< 列王紀下 14 >

1 以色列王約哈斯的兒子約阿施第二年,猶大王約阿施的兒子亞瑪謝登基。
Tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Joasy, zanak’ i Joahaza, mpanjakan’ ny Isiraely, no vao nanjakan’ i Amazia, zanak’ i Joasy, mpanjakan’ ny Joda.
2 他登基的時候年二十五歲,在耶路撒冷作王二十九年。他母親名叫約耶但,是耶路撒冷人。
Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary sivy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Joadana, avy any Jerosalema.
3 亞瑪謝行耶和華眼中看為正的事,但不如他祖大衛,乃效法他父約阿施一切所行的;
Ary nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah izy, nefa tsy dia tahaka an’ i Davida rainy; fa tahaka izay rehetra nataon’ i Joasy rainy ihany no nataony.
4 只是邱壇還沒有廢去,百姓仍在那裏獻祭燒香。
Kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ ny fitoerana avo ihany ny olona.
5 國一堅定,就把殺他父王的臣僕殺了,
Ary nony tafapetraka tsara teo an-tànany ny fanjakany, dia novonoiny ireo mpanompony izay namono ny mpanjaka rainy.
6 卻沒有治死殺王之人的兒子,是照摩西律法書上耶和華所吩咐的說:「不可因子殺父,也不可因父殺子,各人要為本身的罪而死。」
Fa ny zanak’ ireo namono kosa dia tsy mba novonoiny, fa nataony araka izay voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny lalàn’ i Mosesy, izay nandidian’ i Jehovah hoe: Ny ray tsy hatao maty amin’ ny ataon’ ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin’ ny ataon’ ny rainy; fa samy hatao maty amin’ ny fahotany avy ny olona.
7 亞瑪謝在鹽谷殺了以東人一萬,又攻取了西拉,改名叫約帖,直到今日。
Izy no nahafaty ny Edomita iray alina tao amin’ ny Lohasahan-tsira sady nahafaka an’ i Sela tamin’ ny ady ary nanao azy hoe Joktela, izay mbola anarany mandraka androany.
8 那時,亞瑪謝差遣使者去見耶戶的孫子約哈斯的兒子以色列王約阿施,說:「你來,我們二人相見於戰場。」
Tamin’ izany Amazia dia naniraka olona tany amin’ i Joasy, zanak’ i Joahaza, zanak’ i Jeho, mpanjakan’ ny Isiraely, nanao hoe: Avia, aoka isika hihaona.
9 以色列王約阿施差遣使者去見猶大王亞瑪謝,說:「黎巴嫩的蒺藜差遣使者去見黎巴嫩的香柏樹,說:將你的女兒給我兒子為妻。後來黎巴嫩有一個野獸經過,把蒺藜踐踏了。
Fa Joasy mpanjakan’ ny Isiraely, naniraka tany amin’ i Amazia, mpanjakan’ ny Joda, nanao hoe: Ny tsilo izay tany Libanona naniraka tamin’ ny hazo sedera izay tany Libanona nanao hoe: Omeo ny zanako-lahy ny zanakao-vavy ho vadiny; ary dia namaky teo ny bibi-dia tany Libanona ka nanosihosy ny tsilo.
10 你打敗了以東人就心高氣傲,你以此為榮耀,在家裏安居就罷了,為何要惹禍,使自己和猶大國一同敗亡呢?」
Efa namely an’ i Edoma tokoa ianao, ka dia nirehareha ny fonao; aoka hahafa-po anao ary izany voninahitra izany, ka mitoera ao an-tranonao ihany; fa nahoana no hihaika ny loza hahalavo ny tenanao mbamin’ ny Joda koa ianao?
11 亞瑪謝卻不肯聽這話。於是以色列王約阿施上來,在猶大的伯‧示麥與猶大王亞瑪謝相見於戰場。
Fa tsy nanaiky Amazia. Koa dia niakatra Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely; ary izy sy Amazia, mpanjakan’ ny Joda, nihaona tany Beti-semesy izay any Joda.
12 猶大人敗在以色列人面前,各自逃回家裏去了。
Dia resy teo anoloan’ ny Isiraely ny Joda, ka samy nandositra ho any amin’ ny lainy avy izy.
13 以色列王約阿施在伯‧示麥擒住亞哈謝的孫子、約阿施的兒子猶大王亞瑪謝,就來到耶路撒冷,拆毀耶路撒冷的城牆,從以法蓮門直到角門共四百肘,
Ary Amazia, mpanjakan’ ny Joda, zanak’ i Joasy, zanak’ i Ahazia, nosamborin’ i Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely tany Beti-semesy; ary dia nankany Jerosalema Joasy, ka nandravany efa-jato hakiho ny màndany hatramin’ ny vavahadin’ i Efraima ka hatramin’ ny vavahady an-jorony.
14 又將耶和華殿裏與王宮府庫裏所有的金銀和器皿都拿了去,並帶人去為質,就回撒馬利亞去了。
Ary nalainy avokoa ny volamena sy ny volafotsy rehetra ary ny fanaka rehetra izay hita tao an-tranon’ i Jehovah sy tamin’ ny rakitry ny tranon’ ny mpanjaka mbamin’ ny olona natao antoka, ka dia niverina ho any Samaria izy.
