< 诗篇 49 >
1 可拉后裔的诗,交与伶长。 万民哪,你们都当听这话! 世上一切的居民,
Ho an’ ny mpiventy hira. Nataon’ ny Koraïta. Salamo. Mandrenesa izao, ry firenena rehetra; mihainoa, ry mponina rehetra amin’ izao tontolo izao:
Na ny ambany, na ny ambony, na ny manan-karena, na ny malahelo.
Ny vavako hiteny fahendrena; ary ny fieritreretan’ ny foko dia fahalalana.
Hanongilana ny sofiko hihaino oha-teny aho, ary hanonona teny saro-pantarina ampiarahiko amin-dokanga.
5 在患难的日子,奸恶随我脚跟,四面环绕我, 我何必惧怕?
Nahoana no hatahotra amin’ ny andro fahoriana aho, nony manodidina ahy ny haratsian’ ny mpamingana ahy,
Dia izay matoky ny hareny, Sy mirehareha amin’ ny haben’ ny fananany?
7 一个也无法赎自己的弟兄, 也不能替他将赎价给 神,
Tsy misy mahavotra ny rahalahiny akory, na mahazo manome an’ Andriamanitra izay avony,
8 叫他长远活着,不见朽坏; 因为赎他生命的价值极贵, 只可永远罢休。
(Fa sarotra avotra ny ainy ka tsy azo atao mandrakizay),
Mba ho velona mandrakizay izy, ka tsy ho latsaka ao amin’ ny lavaka.
10 他必见智慧人死, 又见愚顽人和畜类人一同灭亡, 将他们的财货留给别人。
Fa hita fa maty ihany ny olon-kendry; ary ny adala sy ny ketrina samy levona, ka mamela ny fananany ho an’ ny hafa.
11 他们心里思想: 他们的家室必永存, 住宅必留到万代; 他们以自己的名称自己的地。
Araka ny heviny dia ataony fa ho mandrakizay ny tranony, ary ny fonenany hahatratra ny taranaka fara mandimby; araka ny anarany no anononany ny taniny.
12 但人居尊贵中不能长久, 如同死亡的畜类一样。
Nefa na dia manana voninahitra aza ny olona, dia tsy maharitra izy; tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho faty izy.
13 他们行的这道本为自己的愚昧; 但他们以后的人还佩服他们的话语。 (细拉)
Izany no falehan’ ny olona adala; ary ny taranany mandimby azy mankasitraka ny teniny. (Sela)
14 他们如同羊群派定下阴间; 死亡必作他们的牧者。 到了早晨,正直人必管辖他们; 他们的美容必被阴间所灭,以致无处可存。 (Sheol )
Tahaka ny fanangona ondry no fanangona azy any amin’ ny fiainan-tsi-hita; ny fahafatesana no mpiandry azy; ary hanapaka azy ny mahitsy nony maraina; ary ny bikany ho levona any amin’ ny fiainan-tsi-hita, ka tsy hisy fonenany. (Sheol )
15 只是 神必救赎我的灵魂脱离阴间的权柄, 因他必收纳我。 (细拉) (Sheol )
Fa Andriamanitra kosa hamonjy ny aiko amin’ ny herin’ ny fiainan-tsi-hita, Satria handray ahy Izy. (Sela) (Sheol )
Aza matahotra ianao, raha misy olona tonga manan-karena, ka mitombo ny voninahitry ny tranony;
17 因为,他死的时候什么也不能带去; 他的荣耀不能随他下去。
Fa tsy hitondra na inona na inona izy, raha maty; tsy mba hidina hanaraka azy ny voninahiny.
18 他活着的时候,虽然自夸为有福 (你若利己,人必夸奖你);
Na dia miarahaba tena aza izy, raha mbola velona ― Fa hidera anao ny olona, raha manisy soa ny tenanao ianao ―
Dia hankany amin’ ny razany izy, tsy hahita ny mazava intsony mandrakizay ireny.
Izay olona manana voninahitra, nefa tsy manan-tsaina, dia tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho faty.