲓⲙ ⲉⲧⲛⲁϩⲟⲙⲟⲗⲟⲅⲉⲓ ⲛϩⲏⲧ ⲙⲡⲉⲙⲧⲟ ⲉⲃⲟⲗ ⲛⲛⲉⲣⲱⲙⲉ ϯⲛⲁϩⲟⲙⲟⲗⲟⲅⲉⲓ ϩⲱ ⲛϩⲏⲧϥ ⲙⲡⲉⲙⲧⲟ ⲉⲃⲟⲗ ⲙⲡⲁⲉⲓⲱⲧ ⲉⲧϩⲛ ⲙⲡⲏⲩⲉ
Ary amin’ izany na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehan’ ny olona, dia hekeko kosa izy eo anatrehan’ ny Raiko Izay any an-danitra.
33 ⲗ̅ⲅ̅ ⲡⲉⲧⲛⲁⲁⲡⲁⲣⲛⲁ ⲇⲉ ⲙⲙⲟⲓ ⲙⲡⲉⲙⲧⲟ ⲉⲃⲟⲗ ⲛⲛⲉⲣⲱⲙⲉ ϯⲛⲁⲁⲡⲁⲣⲛⲁ ϩⲱ ⲙⲙⲟϥ ⲙⲡⲉⲙⲧⲟ ⲉⲃⲟⲗ ⲙⲡⲁⲉⲓⲱⲧ ⲉⲧϩⲛ ⲙⲡⲏⲩⲉ
Fa na zovy na zovy no handà Ahy eo anatrehan’ ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan’ ny Raiko Izay any an-danitra.
34 ⲗ̅ⲇ̅ ⲙⲡⲣⲱϣ ϫⲉ ⲛⲧⲁⲓⲉⲓ ⲉⲛⲟⲩϫⲉ ⲛⲟⲩⲉⲓⲣⲏⲛⲏ ⲉϩⲣⲁⲓ ⲉϫⲙ ⲡⲕⲁϩ ⲛⲧⲁⲓⲉⲓ ⲁⲛ ⲉⲛⲟⲩϫⲉ ⲛⲟⲩⲉⲓⲣⲏⲛⲏ ⲁⲗⲗⲁ ⲉⲛⲟⲩϫⲉ ⲛⲟⲩⲥⲏϥⲉ
Ary aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana ambonin’ ny tany Aho; tsy tonga hitondra fiadanana Aho, fa sabatra.
35 ⲗ̅ⲉ̅ ⲛⲧⲁⲓⲉⲓ ⲅⲁⲣ ⲉⲡⲱⲣϫ ⲛⲟⲩⲣⲱⲙⲉ ⲉⲡⲉϥⲉⲓⲱⲧ ⲁⲩⲱ ⲟⲩϣⲉⲉⲣⲉ ⲉⲧⲉⲥⲙⲁⲁⲩ ⲁⲩⲱ ⲟⲩϣⲉⲗⲉⲉⲧ ⲉⲧⲉⲥϣⲱⲙⲉ
Fa tonga Aho hampifandrafy olona amin’ ny rainy, ary ny zanakavavy amin’ ny reniny, ary ny vinantovavy amin’ ny rafozanivavy;
36 ⲗ̅ⲋ̅ ⲛϫⲁϫⲉ ⲙⲡⲣⲱⲙⲉ ⲛⲉ ⲛⲉϥⲣⲙⲛⲏⲓ
ary ny ankohonan’ ny olona ihany no fahavalony.
37 ⲗ̅ⲍ̅ ⲡⲉⲧⲙⲉ ⲛⲉⲓⲱⲧ ⲏ ⲙⲁⲁⲩ ⲉϩⲟⲩⲉⲉⲣⲟⲓ ⲛϥⲙⲡϣⲁ ⲙⲙⲟⲓ ⲁⲛ ⲁⲩⲱ ⲡⲉⲧⲙⲉ ⲛϣⲏⲣⲉ ϩⲓϣⲉⲉⲣⲉ ⲉϩⲟⲩⲉⲉⲣⲟⲓ ⲛϥⲙⲡϣⲁ ⲙⲙⲟⲓ ⲁⲛ
Izay tia ray na reny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy miendrika ho Ahy, ary izay tia ny zananilahy na ny zananivavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy miendrika ho Ahy.
