< 诗篇 111 >
1 你们要赞美耶和华! 我要在正直人的大会中,并公会中, 一心称谢耶和华。
Haleloia. Hidera an’ i Jehovah amin’ ny foko rehetra aho, Eo amin’ ny fivorian’ ny marina sy ny fiangonan-dehibe.
Lehibe ny asan’ i Jehovah, Ka dinihin’ izay rehetra mankasitraka azy.
Madera sady malaza ny asany; Ary ny fahamarinany maharitra mandrakizay.
4 他行了奇事,使人记念; 耶和华有恩惠,有怜悯。
Manao izay hahatsiarovana ny fahagagana ataony Izy; Miantra sy mamindra fo Jehovah.
Nomeny hanina izay matahotra Azy; Tsarovany mandrakizay ny fanekeny.
6 他向百姓显出大能的作为, 把外邦的地赐给他们为业。
Ny herin’ ny asany nasehony tamin’ ny olony. Tamin’ ny nanomezany azy ny lovan’ ny jentilisa.
Ny asan’ ny tànany dia fahamarinana sy fitsarana; Mahatoky avokoa ny didiny rehetra;
Mitoetra mafy mandrakizay doria ireny, Fa natao tamin’ ny fahamarinana sy ny fahitsiana.
9 他向百姓施行救赎, 命定他的约,直到永远; 他的名圣而可畏。
Manatitra fanavotana ho an’ ny olony Izy; Efa nanorina ny fanekeny ho mandrakizay Izy; Masìna sy mahatahotra ny anarany.
10 敬畏耶和华是智慧的开端; 凡遵行他命令的是聪明人。 耶和华是永远当赞美的!
Ny fahatahorana an’ i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Fahalalana tsara no ananan’ izay rehetra mankatò izany; Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.