< 出埃及記 26 >
1 「你要用十幅幔子做帳幕。這些幔子要用撚的細麻和藍色、紫色、朱紅色線製造,並用巧匠的手工繡上基路伯。
Ary ny tabernakely dia hataonao ambainy folo amin’ ny rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena; kerobima, asan’ ny mpanenona mahay, no hataonao sorany.
2 每幅幔子要長二十八肘,寬四肘,幔子都要一樣的尺寸。
Ny halavan’ ny ambainy iray dia valo amby roa-polo hakiho; ary ny lambanan’ ny ambainy iray dia efatra hakiho; hitovy ohatra ny ambainy rehetra.
3 這五幅幔子要幅幅相連;那五幅幔子也要幅幅相連。
Ambainy dimy no havitrana ho iray; ary ambainy dimy koa no havitrana ho iray.
4 在這相連的幔子末幅邊上要做藍色的鈕扣;在那相連的幔子末幅邊上也要照樣做。
Ary manaova tadivavarana manga ho eo an-tsisin’ ny ambainy iray, dia eo an-tsisin’ ny anankiray efa voavitrana; ary manaova toy izany koa amin’ ny ambainy farany, dia eo an-tsisin’ ny anankiray efa voavitrana koa.
5 要在這相連的幔子上做五十個鈕扣;在那相連的幔子上也做五十個鈕扣,都要兩兩相對。
Tadivavarana dimam-polo no hataonao eo amin’ ny ambainy iray, ary tadivavarana dimam-polo koa no hataonao eo amin’ ny sisin’ ny ambainy izay amin’ ny anankiray efa voavitrana koa; ary hifandray ny tadivavarana.
6 又要做五十個金鉤,用鉤使幔子相連,這才成了一個帳幕。
Ary manaova farango volamena dimam-polo, ka akambano amin’ ny farango ny ambainy, ka dia ho voakambana ho iray ny tabernakely.
7 「你要用山羊毛織十一幅幔子,作為帳幕以上的罩棚。
Ary manaova ambainy koa amin’ ny volon’ osy ho lay handrakofana ny tabernakely; dia iraika ambin’ ny folo ambainy no hanaovanao azy.
8 每幅幔子要長三十肘,寬四肘;十一幅幔子都要一樣的尺寸。
Ny halavan’ ny ambainy iray dia telo-polo hakiho, ary ny lambanan’ ny ambainy iray dia efatra hakiho; hitovy ohatra ny ambainy iraika ambin’ ny folo.
9 要把五幅幔子連成一幅,又把六幅幔子連成一幅,這第六幅幔子要在罩棚的前面摺上去。
Ary avitrano ny ambainy dimy hikambana, ary ny ambainy enina kosa hikambana. Ary aforeto ny ambainy fahenina amin’ ny sakan’ ny lay anatrehana.
10 在這相連的幔子末幅邊上要做五十個鈕扣;在那相連的幔子末幅邊上也做五十個鈕扣。
Ary manaova tadivavarana dimam-polo eo an-tsisin’ ny ambainy iray izay farany amin’ ny efa voavitrana; ary tadivavarana dimam-polo koa ho eo an-tsisin’ ny ambainy iray amin’ ny anankiray koa efa voavitrana.
11 又要做五十個銅鉤,鉤在鈕扣中,使罩棚連成一個。
Ary manaova farango; varahina dimam-polo, ka ampidiro ho eo amin’ ny tadivavarana ary akambano ny lay, ka dia ho iray ihany izy.
12 罩棚的幔子所餘那垂下來的半幅幔子,要垂在帳幕的後頭。
Ary izay mihoatra amin’ ny ambain’ ny lay, dia ny antsasaky ny ambainy izay mihoatra, dia avelao hiraviravy eo ivohon’ ny tabernakely.
13 罩棚的幔子所餘長的,這邊一肘,那邊一肘,要垂在帳幕的兩旁,遮蓋帳幕。
Ary ny iray hakiho avy eo amin’ ny lohany roa amin’ ny lamba, izay mihoatra amin’ ny halavan’ ny ambain’ ny lay, dia avelao hiraviravy eo amin’ ny lafibeny roa amin’ ny tabernakely handrakotra azy.
14 又要用染紅的公羊皮做罩棚的蓋;再用海狗皮做一層罩棚上的頂蓋。
Ary manaova koa rakotry ny lay amin’ ny hoditr’ ondrilahy efa nomenaina, ary manaova sarony hodi-takasy ho eo amboniny.
Ary manaova zana-kazo akasia ho amin’ ny tabernakely.
Folo hakiho ny hahavon’ ny zana-kazo iray, ary iray hakiho sy sasany ny indraben’ ny zana-kazo iray.
Lahiny roa no ho amin’ ny zana-kazo iray, ka hasiana izay hikambanany; izany no hanaovanao ny zana-kazo rehetra amin’ ny tabernakely.
