< 尼希米記 6 >
1 參巴拉、多比雅、阿拉伯人基善和我們其餘的仇敵聽見我已經修完了城牆,其中沒有破裂之處(那時我還沒有安門扇)的,
Ary rehefa ren’ i Sanbala sy Tobia sy Gasema Arabo mbamin’ ny namany fahavalonay fa efa nanao ny manda aho, ka tsy nisy banga intsony teo (kanefa tamin’ izany andro izany tsy mbola voalatsako ny lela-vavahady),
2 參巴拉和基善就打發人來見我,說:「請你來,我們在阿挪平原的一個村莊相會。」他們卻想害我。
dia naniraka ho any amiko Sanbala sy Gasema ka nanao hoe: Avia isika hihaona ao amin’ izay vohitra anankiray amin’ ny tany lemak’ i Ono. Kanjo nikasa hanisy ratsy ahy izy roa lahy.
3 於是我差遣人去見他們,說:「我現在辦理大工,不能下去。焉能停工下去見你們呢?」
Dia naniraka olona hankany aminy kosa aho hanao hoe: Asa lehibe no ataoko, ka tsy afa-midìna aho; nahoana no hilaozako midìna any aminareo ny asa ka hatsahatra?
Kanefa mbola naniraka tamiko inefatra araka izany ihany izy; ary izaho kosa dia mbola namaly azy toy izany ihany koa.
5 參巴拉第五次打發僕人來見我,手裏拿着未封的信,
Dia nirahin’ i Sanbala fanindiminy ny zatovony hankeo amiko araka izany ihany, nitondra taratasy nivelatra teny an-tànany,
6 信上寫着說:「外邦人中有風聲,迦施慕也說,你和猶大人謀反,修造城牆,你要作他們的王;
izay nisy soratra hoe: Efa mahoraka any amin’ ny firenena maro izao teny izao, sady lazain’ i Gasema hoe: Hianao sy ny Jiosy dia mikasa hikomy, ka izany no anaovanao ny manda, ary araka izany teny izany dia mikasa ho mpanjakany, hono, ianao,
7 你又派先知在耶路撒冷指着你宣講,說在猶大有王。現在這話必傳與王知;所以請你來,與我們彼此商議。」
sady efa nanendry ny mpaminany maro hilaza anao any Jerosalema hoe Mpanjaka any Joda; ary ankehitriny dia ho ren’ ny mpanjaka izany teny izany; koa avia isika hiara-mihevitra.
8 我就差遣人去見他,說:「你所說的這事,一概沒有,是你心裏捏造的。」
Dia naniraka ho any aminy aho hanao hoe: Tsy marina izany zavatra lazainao izany, fa tao am-ponao ihany no namoronanao izany.
9 他們都要使我們懼怕,意思說,他們的手必軟弱,以致工作不能成就。上帝啊,求你堅固我的手。
Fa ta-hampahatahotra anay izy rehetra, ka hoy izy: Ho kivy amin’ ny asa izy ka tsy hahatontosa. Koa ankehitriny ampaherezo e ny tanako!
10 我到了米希大別的孫子、第來雅的兒子示瑪雅家裏;那時,他閉門不出。他說:「我們不如在上帝的殿裏會面,將殿門關鎖;因為他們要來殺你,就是夜裏來殺你。」
Ary izaho dia tonga tao an-tranon’ i Semaia, zanak’ i Delaia, zanak’ i Mehetabela, izay nihidy trano tao; dia hoy izy: Andeha isika hiditra ao an-tranon’ Andriamanitra ao anatin’ ny tempoly, ary aoka harindrintsika ny varavarana, fa ho avy hamono anao izy, eny, ho avy alina hamono anao izy.
11 我說:「像我這樣的人豈要逃跑呢?像我這樣的人豈能進入殿裏保全生命呢?我不進去!」
Fa hoy izaho: Moa ny lehilahy tahaka ahy tokony handositra va? Ary iza no olona tahaka ahy no mahazo miditra ao amin’ ny tempoly ka ho velona? Tsy hiditra ao aho.
12 我看明上帝沒有差遣他,是他自己說這話攻擊我,是多比雅和參巴拉賄買了他。
Ary hitako fa, indro, tsy Andriamanitra no naniraka azy, fa nilaza izany faminaniana izany hamitahany ahy izy, satria notambazan’ i Tobia sy Sanbala.
13 賄買他的緣故,是要叫我懼怕,依從他犯罪,他們好傳揚惡言毀謗我。
Izany no nanambazany azy, mba hampitahotra ahy hanaovako izany ka hanotako, dia hahazoany teny tatsy hanaratsiany ahy.
14 我的上帝啊,多比雅、參巴拉、女先知挪亞底,和其餘的先知要叫我懼怕,求你記念他們所行的這些事。
Ry Andriamanitro ô, tsarovy Tobia sy Sanbala araka izany asany izany mbamin’ i Noadia mpaminanivavy sy ny mpaminany sasany koa, izay nampitahotra ahy.
15 以祿月二十五日,城牆修完了,共修了五十二天。
Dia vita tamin’ ny roa amby dimam-poloandro ny manda, dia tamin’ ny andro faha-dimy amby roa-polo tamin’ ny volana Elola.
16 我們一切仇敵、四圍的外邦人聽見了便懼怕,愁眉不展;因為見這工作完成是出乎我們的上帝。
Ary rehefa ren’ ny fahavalonay rehetra izany, dia raiki-tahotra ny firenena rehetra manodidina anay, sady hitany fa tsinontsinona izy; ary fantany fa Andriamanitray no nahavitàna izany asa izany.
17 在那些日子,猶大的貴冑屢次寄信與多比雅,多比雅也來信與他們。
Ary tamin’ izany andro izany ny manan-kaja amin’ ny Joda dia nampitondra taratasy maro ho any amin’ i Tobia, ary ny avy tamin’ i Tobia kosa tonga tany aminy.
18 在猶大有許多人與多比雅結盟;因他是亞拉的兒子,示迦尼的女婿,並且他的兒子約哈難娶了比利迦兒子米書蘭的女兒為妻。
Fa nisy maro tany Joda efa nianiana niray tetika taminy, satria vinanton’ i Sekania, zanak’ i Ara, izy; ary Johanana zananilahy efa nanambady ny zanakavavin’ i Mesolama, zanak’ i Berekia.
19 他們常在我面前說多比雅的善行,也將我的話傳與他。多比雅又常寄信來,要叫我懼怕。
Ary nisy koa teo anatrehako nilaza ny soa nataony ary nilaza ny teniko tany aminy kosa. Ary Tobia kosa nampitondra taratasy hampitahotra ahy.