< 士師記 4 >
Ary ny Zanak’ Isiraely nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah indray, rehefa maty Ehoda.
2 耶和華就把他們付與在夏瑣作王的迦南王耶賓手中;他的將軍是西西拉,住在外邦人的夏羅設。
Ary Jehovah nivarotra azy ho eo an-tànan’ i Jabina, mpanjakan’ i Kanana, izay nanjaka tany Hazora, ary Sisera, izay nonina tany Harosetan’ ny Jentilisa, no komandin’ ny miaramilany.
3 耶賓王有鐵車九百輛。他大大欺壓以色列人二十年,以色列人就呼求耶和華。
Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely; fa nanana kalesy vy sivin-jato Jabina, ary nampahory fatratra ny Zanak’ Isiraely roa-polo taona izy.
4 有一位女先知名叫底波拉,是拉比多的妻,當時作以色列的士師。
Ary Debora mpaminanivavy, vadin’ i Lapidota, no nitsara ny Isiraely tamin’ izany andro izany.
5 她住在以法蓮山地拉瑪和伯特利中間,在底波拉的棕樹下。以色列人都上她那裏去聽判斷。
Ary izy nipetraka teo ambanin’ ny hazo rofian’ i Debora, teo anelanelan’ i Rama sy Betela, tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima; ary niakatra ho any aminy ny Zanak’ Isiraely hatsaraina.
6 她打發人從拿弗他利的基低斯將亞比挪菴的兒子巴拉召了來,對他說:「耶和華-以色列的上帝吩咐你說:『你率領一萬拿弗他利和西布倫人上他泊山去。
Ary Debora naniraka ka niantso an’ i Baraka, zanak’ i Abinoama, tany Kadesi-naftaly, ka nanao taminy hoe: Moa tsy efa nandidy va Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, nanao hoe: Mandehana, ka mankanesa any an-tendrombohitra Tabara, ary mitondrà iray alin-dahy amin’ ny taranak’ i Naftaly sy Zebolona hiaraka aminao?
7 我必使耶賓的將軍西西拉率領他的車輛和全軍往基順河,到你那裏去;我必將他交在你手中。』」
Dia ho entiko ho eo aminao, eo amoron’ ny ony Kisona, Sisera, komandin’ ny miaramilan’ i Jabina, mbamin’ ny kalesiny sy ny vahoakany maro be; dia hanolotra azy eo an-tananao Aho.
8 巴拉說:「你若同我去,我就去;你若不同我去,我就不去。」
Ary hoy Baraka taminy: Raha handeha hiaraka amiko ianao, dia handeha aho; fa raha tsy handeha hiaraka amiko kosa ianao, dia tsy handeha aho.
9 底波拉說:「我必與你同去,只是你在所行的路上得不着榮耀,因為耶和華要將西西拉交在一個婦人手裏。」於是底波拉起來,與巴拉一同往基低斯去了。
Ary hoy kosa izy: handeha hiaraka aminao ihany aho; kanefa tsy ho voninahitrao izao halehanao izao, satria ho eo an-tanam-behivavy no hivarotan’ i Jehovah an’ i Sisera. Dia niainga Debora ka nandeha niaraka tamin’ i Baraka hankany Kadesy
10 巴拉就招聚西布倫人和拿弗他利人到基低斯,跟他上去的有一萬人。底波拉也同他上去。
Ary nantsoin’ i Baraka ho any Kadesy ny Zebolona sy ny Naftaly; dia nisy iray alin-dahy niakatra nanaraka azy; ary Debora niara-niakatra taminy.
11 摩西岳父 何巴的後裔,基尼人希百曾離開基尼族,到靠近基低斯、撒拿音的橡樹旁支搭帳棚。
Ary Hebera Kenita efa nisaraka tamin’ ny Kenita izay avy amin’ ny taranak’ i Hobaba, zaodahin’ i Mosesy, ary nilasy ambara-pahatongany teo amin’ ny hazo terebinta ao Zananima, izay eo anilan’ i Kadesy.
12 有人告訴西西拉說:「亞比挪菴的兒子巴拉已經上他泊山了。」
Ary nisy nilaza tamin’ i Sisera fa Baraka, zanak’ i Abinoama, niakatra any an-tendrombohitra Tabara.
13 西西拉就聚集所有的鐵車九百輛和跟隨他的全軍,從外邦人的夏羅設出來,到了基順河。
Dia nangonin’ i Sisera ny kalesiny rehetra, dia kalesy vy sivin-jato, sy ny vahoaka rehetra izay niaraka taminy avy tany Harosetan’ ny Jentilisa, hankany amin’ ny ony Kisona.
