< 約書亞記 15 >

1 猶大支派按着宗族拈鬮所得之地是在儘南邊,到以東的交界,向南直到尋的曠野。
Ary izao no anjaran’ ny firenena taranak’ i Joda tamin’ ny filokana araka ny fokony: hatramin’ ny fari-tanin’ i Edoma dia ny efitra Zina atsimo, izay faran’ ny faritany atsimo.
2 他們的南界是從鹽海的儘邊,就是從朝南的海汊起,
Ary ny fari-taniny atsimo dia hatramin’ ny faran’ ny Ranomasin-tsira, dia hatramin’ ny helo-drano atsimo,
3 通到亞克拉濱坡的南邊,接連到尋,上到加低斯‧巴尼亞的南邊,又過希斯崙,上到亞達珥,繞到甲加,
dia nandroso hatrany atsimon’ ny fiakarana Akrabima, dia nandroso hatrany Zina, dia niakatra any atsimon’ i Kadesi-barnea ka nandroso hatrany Hezrona dia niakatra any Adara ary niolaka hatrany Karka,
4 接連到押們,通到埃及小河,直通到海為止。這就是他們的南界。
dia nandroso hatrany Azmona ka nahazo ny lohasahan-driak’ i Egypta, ary dia nihatra tamin’ ny ranomasina; izany no ho fari-taninareo atsimo.
5 東界是從鹽海南邊到約旦河口。北界是從約旦河口的海汊起,
Ary ny fari-tany atsinanana dia ny Ranomasin-tsira hatramin’ ny faran’ i Jordana. Ary ny fari-taniny tamin’ ny lafiny avaratra dia hatramin’ ny helo-drano eo amin’ ny faran’ i Jordana,
6 上到伯‧曷拉,過伯‧亞拉巴的北邊,上到呂便之子波罕的磐石;
dia niakatra hatrany Beti-hogla ka nandroso any avaratr’ i Bet-araba, dia niakatra hatramin’ ny vaton’ i Bohana, zanak’ i Robena,
7 從亞割谷往北,上到底璧,直向河南亞都冥坡對面的吉甲;又接連到隱‧示麥泉,直通到隱‧羅結,
dia niakatra ho any Debira hatramin’ ny lohasaha Akora ary nianavaratra manandrify an’ i Gilgala tandrifin’ ny fiakarana Adomina, izay eo atsimon’ ny lohasahan-driaka, dia nandroso hatramin’ ny rano Ensemesy ary nihatra tany En-rogela,
8 上到欣嫩子谷,貼近耶布斯的南界(耶布斯就是耶路撒冷);又上到欣嫩谷西邊的山頂,就是在利乏音谷極北的邊界;
dia niakatra teo amin’ ny lohasahan’ ny taranak’ i Hinoma, ho eo anilany atsimon’ ny Jebosita (Jerosalema izany), dia niakatra hatramin’ ny tampon’ ny tendrombohitra, izay manandrify ny lohasahan’ i Hinoma eo andrefany, amin’ ny farany avaratry ny Lohasahan’ ny Refaïta,
9 又從山頂延到尼弗多亞的水源,通到以弗崙山的城邑,又延到巴拉(巴拉就是基列‧耶琳);
dia nizotra hatramin’ ny tampon’ ny tendrombohitra ka nihatra tamin’ ny loharano Neftoa, dia nahazo ny tanàna tao an-tendrombohitra Efrona, dia nizotra hatrany Bala (Kiriata-jearima izany),
10 又從巴拉往西繞到西珥山,接連到耶琳山的北邊(耶琳就是基撒崙);又下到伯‧示麥過亭納,
dia niolaka hatrany Bala andrefana ka hatramin’ ny tendrombohitra Seïra ka nandroso hatramin’ ny ilany avaratry ny tendrombohitra Jearima (Kesalona izany), dia nidina hatrany Beti-semesy ka nandroso hatrany Timna.
11 通到以革倫北邊,延到施基崙,接連到巴拉山;又通到雅比聶,直通到海為止。
dia nihatra tamin’ ny lafiny avaratr’ i Ekrona, dia nizotra hatrany Sikerona ka nandroso hatramin’ ny tendrombohitra Bala, dia nihatra tamin’ i Jabniela, ary dia nihatra tany amin’ ny ranomasina.
12 西界就是大海和靠近大海之地。這是猶大人按着宗族所得之地四圍的交界。
Ary ny fari-tany andrefana dia ny moron’ ny Ranomasina Lehibe. Izany no fari-tany manodidina ny anjaran’ ny taranak’ i Joda araka ny fokony.