38 ⲗ̅ⲏ̅ ⲁⲩⲱ ⲡⲉⲧⲉⲛϥⲛⲁϥⲓ ⲁⲛ ⲙⲡⲉϥⲥⲧⲁⲩⲣⲟⲥ ⲛϥⲟⲩⲁϩϥ ⲛⲥⲱⲓ ⲛϥⲙⲡϣⲁ ⲙⲙⲟⲓ ⲁⲛ
Ary izay tsy mitondra ny hazo fijaliany ka tsy manaraka Ahy dia tsy miendrika ho Ahy.
39 ⲗ̅ⲑ̅ ⲡⲉⲛⲧⲁϥϩⲉ ⲉⲧⲉϥⲯⲩⲭⲏ ϥⲛⲁⲥⲟⲣⲙⲉⲥ ⲁⲩⲱ ⲡⲉⲛⲧⲁϥⲥⲱⲣⲙ ⲛⲧⲉϥⲯⲩⲭⲏ ⲉⲧⲃⲏⲏⲧ ϥⲛⲁϩⲉ ⲉⲣⲟⲥ
Izay mamonjy ny ainy no hamery azy; ary izay mamery ny ainy noho ny amiko dia hahazo azy.
40 ⲙ̅ ⲡⲉⲧϣⲱⲡ ⲙⲙⲱⲧⲛ ⲉⲣⲟϥ ⲉϥϣⲱⲡ ⲙⲙⲟⲓ ⲉⲣⲟϥ ⲁⲩⲱ ⲡⲉⲧϣⲱⲡ ⲙⲙⲟⲓ ⲉⲣⲟϥ ⲉϥϣⲱⲡ ⲉⲣⲟϥ ⲙⲡⲉⲛⲧⲁϥⲧⲛⲛⲟⲟⲩⲧ
Izay mandray anareo dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray Izay naniraka Ahy.
41 ⲙ̅ⲁ̅ ⲡⲉⲧϣⲱⲡ ⲉⲣⲟϥ ⲛⲟⲩⲡⲣⲟⲫⲏⲧⲏⲥ ⲉⲡⲣⲁⲛ ⲛⲟⲩⲡⲣⲟⲫⲏⲧⲏⲥ ϥⲛⲁϫⲓ ⲙⲡⲃⲉⲕⲉ ⲛⲟⲩⲡⲣⲟⲫⲏⲧⲏⲥ ⲁⲩⲱ ⲡⲉⲧϣⲱⲡ ⲉⲣⲟϥ ⲛⲟⲩⲇⲓⲕⲁⲓⲟⲥ ⲉⲡⲣⲁⲛ ⲛⲟⲩⲇⲓⲕⲁⲓⲟⲥ ϥⲛⲁϫⲓ ⲙⲡⲃⲉⲕⲉ ⲙⲡⲇⲓⲕⲁⲓⲟⲥ
Izay mandray mpaminany, satria mpaminany izy, dia handray ny valim-pitian’ ny mpaminany; ary izay mandray olona marina, satria olona marina izy, dia handray ny valim-pitian’ ny olona marina.
42 ⲙ̅ⲃ̅ ⲁⲩⲱ ⲡⲉⲧⲛⲁⲧⲥⲉⲟⲩⲁ ⲛⲛⲉⲓⲕⲟⲩⲓ ⲛⲟⲩϫⲱ ⲙⲙⲟⲩ ⲛⲱⲣϣ ⲙⲙⲁⲧⲉ ⲉⲡⲣⲁⲛ ⲛⲟⲩⲙⲁⲑⲏⲧⲏⲥ ϩⲁⲙⲏⲛ ϯϫⲱ ⲙⲙⲟⲥ ⲛⲏⲧⲛ ϫⲉ ⲛⲛⲉϥⲥⲱⲣⲙ ⲙⲡⲉϥⲃⲉⲕⲉ
Ary na zovy na zovy no manome rano mangatsiaka na dia eran’ ny kapoaka ihany aza hosotroin’ ny anankiray amin’ ireo madinika ireo, satria mpianatra izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany.