< 雅歌 1 >
Ny tonon-kira tsara indrindra, izay nataon’ i Solomona.
Enga anie ka hanoroka ahy amin’ ny fanorohan’ ny vavany izy! Fa tsara noho ny divay ny fitiavanao.
3 你的膏油馨香; 你的名如同倒出来的香膏, 所以众童女都爱你。
Mani-pofona ny menakao tsara, menaka manitra voaidina ny anaranao, koa izany no itiavan’ ny zatovovavy anao.
4 愿你吸引我,我们就快跑跟随你。 王带我进了内室, 我们必因你欢喜快乐。 我们要称赞你的爱情, 胜似称赞美酒。 他们爱你是理所当然的。
Taomy aho, dia hihazakazaka hanaraka anao izahay; Nentin’ ny mpanjaka ho ao an-efi-tranony aho. Hifaly sy hiravoravo aminao izahay; Hankalazainay mihoatra noho ny divay ny fitiavanao; Fitiavana marina no itiavany anao.
5 耶路撒冷的众女子啊, 我虽然黑,却是秀美, 如同基达的帐棚, 好像所罗门的幔子。
Mivalomainty aho, nefa tsara tarehy, ry zanakavavin’ i Jerosalema, toy ny lain’ i Kedara, toy ny ambain-dain’ i Solomona.
6 不要因日头把我晒黑了就轻看我。 我同母的弟兄向我发怒, 他们使我看守葡萄园; 我自己的葡萄园却没有看守。
Aza mibanjina ahy, fa mivalomainty aho, satria efa azon’ ny hainandro; Tezitra tamiko ny zanak’ ineny; Notendreny ho mpiandry ny tanim-boalobony aho; Nefa ny tanim-boaloboko kosa, dia ny an’ ny tenako, tsy mba nandrasako.
7 我心所爱的啊,求你告诉我, 你在何处牧羊? 晌午在何处使羊歇卧? 我何必在你同伴的羊群旁边 好像蒙着脸的人呢?
Lazao amiko, ry ilay tian’ ny fanahiko, izay iandrasanao ny ondrinao, sy izay ampandrianao azy raha antoandro; Fa nahoana no ho tahaka izay mivezivezy foana aho Eny amin’ ny andian’ ny namanao?
8 你这女子中极美丽的, 你若不知道, 只管跟随羊群的脚踪去, 把你的山羊羔牧放在牧人帐棚的旁边。
Raha tsy fantatrao, ry tsara tarehy indrindra amin’ ny vehivavy, dia mandehana hanaraka ny andian’ ny ondry aman’ osy, ary andraso eny amin’ ny lain’ ny mpiandry ondry ny zanak’ osinao.
Ry tompokovavy havako, ianao dia ampitahaiko amin’ ny soavalivaviko mitarika ny kalesin’ i Farao.
10 你的两腮因发辫而秀美; 你的颈项因珠串而华丽。
Mahatsara ny tarehinao ireo voahangy voatohy; Manendrika ny vozonao ireo rado.
Nefa rojo volamena misy voavola mibontsimbontsina kosa no hataonay ho anao.
Raha mipetraka amin’ ny latabany ny mpanjaka, dia mamerovero tsara ny nardako.
Ny malalako dia miora am-pehezana madinika mandry eo an-tratrako.
14 我以我的良人为一棵凤仙花, 在隐·基底葡萄园中。
Ny malalako dia tahaka ny vonin’ ny kofera amiko, any an-tanimbolin’ i En-jedy.
15 我的佳偶,你甚美丽!你甚美丽! 你的眼好像鸽子眼。
Indro, tsara tarehy ianao, ry tompokovavy havako; Indro, tsara tarehy ianao; Voromailala ny masonao.
16 我的良人哪,你甚美丽可爱! 我们以青草为床榻,
Indro, tsara tarehy ianao, ry malalako, eny, mahafinaritra; Maitso ny fandriantsika.
Sedera ny sakamandimbin’ ny tranontsika, ary kypreso ny peta-drindrintsika.