< 以賽亞書 17 >

1 論大馬士革的默示: 看哪,大馬士革已被廢棄,不再為城, 必變作亂堆。
Indro, Damaskosy, dia rava tsy ho tanàna intsony, eny, tonga korontam-bato izy.
2 亞羅珥的城邑已被撇棄, 必成為牧羊之處; 羊在那裏躺臥,無人驚嚇。
Efa lao ny tanànan’ i Aroera ka ho an’ ny andian’ ny ondry aman’ osy, handry ao ireo, ka tsy hisy hanaitaitra azy,
3 以法蓮不再有保障; 大馬士革不再有國權; 亞蘭所剩下的 必像以色列人的榮耀消滅一樣。 這是萬軍之耶和華說的。
Ary tsy hisy tanàna mimanda intsony any Efraima, na fanjakana ao Damaskosy; Ary izay sisa amin’ i Syria dia hitovy voninahitra amin’ ny Zanak’ Isiraely; Hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
4 到那日,雅各的榮耀必至枵薄; 他肥胖的身體必漸瘦弱。
Ary amin’ izany andro izany dia hihena ny voninahitr’ i Jakoba, ary hihena ny hataviny.
5 就必像收割的人收斂禾稼, 用手割取穗子, 又像人在利乏音谷拾取遺落的穗子。
Ary ho tahaka ny fanangon’ ny olona ny vary an-tahony amin’ ny fararano izany, ka tangosan’ ny sandriny ny salohim-bary; Eny, ho tahaka ny fanangon’ ny olona salohim-bary eny amin’ ny lohosahan’ ny Refaïta;
6 其間所剩下的不多,好像人打橄欖樹- 在儘上的枝梢上只剩兩三個果子; 在多果樹的旁枝上只剩四五個果子。 這是耶和華-以色列的上帝說的。
Kanefa hisy sisa hotsimponina ihany izy tahaka ny amin’ ny fikapohana ny hazo oliva: Hisy voany roa na telo ao an-tendrony ambony indrindra, efatra na dimy ao amin’ ny rantsan’ ny hazo mahavokatra, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
7 當那日,人必仰望造他們的主,眼目重看以色列的聖者。
Amin’ izany andro izany dia hanandrandra ny Mpanao azy ny olona, ary ny masony hijery ny Iray Masin’ ny Isiraely,
8 他們必不仰望祭壇,就是自己手所築的,也不重看自己指頭所做的,無論是木偶是日像。
Fa tsy hanandrandra ny alitara, asan’ ny tànany, intsony izy. Ary ny nataon’ ny rantsan-tànany tsy hahoany, na ny Aseraha, na ny tsangankazo ho an’ ny masoandro.
9 在那日,他們的堅固城必像樹林中和山頂上所撇棄的地方,就是從前在以色列人面前被人撇棄的。這樣,地就荒涼了。
Amin’ izany andro izany ny tanànany mafy, dia ho tahaka ny tany lao any an’ ala na any an-tampon-tendrombohitra Izay nilaozan’ ny olona teo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely, ka dia ho foana ny tany.
10 因你忘記救你的上帝, 不記念你能力的磐石; 所以,你栽上佳美的樹秧子, 插上異樣的栽子。
Fa nanadino an’ Andriamanitry ny famonjena anao ianao ary tsy nahatsiaro ny vatolampy fiarovana mafy ho anao, ka dia nanao voly mahafinaritra ianao ary zana-boaloboka avy amin’ ny firenena hafa no nambolenao teo;
11 栽種的日子,你周圍圈上籬笆, 又到早晨使你所種的開花; 但在愁苦極其傷痛的日子, 所收割的都飛去了。
Tamin’ ny andro nambolenao azy dia nofefenao izy, ary nony maraina dia nampitsimohinao ilay nambolenao; nefa ho vokatra miavosa izany ho amin’ ny andro fangirifiriana sy fanaintainana tsy azo sitranina.
12 唉!多民鬨嚷,好像海浪匉訇; 列邦奔騰,好像猛水滔滔;
Indrisy ny fihahohahon’ ny firenena maro! Izay mihahohaho tahaka ny feon’ ny ranomasina! Indrisy ny firohondrohon’ ny olona maro be! Tahaka ny firohondrohon’ ny rano manonja ny firohondrohony!
13 列邦奔騰,好像多水滔滔; 但上帝斥責他們,他們就遠遠逃避, 又被追趕,如同山上的風前糠, 又如暴風前的旋風土。
Eny, mirohondrohona tahaka ny firohondrohon’ ny rano be ny firenena; kanefa hotezerana mafy izy, ka dia handositra lavitra ary ho lasa tahaka ny akofa eny an-tendrombohitra, raha paohin’ ny rivotra, sy tahaka ny fakom-bary mitambolimbolina entin’ ny tadio.
14 到晚上有驚嚇,未到早晨他們就沒有了。這是擄掠我們之人所得的分,是搶奪我們之人的報應。
Raha hariva ny andro, dia, injao, fampahatahorana; ary raha tsy mbola maraina akory aza, dia tsy ao intsony ireny. Izany no anjaran’ izay mamabo antsika sy tambin’ izay mandroba antsika.

< 以賽亞書 17 >