< 詩篇 132 >

1 上行之詩。 耶和華啊,求你記念大衛所受的一切苦難!
Fihirana fiakarana.
2 他怎樣向耶和華起誓, 向雅各的大能者許願,
Dia ilay nianiana tamin’ i Jehovah Sy nivoady tamin’ ny Maherin’ i Jakoba hoe:
3 說:我必不進我的帳幕, 也不上我的床榻;
Tsy mba hiditra ao an-daiko aho, Na hiakatra amin’ ny farafara fandriako,
4 我不容我的眼睛睡覺, 也不容我的眼目打盹;
Tsy mba havelako hatory ny masoko, Na ho rendrehana ny hodimasoko,
5 直等我為耶和華尋得所在, 為雅各的大能者尋得居所。
Mandra-pahitako fitoerana ho an’ i Jehovah. Dia fonenana ho an’ ny Maherin’ i Jakoba.
6 我們聽說約櫃在以法他, 我們在基列‧耶琳就尋見了。
Indro, nandre azy tany Efrata isika; Nahita azy tao amin’ ny saha anaty ala isika.
7 我們要進他的居所, 在他腳凳前下拜。
Aoka hiditra any amin’ ny fonenany isika Ka hivavaka eo amin’ ny fitoeran-tongony.
8 耶和華啊,求你興起, 和你有能力的約櫃同入安息之所!
Mitsangàna, Jehovah ô, ho amin’ ny fitsaharanao, Dia Hianao sy ny fiaran’ ny herinao.
9 願你的祭司披上公義! 願你的聖民歡呼!
Aoka ny mpisoronao hirafy fahamarinana Ary aoka ny olonao masìna hihoby.
10 求你因你僕人大衛的緣故, 不要厭棄你的受膏者!
Noho ny amin’ i Davida mpanomponao Dia aza mampiala maina ny tavan’ ny voahosotrao.
11 耶和華向大衛、憑誠實起了誓, 必不反覆,說: 我要使你所生的 坐在你的寶座上。
Jehovah efa nianiana tamin’ i Davida, Ary marina izany ka tsy hitsoahany Ny ateraky ny kibonao no hapetrako eo ambonin’ ny seza fiandriananao.
12 你的眾子若守我的約 和我所教訓他們的法度, 他們的子孫必永遠坐在你的寶座上。
Raha hotandreman’ ny zanakao ny fanekeko Sy ny teny vavolombeloko izay hampianariko azy, Dia hipetraka eo ambonin’ ny seza fiandriananao mandrakizay doria kosa ny zanany.
13 因為耶和華揀選了錫安, 願意當作自己的居所,
Fa Jehovah efa nifidy an’ i Ziona. Ary naniry azy ho fonenany.
14 說:這是我永遠安息之所; 我要住在這裏, 因為是我所願意的。
Ity, hoy Izy, no fitsaharako mandrakizay doria; Eto no honenako, fa efa niriko ity.
15 我要使其中的糧食豐滿, 使其中的窮人飽足。
Hotahiko tokoa ny fihinana ao; Hovokisako hanina ny malahelo ao.
16 我要使祭司披上救恩, 聖民大聲歡呼!
Ny mpisorona ao dia hampitafiko famonjena; Ary hihoby tokoa ny olo-masìna ao.
17 我要叫大衛的角在那裏發生; 我為我的受膏者預備明燈。
Ao no hampitsimohako tandroka ho an’ i Davida Sy hanamboarako jiro ho an’ ny voahosotro.
18 我要使他的仇敵披上羞恥; 但他的冠冕要在頭上發光。
Ny fahavalony hampitafiko henatra; Fa eo aminy kosa no hamirapiratra ny satro-boninahiny.

< 詩篇 132 >