< 詩篇 60 >
1 大衛與兩河間的亞蘭並瑣巴的亞蘭爭戰的時候,約押轉回,在鹽谷攻擊以東,殺了一萬二千人。那時,大衛作這金詩,叫人學習,交與伶長。調用為證的百合花。 上帝啊,你丟棄了我們,使我們破敗; 你向我們發怒,求你使我們復興!
Ho an’ ny mpiventy hira Al-sho-shanedoth. Miktama nataon’ i Davida hampianarana, fony izy nanafika an’ i Mesopotamia sy Arama-zoba tamin’ ny niverenan’ i Joaba ka namelezany ny Edomita roa arivo amby iray alin-dahy teo amin’ ny lohasahan-tsira. Andriamanitra ô, efa nanary sy nampihahaka anay Hianao; efa tezitra Hianao, velombelomy izahay.
2 你使地震動,而且崩裂; 求你將裂口醫好,因為地搖動。
Efa nampihorohoro ny tany Hianao ka namaky azy; amboary izay rava aminy, fa mihozongozona izy.
3 你叫你的民遇見艱難; 你叫我們喝那使人東倒西歪的酒。
Efa nampahita ny olonao zava-tsarotra Hianao, ary efa nampisotro anay divay mampiraikiraiky.
4 你把旌旗賜給敬畏你的人, 可以為真理揚起來。 (細拉)
Efa notoloranao faneva ny matahotra Anao, hatsangany noho ny fahamarinana. (Sela)
5 求你應允我們,用右手拯救我們, 好叫你所親愛的人得救。
Mba hahafahan’ ny malalanao, dia vonjeo amin’ ny tananao ankavanana aho, ka valio.
6 上帝已經指着他的聖潔說:我要歡樂; 我要分開示劍,丈量疏割谷。
Andriamanitra niteny tamin’ ny fahamasinany hoe: hifaly Aho ka hizara an’ i Sekema; ary ny lohasahan’ i Sokota horefesiko;
7 基列是我的,瑪拿西也是我的。 以法蓮是護衛我頭的; 猶大是我的杖。
Ahy Gileada, Ahy koa Manase; ary aron’ ny lohako Efraima tehim-panjakako Joda;
8 摩押是我的沐浴盆; 我要向以東拋鞋。 非利士啊,你還能因我歡呼嗎?
Tavin-dranoko fanasana Moaba; Edoma no anipazako ny kapako; mihobia noho ny amiko, ry Filistia.
Iza no hitondra ahy ho any an-tanàna mafy? iza no hitarika ahy ho any Edoma?
10 上帝啊,你不是丟棄了我們嗎? 上帝啊,你不和我們的軍兵同去嗎?
Tsy Hianao va, Izay efa nanary anay, Andriamanitra ô. Sady tsy nivoaka niaraka tamin’ ny antokon’ ny miaramilanay, Andriamanitra ô?
11 求你幫助我們攻擊敵人, 因為人的幫助是枉然的。
Vonjeo amin’ ny mpandrafy izahay; fa zava-poana ny famonjena ataon’ ny olona.
12 我們倚靠上帝才得施展大能, 因為踐踏我們敵人的就是他。
Andriamanitra no haherezantsika; fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika.