< 何西阿書 4 >

1 以色列人哪,你們當聽耶和華的話。 耶和華與這地的居民爭辯, 因這地上無誠實, 無良善,無人認識上帝。
Mihainoa ny tenin’ i Jehovah, ianareo Zanak’ Isiraely! Fa Jehovah manana ady amin’ ny mponina amin’ ny tany, satria tsy misy fahamarinana, na fitiavana, na fahalalana an’ Andriamanitra eo amin’ ny tany,
2 但起假誓,不踐前言, 殺害,偷盜,姦淫,行強暴, 殺人流血,接連不斷。
Fa fianianana sy lainga sy vonoana sy halatra sy fijangajangana kosa, eny, manao an-keriny izy ka mifanontona ny fandatsahan-drà.
3 因此,這地悲哀, 其上的民、田野的獸、 空中的鳥必都衰微, 海中的魚也必消滅。
Ary noho izany dia mitomany ny tany ary reraka izay rehetra mitoetra ao aminy, dia ny bibi-dia sy ny voro-manidina; Eny, na dia ny hazandrano any anaty ranomasina aza dia ringana koa.
4 然而,人都不必爭辯,也不必指責, 因為這民與抗拒祭司的人一樣。
Kanefa aza misy mandahatra, na mananatra; Fa ny oloko dia efa tahaka ny mifanditra amin’ ny mpisorona.
5 你這祭司必日間跌倒; 先知也必夜間與你一同跌倒; 我必滅絕你的母親。
Ka dia ho tafintohina antoandro ianao, ary ny mpaminany hiara-tafintohina aminao koa amin’ ny alina, ary hovonoiko ny reninao.
6 我的民因無知識而滅亡。 你棄掉知識, 我也必棄掉你, 使你不再給我作祭司。 你既忘了你上帝的律法, 我也必忘記你的兒女。
Ringana ny oloko noho ny tsi-fisian’ ny fahalalana. Satria ianao efa nandà ny fahalalana, dia mba holaviko kosa tsy ho mpisoroko intsony; Ary efa nanadino ny lalan’ Andriamanitrao ianao, ka dia mba hohadinoiko kosa ny zanakao.
7 祭司越發增多,就越發得罪我; 我必使他們的榮耀變為羞辱。
Araka ny nitomboany no nanotany tamiko, ka dia hampodiko ho henatra kosa ny voninahiny.
8 他們吃我民的贖罪祭, 滿心願意我民犯罪。
Ny fanatitra noho ny ota izay aterin’ ny oloko dia haniny ka satriny ihany ny ho diso ireny.
9 將來民如何, 祭司也必如何; 我必因他們所行的懲罰他們, 照他們所做的報應他們。
Ary ho sahala ihany ny hanjo ny olona sy ny mpisorona; Dia hovaliako izy noho ny lalany, ary ny ataony dia hatsingeriko aminy.
10 他們吃,卻不得飽; 行淫,而不得立後; 因為他們離棄耶和華, 不遵他的命。
Ka dia hihinana izy, nefa tsy ho voky, hijangajanga izy, nefa tsy hihabetsaka, satria Jehovah efa tsy nahoany intsony.
11 姦淫和酒,並新酒, 奪去人的心。
Fijangajangana sy divay ary ranom-boaloboka no mahalasa ny saina.
12 我的民求問木偶, 以為木杖能指示他們; 因為他們的淫心使他們失迷, 他們就行淫離棄上帝, 不守約束,
Ny oloko dia mila saina amin’ ny tapa-kazony, ary ny tehiny no manambara aminy; Fa ny fanahim-pijangajangana no nampania azy, ary lasan-ko janga izy ka tsy manaiky an’ Andriamaniny.
13 在各山頂,各高岡的橡樹、 楊樹、栗樹之下,獻祭燒香, 因為樹影美好。 所以,你們的女兒淫亂, 你們的新婦行淫。
Eny an-tampon’ ny tendrombohitra no amonoany zavatra hatao fanatitra, ary eny amin’ ny havoana no andoroany ditin-kazo manitra, dia eny ambanin’ ny hazo ôka sy ny popola ary ny terebinta, satria tsara alokaloka ireny; Koa izany no ijejojejoan’ ny zanakavavinareo sy ijangajangan’ ny vinantovavinareo.
14 你們的女兒淫亂, 你們的新婦行淫, 我卻不懲罰她們; 因為你們自己離群與娼妓同居, 與妓女一同獻祭。 這無知的民必致傾倒。
Tsy hamaly ny zanakavavinareo Aho, raha mijejojejo izy, na ny vinantovavinareo, raha mijangajanga izy; Fa ny tenanareo aza dia miavaka hankamin’ ny mpijangajanga sady mamono zavatra hatao fanatitra miaraka amin’ ireo vehivavy mpanolotena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, ka dia ho lavo ny firenena tsy misaina.
15 以色列啊,你雖然行淫, 猶大卻不可犯罪。 不要往吉甲去, 不要上到伯‧亞文, 也不要指着永生的耶和華起誓。
Na dia mijangajanga aza ianao, ry Isiraely. Aoka ny Joda tsy mba hanota; Ary aza mankany Gilgala na miakatra any Betavena ianareo; Ary aza mianiana hoe: Raha velona koa Jehovah!
16 以色列倔強, 猶如倔強的母牛; 現在耶和華要放他們, 如同放羊羔在寬闊之地。
Fa ny Isiraely dia maditra toy ny vantotr’ ombivavy maditra; Ankehitriny dia handrasan’ i Jehovah toy ny zanak’ ondry eny amin’ ny malalaka izy.
17 以法蓮親近偶像, 任憑他吧!
Tafaraikitra amin’ ny sampy Efraima; Aoka izy ho eo.
18 他們所喝的已經發酸, 他們時常行淫, 他們的官長最愛羞恥的事。
Efa lefy ny divainy; Mahery mijangajanga izy; Fatra-pitia henatra ireo mpanapaka azy.
19 風把他們裹在翅膀裏; 他們因所獻的祭必致蒙羞。
Voapaoky ny elatry ny rivotra izy ka ho menatra noho ny zavatra novonoiny hatao fanatitra.

< 何西阿書 4 >