14 底波拉對巴拉說:「你起來,今日就是耶和華將西西拉交在你手的日子。耶和華豈不在你前頭行嗎?」於是巴拉下了他泊山,跟隨他有一萬人。
Ary hoy Debora tamin’ i Baraka: Miakara, fa anio no andro hanoloran’ i Jehovah an’ i Sisera eo an-tananao; tsy mivoaka eo anoloanao va Jehovah? Dia nidina Baraka sy ny olona iray alina nanaraka azy, avy tany an-tendrombohitra Tabara.
15 耶和華使西西拉和他一切車輛全軍潰亂,在巴拉面前被刀殺敗;西西拉下車步行逃跑。
Dia nampifanaritahin’ i Jehovah tamin’ ny lelan-tsabatra Sisera teo anoloan’ i Baraka sy ny kalesy rehetra ary ny miaramila rehetra; dia nidina niala tamin’ ny kalesy Sisera ka nandositra nandeha tongotra.
16 巴拉追趕車輛、軍隊,直到外邦人的夏羅設。西西拉的全軍都倒在刀下,沒有留下一人。
Ary Baraka nanenjika nanaraka ny kalesy sy ny miaramila hatrany Haroseta; dia lavon’ ny lelan-tsabatra avokoa ny miaramilan’ i Sisera rehetra; tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
17 只有西西拉步行逃跑,到了基尼人希百之妻雅億的帳棚,因為夏瑣王耶賓與基尼人希百家和好。
Ary Sisera nandositra nandeha tongotra ho any amin’ ny lain’ i Jaela, vadin’ i Hebera Kenita; fa nihavana Jabina, mpanjakan’ i Hazora, sy ny mpianakavin’ i Hebera Kenita.
18 雅億出來迎接西西拉,對他說:「請我主進來,不要懼怕」;西西拉就進了她的帳棚。雅億用被將他遮蓋。
Dia nivoaka Jaela hitsena an’ i Sisera ka nanao taminy hoe: Miakara, tompokolahy, miakara atỳ amiko; aza matahotra. Ary rehefa niakatra ho ao aminy ao an-day izy, dia norakofany ny lamba firakotra.
19 西西拉對雅億說:「我渴了,求你給我一點水喝。」雅億就打開皮袋,給他奶子喝,仍舊把他遮蓋。
Ary hoy Sisera taminy: Masìna ianao, omeo rano kely hosotroiko, fa mangetaheta aho izany. Dia nanokatra ny siny hoditra nisy ronono izy ka nomeny hosotroiny; ary dia norakofany indray izy.
20 西西拉又對雅億說:「請你站在帳棚門口,若有人來問你說:『有人在這裏沒有?』你就說:『沒有。』」
Dia hoy izy taminy: Mitsangàna eo am-baravaran’ ny lay, ka raha tàhiny misy avy ka manontany anao hoe: Misy olona va ato? dia ataovy hoe: Tsia.
21 西西拉疲乏沉睡。希百的妻雅億取了帳棚的橛子,手裏拿着錘子,輕悄悄地到他旁邊,將橛子從他鬢邊釘進去,釘入地裏。西西拉就死了。
Dia naka tsima-day Jaela, vadin’ i Hebera, sady nitondra tantanana teny an-tànany ka nitsaitsaika nankeo aminy; dia natsatony tamin’ ny fihirifany ny tsima-day, ka nihatra tamin’ ny tany fa efa renoky ny torimaso Sisera, satria sasatra ka dia maty izy.
22 巴拉追趕西西拉的時候,雅億出來迎接他說:「來吧,我將你所尋找的人給你看。」他就進入帳棚,看見西西拉已經死了,倒在地上,橛子還在他鬢中。
Ary nony, indro, avy Baraka manenjika an’ i Sisera, dia nivoaka hitsena azy Jaela ka nanao taminy hoe; Avia atỳ, fa hasehoko anao ny lehilahy izay tadiavinao. Ary rehefa tonga tao aminy izy, dia indro, ny fatin’ i Sisera niampatra teo, ary ny tsima-day teo amin’ ny fihirifany.
Dia naetrin’ Andriamanitra teo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely tamin’ izany andro izany Jabina, mpanjakan’ i Kanana.
24 從此以色列人的手越發有力,勝了迦南王耶賓,直到將他滅絕了。
Ary ny tanan’ ny Zanak’ Isiraely nihahery tamin’ i Jabina, mpanjakan’ i Kanana, mandra-pandringany azy.