15 約阿施其餘所行的事和他的勇力,並與猶大王亞瑪謝爭戰的事,都寫在以色列諸王記上。
Ary ny tantaran’ i Joasy sisa mbamin’ ny heriny sy ny niadiany tamin’ i Amazia, mpanjakan’ ny Joda, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
16 約阿施與他列祖同睡,葬在撒馬利亞,以色列諸王的墳地裏。他兒子耶羅波安接續他作王。
Ary Joasy lasa nodimandry any amin’ ny razany, dia nalevina tany Samaria tao amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izy; ary Jeroboama zanany no nanjaka nandimby azy.
17 以色列王約哈斯的兒子約阿施死後,猶大王約阿施的兒子亞瑪謝又活了十五年。
Ary ny andro niainan’ i Amazia, zanak’ i Joasy, mpanjakan’ ny Joda, taorian’ ny nahafatesan’ i Joasy, zanak’ i Joahada, mpanjakan’ ny Isiraely, dia dimy ambin’ ny folo taona.
18 亞瑪謝其餘的事都寫在猶大列王記上。
Ary ny tantaran’ i Amazia sisa, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany?
19 耶路撒冷有人背叛亞瑪謝,他就逃到拉吉;叛黨卻打發人到拉吉將他殺了。
Ary ny olona niodina taminy tany Jerosalema, dia nandositra nankany Lakisy izy; fa ny olona nampanaraka namono azy tany.
20 人就用馬將他的屍首馱到耶路撒冷,葬在大衛城他列祖的墳地裏。
Ary nasampiny tamin’ ny soavaly ny fatiny, dia nalevina tany Jerosalema tao amin’ ny razany tao an-Tanànan’ i Davida izy.
21 猶大眾民立亞瑪謝的兒子亞撒利雅接續他父作王,那時他年十六歲。
Ary ny vahoaka rehetra tamin’ ny Joda naka an’ i Azaria, izay vao enina ambin’ ny folo taona tamin’ izay, ka nampanjaka azy handimby an’ i Amazia rainy.
22 亞瑪謝與他列祖同睡之後,亞撒利雅收回以拉他仍歸猶大,又重新修理。
Izy no hanamboatra an’ i Elota ka nampody azy ho an’ ny Joda, rehefa lasa nodi-mandry any amin’ ny razany ny mpanjaka.
23 猶大王約阿施的兒子亞瑪謝十五年,以色列王約阿施的兒子耶羅波安在撒馬利亞登基,作王四十一年。
Tamin’ ny taona fahadimy ambin’ ny folo nanjakan’ i Amazia, zanak’ i Joasy, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Jeroboama, zanak’ i Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely, tany Samaria, ary nanjaka iraika amby efa-polo taona izy.
24 他行耶和華眼中看為惡的事,不離開尼八的兒子耶羅波安使以色列人陷在罪裏的一切罪。
Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, fa tsy niala tamin’ ny fahotana rehetra izay nataon’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, sady nampanotany ny Isiraely.
25 他收回以色列邊界之地,從哈馬口直到亞拉巴海,正如耶和華-以色列的上帝藉他僕人迦特希弗人亞米太的兒子先知約拿所說的。
Izy no nampody ny sisin-tanin’ ny Isiraely ka azony hatrany akaikin’ i Hamata ka hatramin’ ny ranomasin’ ny tani-hay, araka ny tenin’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, izay nampilazainy ny mpanompony, dia Jona, zanak’ i Amitahy, mpaminany tany Gata-hefera.
26 因為耶和華看見以色列人甚是艱苦,無論困住的、自由的都沒有了,也無人幫助以色列人。
Fa efa hitan’ i Jehovah fa nangidy indrindra ny fahorian’ ny Isiraely; ary tsy nisy sisa, na ny voahazona na ny afaka, sady tsy nisy namonjy ny Isiraely akory.
27 耶和華並沒有說要將以色列的名從天下塗抹,乃藉約阿施的兒子耶羅波安拯救他們。
Fa tsy mba nolazain’ i Jehovah fa hovonoiny tsy ho eo ambanin’ ny lanitra ny anaran’ ny Isiraely; fa ny tànan’ i Jeroboama, zanak’ i Joasy, no nentiny namonjy azy.
28 耶羅波安其餘的事,凡他所行的和他的勇力,他怎樣爭戰,怎樣收回大馬士革和先前屬猶大的哈馬歸以色列,都寫在以色列諸王記上。
Ary ny tantaran’ i Jeroboama sisa mbamin’ izay nataony sy ny hery izay niadiany ary ny nampodiany an’ i Damaskosy sy Hamata, izay an’ ny Joda fahiny, ho an’ ny Isiraely, tsy efa voasoratra ao amin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
29 耶羅波安與他列祖以色列諸王同睡。他兒子撒迦利雅接續他作王。
Ary Jeroboama lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia tao amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely; ary Zakaria zanany no nanjaka nandimby azy.

< 列王紀下 14 >