13 約書亞照耶和華所吩咐的,將猶大人中的一段地,就是基列‧亞巴,分給耶孚尼的兒子迦勒。亞巴是亞衲族的始祖(基列‧亞巴就是希伯崙)。
Ary Kaleba, zanak’ i Jefone, dia nomeny anjara teo amin’ ny taranak’ i Joda, araka ny didin’ i Jehovah tamin’ i Josoa, dia ny tanànan’ i Arba, rain’ i Anàka (Hebrona izany).
14 迦勒就從那裏趕出亞衲族的三個族長,就是示篩、亞希幔、撻買;
Dia noroahin’ i Kaleba niala tao izy telo lahy, taranaky ny Anakita, dia Sesay sy Ahimana ary Talmay.
15 又從那裏上去,攻擊底璧的居民。(這底璧從前名叫基列‧西弗。)
Dia niakatra avy tao izy hankany amin’ ny mponina any Debira (Kiriata-sefera no anaran’ i Debira taloha).
16 迦勒說:「誰能攻打基列‧西弗將城奪取,我就把我女兒押撒給他為妻。」
Ary hoy Kaleba: Izay mamely an’ i Kiriata-sefera ka mahafaka azy, dia homeko azy Aksa zanako-vavy ho vadiny.
17 迦勒兄弟基納斯的兒子俄陀聶奪取了那城,迦勒就把女兒押撒給他為妻。
Ary Otniela, zanak’ i Kenaza, rahalahin’ i Kaleba, no nahafaka azy; ka dia nomeny azy Aksa zananivavy ho vadiny.
18 押撒過門的時候,勸丈夫向她父親求一塊田,押撒一下驢,迦勒問她說:「你要甚麼?」
Ary rehefa voampakatra ravehivavy, dia nanome vava ny lahy hangataka saha tamin-drainy; dia niala faingana tamin’ ny borikiny ravehivavy, ka hoy Kaleba taminy: Inona no ilainao?
19 她說:「求你賜福給我,你既將我安置在南地,求你也給我水泉。」她父親就把上泉下泉賜給她。
Ary hoy izy: Omeo tso-drano aho; fa tsy tany misy rano no efa nomenao ahy, ka mba omeo loharano koa aho. Dia nomeny azy ny loharano ambony sy ny loharano ambany.
20 以下是猶大支派按着宗族所得的產業。
Izao no lovan’ ny firenena taranak’ i Joda araka ny fokony:
21 猶大支派儘南邊的城邑,與以東交界相近的,就是甲薛、以得、雅姑珥、
Ny tanàna farany amin’ ny firenena taranak’ i Joda, eo akaikin’ ny fari-tanin’ i Edoma amin’ ny tany atsimo, dia Kabzela sy Edera sy Jagora
22 基拿、底摩拿、亞大達、
sy Kina sy Dimona sy Adada
23 基低斯、夏瑣、以提楠、
sy Kadesy sy Hazora sy Itnana
24 西弗、提鍊、比亞綠、
sy Zifa sy Talema sy Bealota
25 夏瑣‧哈大他、加略‧希斯崙(加略‧希斯崙就是夏瑣)、
sy Hazora-hadata sy Keriota-hezrona (Hazora izany),
26 亞曼、示瑪、摩拉大、
sy Amama sy Sema sy Molada
27 哈薩‧迦大、黑實門、伯‧帕列、
sy Hazara-gada sy Hesmona sy Beti-paleta
28 哈薩‧書亞、別是巴、比斯約他、
sy Hazara-soala sy Beri-sheba sy Biziotia
29 巴拉、以因、以森、
sy Bala sy Ie sy Azema
30 伊勒多臘、基失、何珥瑪、
sy Eltolada sy Kesila sy Horma
31 洗革拉、麥瑪拿、三撒拿、
sy Ziklaga sy Madmana sy Sansana
32 利巴勿、實忻、亞因、臨門,共二十九座城,還有屬城的村莊。
sy Lebaota sy Silima sy Aina sy Rimona; sivy amby roa-polo ny tanàna rehetra sy ny zana-bohiny.
