< 以赛亚书 34 >
1 列国啊,要近前来听! 众民哪,要侧耳而听! 地和其上所充满的, 世界和其中一切所出的都应当听!
Manatona, ianareo jentilisa, mba handre; Ary mihainoa, ianareo firenena; Aoka handre ny tany sy ny ao aminy rehetra, Izao tontolo izao sy ny vokatra rehetra avy aminy.
2 因为耶和华向万国发忿恨, 向他们的全军发烈怒, 将他们灭尽,交出他们受杀戮。
Fa Jehovah dia tezitra amin’ ny jentilisa rehetra, ary mirehitra amin’ ny miaramilany rehetra ny fahatezerany; Efa nodidiany haringana ireo ary natolony hovonoina.
3 被杀的必然抛弃, 尸首臭气上腾; 诸山被他们的血融化。
Ary izay voavono amin’ ireo dia hariana, ka hamofona ny hamaimbon’ ny fatiny, ary ny tendrombohitra hiempo azon’ ny ràny.
4 天上的万象都要消没; 天被卷起,好像书卷。 其上的万象要残败, 像葡萄树的叶子残败, 又像无花果树的叶子残败一样。
Izay rehetra eny amin’ ny lanitra dia ho levona, Ary ny lanitra hahorona tahaka ny fangorona taratasy; Ary ny eny aminy rehetra dia halazo tahaka ny fahalazon’ ny ravina mihintsana avy amin’ ny voaloboka, ary tahaka ny ravina malazo mihintsana avy amin’ ny aviavy.
5 因为我的刀在天上已经喝足; 这刀必临到以东和我所咒诅的民, 要施行审判。
Fa ny sabatro dia mamon-drà any amin’ ny lanitra; Indro, hidina hihatra amin’ i Edoma iny sy amin’ ny firenena voatendriko haringana, mba ho fitsarana azy.
6 耶和华的刀满了血, 用脂油和羊羔、公山羊的血, 并公绵羊腰子的脂油滋润的; 因为耶和华在波斯拉有献祭的事, 在以东地大行杀戮。
Ny sabatr’ i Jehovah feno rà, eny, mihosi-menaka amin’ ny matavy sy amin’ ny ran’ ny zanak’ ondry sy ny osilahy ary amin’ ny fonomboan’ ny ondrilahy; Fa Jehovah mamono zavatra hatao fanatitra ao Bozra Ary mahafaty be ao amin’ ny tany Edoma.
7 野牛、牛犊,和公牛要一同下来。 他们的地喝醉了血; 他们的尘土因脂油肥润。
Ary ny ombimanga miaraka aripaka aminy mbamin’ ny vantotr’ omby sy ny ombilahy, ka dia vonton-drà ny taniny, ary mihosi-menaka ny vovo-taniny.
8 因耶和华有报仇之日, 为锡安的争辩有报应之年。
Fa Jehovah manana andro famaliana, dia taona famaliana hiadiana ho an’ i Ziona.
9 以东的河水要变为石油, 尘埃要变为硫磺; 地土成为烧着的石油,
Ary hovana ho tonga dity ny renirano any Edoma, ary ho solifara ny vovo-taniny, ary ny taniny ho dity mirehitra.
10 昼夜总不熄灭, 烟气永远上腾, 必世世代代成为荒废, 永永远远无人经过。
Na alina na andro dia tsy hovonoina izany, ary ny setrony hisavoana mandrakizay; Hatramin’ ny taranaka fara mandimby dia ho tany karankaina izy, tsy hisy handeha hamaky azy intsony mandrakizay mandrakizay.
11 鹈鹕、箭猪却要得为业; 猫头鹰、乌鸦要住在其间。 耶和华必将空虚的准绳, 混沌的线铊,拉在其上。
Fa ho zara-tanin’ ny sama sy ny sokina izy, ny vorondolo lehibe sy ny goaika dia hitoetra ao; Ary hohenjaniny eo aminy ny famolaina fikorontanana sy ny pilao fahafoanana.
12 以东人要召贵胄来治国; 那里却无一个, 首领也都归于无有。
Ary ny lehibe dia tsy hisy ao intsony hifidy izay hanjaka, fa ho fongana ny mpanapaka rehetra ao aminy.
13 以东的宫殿要长荆棘; 保障要长蒺藜和刺草; 要作野狗的住处, 鸵鸟的居所。
Ary ho rakotry ny tsilo ny ao anatin’ ny lapan’ ny mpanjakany, amiana sy voaroy no ho ao amin’ ny trano fiarovany; Ary ho fonenan’ ny amboadia sy fitoeran’ ny ostritsa izy.
14 旷野的走兽要和豺狼相遇; 野山羊要与伴偶对叫。 夜间的怪物必在那里栖身, 自找安歇之处。
Ny bibi-dia any an-efitra hihaona amin’ ny kary; ary ny osilahy hiantso ny namany; Ary ilay mandehandeha amin’ ny alina hitoetra any ka hahita fitoerana ho azy.
15 箭蛇要在那里做窝, 下蛋,抱蛋,生子, 聚子在其影下; 鹞鹰各与伴偶聚集在那里。
Ny bibilava miantoratoraka hanao ny lavany any ka hanatody sy hifana ary hikotrika ao amin’ ny alokaloka any; Any koa no hiangonan’ ny papango, samy eo amin’ ny namany avy.
16 你们要查考宣读耶和华的书。 这都无一缺少, 无一没有伴偶; 因为我的口已经吩咐, 他的灵将它们聚集。
Izahao ao amin’ ny bokin’ i Jehovah, ka vakio; Tsy misy tsy ao ireo na dia iray akory aza. Tsy misy na dia iray akory aza hitady ny namany; Fa ny vavan’ i Jehovah no nandidy izany, ary ny fanahiny ihany no nanangona azy.
17 他也为它们拈阄, 又亲手用准绳给它们分地; 它们必永得为业, 世世代代住在其间。
Ary Izy no efa tinendry anjara ho an’ ireo ary ny tànany no efa nizara izany ho an’ ireo tamin’ ny famolaina; Handova izany mandrakizay ireo ary hitoetra ao hatramin’ ny taranaka fara-mandimby.