Ary manaova ny zana-kazo ho amin’ ny tabernakely, dia zana-kazo roa-polo ho eo amin’ ny lafiny atsimo.
19 在這二十塊板底下要做四十個帶卯的銀座,兩卯接這塊板上的兩榫,兩卯接那塊板上的兩榫。
Ary manaova faladia volafotsy efa-polo, dia faladia roa avy ho ambanin’ ny isan-janakazo iray hiorenan’ ny lahiny roa.
Ary manaova zana-kazo roa-polo ho eo amin’ ny lafiny faharoa amin’ ny tabernakely, dia ny lafiny avaratra.
21 和帶卯的銀座四十個;這板底下有兩卯,那板底下也有兩卯。
Ary manaova faladiany volafotsy efa-polo, dia faladia roa avy ho ambanin’ ny isan-janakazo iray.
Ary ny lafiny andrefana amin’ ny tabernakely, izay ao ivohony, dia hanaovanao zana-kazo enina.
Ary zana-kazo roa no hataonao ho eo amin’ ny zoron’ ny tabernakely amin’ ny lafiny ivoho.
24 板的下半截要雙的,上半截要整的,直頂到第一個環子;兩塊都要這樣做兩個拐角。
Ary hakambana ho iray izy hatramin’ ny ambany ka hatramin’ ny ambony, ka hasianao vava vola iray ihany: ho toy izany avokoa izy roa; eo amin’ ny zorony roa no hisy izany.
25 必有八塊板和十六個帶卯的銀座;這板底下有兩卯,那板底下也有兩卯。
Ary aoka hisy zana-kazo valo sy ny faladiany volafotsy, dia faladia enina ambin’ ny folo: faladia roa avy ho ambanin’ ny isan-janakazo iray.
Ary manaova barany hazo akasia: dia dimy ho amin’ ny zana-kazo amin’ ny lafiny iray amin’ ny tabernakely,
27 為帳幕那面的板做五閂,又為帳幕後面的板做五閂。
sy barany dimy ho amin’ ny zana-kazo amin’ ny lafiny iray koa amin’ ny tabernakely, ary barany dimy ho amin’ ny zana-kazo amin’ ny lafiny andrefana izay ao ivohony.
Ary ny barany afovoany, izay afovoan’ ny zana-kazo, dia hahatratra ny farany roa.
29 板要用金子包裹,又要做板上的金環套閂;閂也要用金子包裹。
Ary ny zana-kazo hopetahanao takela-bolamena, ary hataonao volamena koa ny vava vola aminy, izay hitoeran’ ny barany; ary petaho takela-bolamena koa ny barany.
Ary manangana ny tabernakely araka ny endriny, dia ilay naseho taminao tao an-tendrombohitra.
31 「你要用藍色、紫色、朱紅色線,和撚的細麻織幔子,以巧匠的手工繡上基路伯。
Ary manaova efitra lamba manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina; kerobima, asan’ ny mpanenona mahay, no hataonao sorany.
32 要把幔子掛在四根包金的皂莢木柱子上,柱子上當有金鉤,柱子安在四個帶卯的銀座上。
Ary ahantòny amin’ ny andry hazo akasia efatra izay voapateka takela-bolamena izy; ho volamena koa ny fihantonany; ary eo amin’ ny faladia volafotsy efatra no hiorenany.
33 要使幔子垂在鉤子下,把法櫃抬進幔子內;這幔子要將聖所和至聖所隔開。
Ary ny efitra lamba dia ataovy eo ambanin’ ny farango; ary ampidiro ao anatin’ ny efitra lamba ny fiaran’ ny Vavolombelona; ary ny efitra lamba no hampisaraka ny fitoerana masìna sy ny fitoerana masìna indrindra ho anareo.
Ary ny rakotra fanaovam-panavotana dia ataovy eo ambonin’ ny fiaran’ ny Vavolombelona eo amin’ ny fitoerana masìna indrindra.
35 把桌子安在幔子外帳幕的北面;把燈臺安在帳幕的南面,彼此相對。
Ary apetraho eo ivelan’ ny efitra ny latabatra, ary ny fanaovan-jiro tandrifin’ ny latabatra amin’ ny lafiny atsimo amin’ ny tabernakely; ary ny latabatra ataovy eo amin’ ny lafiny avaratra.
36 「你要拿藍色、紫色、朱紅色線,和撚的細麻,用繡花的手工織帳幕的門簾。
Ary manaova varavarana lamba ho eo amin’ ny lay, dia amin’ ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan’ ny mahay tenona samy hafa soratra.
37 要用皂莢木為簾子做五根柱子,用金子包裹。柱子上當有金鉤;又要為柱子用銅鑄造五個帶卯的座。」
Ary manaova andry hazo akasia dimy ho amin’ ny varavarana lamba, ka petaho takela-bolamena; ary ho volamena koa ny fihantonany; ary mandrendreha faladia varahina dimy hiorenany.