33 在高原有以實陶、瑣拉、亞實拿、
Ary teo amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka dia Estaola sy Zora sy Asna
34 撒挪亞、隱‧干寧、他普亞、以楠、
sy Zanoa sy En-ganima sy Tapoa sy Enama
35 耶末、亞杜蘭、梭哥、亞西加、
sy Jarmota sy Adolama sy Soko sy Azeka
36 沙拉音、亞底他音、基底拉、基底羅他音,共十四座城,還有屬城的村莊。
sy Saraima sy Aditaima sy Gadera sy Gederotaima: tanàna efatra ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny;
37 又有洗楠、哈大沙、麥大‧迦得、
ary Zenana sy Hadasa sy Migdala-gada
38 底連、米斯巴、約帖、
sy Dilana sy Mizpa ary Joktela
39 拉吉、波斯加、伊磯倫、
sy Lakisy sy Bozkata sy Eglona
40 迦本、拉幔、基提利、
sy Kabona sy Lamasa sy Kitlisa
41 基低羅、伯‧大袞、拿瑪、瑪基大,共十六座城,還有屬城的村莊。
sy Gederota sy Beti-dagona sy Nama sy Makeda: tanàna enina ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny;
42 又有立拿、以帖、亞珊、
Libna sy Atera sy Asana
43 益弗他、亞實拿、尼悉、
sy Jifta sy Asna ary Neziba
44 基伊拉、亞革悉、瑪利沙,共九座城,還有屬城的村莊。
sy Keila sy Akziba ary Maresa: tanàna Sivy sy ny zana-bohiny;
45 又有以革倫和屬以革倫的鎮市村莊;
Ekrona sy ny tanànany ary ny zana-bohiny;
46 從以革倫直到海,一切靠近亞實突之地,並屬其地的村莊。
hatrany Ekrona no ho miankandrefana, dia izay rehetra akaiky an’ i Asdoda, sy ny zana-bohitr’ ireo,
47 亞實突和屬亞實突的鎮市村莊;迦薩和屬迦薩的鎮市村莊;直到埃及小河,並大海和靠近大海之地。
Asdoda sy ny tanànany ary ny zana-bohiny, Gaza sy ny tanànany ary ny zana-bohiny, hatramin’ ny lohasahan-driak’ i Egypta sy ny amoron’ ny Ranomasina Lehibe.
48 在山地有沙密、雅提珥、梭哥、
Ary tany amin’ ny tany havoana dia Samira sy Jatira sy Soko
49 大拿、基列‧薩拿(基列‧薩拿就是底璧)、
sy Dana sy Ririata-sana (Debira izany)
50 亞拿伯、以實提莫、亞念、
sy Anaba sy Estemo sy Anima
51 歌珊、何倫、基羅,共十一座城,還有屬城的村莊。
sy Gosena sy Holona sy Gilo: tanàna iraika ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny;
52 又有亞拉、度瑪、以珊、
Araba sy Doma sy Esana
53 雅農、伯‧他普亞、亞非加、
sy Janoma sy Beti-tapoa sy Afeka
54 宏他、基列‧亞巴(基列‧亞巴就是希伯崙)、洗珥,共九座城,還有屬城的村莊。
sy Honta sy Kiriat-arba (Hebrona izany) ary Ziora: tanàna sivy sy ny zana-bohiny;
55 又有瑪雲、迦密、西弗、淤他、
Maona sy Karmela sy Zifa sy Jota
56 耶斯列、約甸、撒挪亞、
sy Jezirela sy Jokdeama sy Zanoa
57 該隱、基比亞、亭納,共十座城,還有屬城的村莊。
sy Kaina sy Gibea sy Timna: tanana folo sy ny zana-bohiny;
58 又有哈忽、伯‧夙、基突、
sy Halola sy Beti-zora sy Gedora
59 瑪臘、伯‧亞諾、伊勒提君,共六座城,還有屬城的村莊。
sy Marata sy Bet-anota sy Eltekona: tanàna enina sy ny zana-bohiny;
60 又有基列‧巴力(基列‧巴力就是基列‧耶琳)、拉巴,共兩座城,還有屬城的村莊。
sy Kiriata-bala (Kiriata-jearima izany) sy Raba; tanàna roa sy ny zana-bohiny.
61 在曠野有伯‧亞拉巴、密丁、西迦迦、
Tany an-efitra dia Bet-araba sy Midìna sy Sekaka
62 匿珊、鹽城、隱‧基底,共六座城,還有屬城的村莊。
sy Nibsana sy ilay Tanànantsira ary En-jedy: tanàna enina sy ny zana-bohiny.
63 至於住耶路撒冷的耶布斯人,猶大人不能把他們趕出去,耶布斯人卻在耶路撒冷與猶大人同住,直到今日。
Ary ny amin’ ny Jebosita, mponina any Jerosalema, dia tsy naharoaka azy ny taranak’ i Joda; fa miara-monina amin’ ny taranak’ i Joda any Jerosalema mandraka androany izy ireny.

< 約書亞記 15 >