< 约伯记 3 >
Rehefa afaka izany, dia niloa-bava Joba ka nanozona ny androny
Foàna anie ny andro nahaterahako sy ny alina izay nanao hoe: Misy zazalahy vao torontoronina!
4 愿那日变为黑暗; 愿 神不从上面寻找它; 愿亮光不照于其上。
Izany andro izany dia aoka ho maizina, ary aoka tsy hitady azy Andriamanitra any ambony; ary aoka tsy hisy mazava hamirapiratra aminy;
5 愿黑暗和死荫索取那日; 愿密云停在其上; 愿日蚀恐吓它。
Aoka ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana hahalasa azy indray; Aoka ny rahona hitatao eo amboniny; Aoka izay zavatra mahamaizina ny andro hampahatsiravina azy.
6 愿那夜被幽暗夺取, 不在年中的日子同乐, 也不入月中的数目。
Izany alina izany aoka ny aizim-pito hisambotra azy; Aoka tsy hiara-mifaly amin’ ny andron’ ny taona izy. Ary tsy ho tonga amin’ ny isan’ ny volana;
Indro izany alina izany aoka ho momba izy; Aoka tsy ho velona ao ny hoby;
Aoka hanozona azy ny mpanozona andro, Izay mahay mamoha ny dragona;
9 愿那夜黎明的星宿变为黑暗, 盼亮却不亮, 也不见早晨的光线;
Aoka ho maizina ny kintan’ ny marainany; Aoka hiandry ny mazava izy, nefa tsy hisy, ary aoka tsy ho faly mahita ny hodimason’ ny maraina izy,
10 因没有把怀我胎的门关闭, 也没有将患难对我的眼隐藏。
Satria tsy nanidy ny varavaran’ ny kibon’ ineny izy ka tsy nanafina fahoriana tamin’ ny masoko.
Nahoana re aho no tsy maty hatrany am-bohoka e, ary tsy niala aina, fony vao nivoaka avy tany an-kibo e?
Nahoana no nisy lohalika niandry ahy? Ary nahoana no nisy nono hinonoako?
Fa raha tsy izany, dia efa nandry aho toy izay ka niadana, eny, natory aho ka afa-tsasatra,
Teo amin’ ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina avy amin’ ny tany, izay nanao ireny tanàna efa rava,
15 或与有金子、将银子装满了房屋的王子 一同安息;
Na teo amin’ ny andriandahy izay manana volamena sady mameno volafotsy ny tranony;
16 或像隐而未现、不到期而落的胎, 归于无有,如同未见光的婴孩。
Na efa tsy ary toy ny zaza tsy tonga volana aho ka nafenina, dia toy ny zaza izay tsy nahita ny mazava akory.
Any no itsaharan’ ny ratsy fanahy tsy hampitebiteby, ary any ny reraka no afa-tsasatra;
Miara-miadana avokoa ny mpifatotra; Tsy mandre ny feon’ ny mpampiasa izy.
Samy any ny kely sy ny lehibe, Ary ny mpanompo dia afaka amin’ ny tompony.
20 受患难的人为何有光赐给他呢? 心中愁苦的人为何有生命赐给他呢?
Nahoana no fahazavana no mba omena ny reraka, ary fiainana ho an’ izay latsaka amin’ ny fangidiana?
21 他们切望死,却不得死; 求死,胜于求隐藏的珍宝。
Izay miandry fahafatesana, nefa tsy avy izy, sady mitady azy mihoatra noho ny fitady harena nafenina:
Izay faly indrindra sady ravoravo, raha mahita ny fasana,
23 人的道路既然遮隐, 神又把他四面围困, 为何有光赐给他呢?
Dia olona izay mandeha ao amin’ ny maizina sady voafefin’ Andriamanitra manodidina.
24 我未曾吃饭就发出叹息; 我唉哼的声音涌出如水。
Fa mialoha ny haninkaniko ny fitolokoko, ary migororoana toy ny rano ny fidradradradrako;
25 因我所恐惧的临到我身, 我所惧怕的迎我而来。
Fa Izay atahorako no mahazo ahy, ary izay angovitako no manjo ahy.
26 我不得安逸,不得平静, 也不得安息,却有患难来到。
Tsy mbola nahita fiadanana na fitsaharana na fakàna aina akory aza aho, dia tonga indray ny tebiteby.