< 历代志下 4 >

1 他又制造一座铜坛,长二十肘,宽二十肘,高十肘;
Ary nanao alitara varahina izy: roa-polo hakiho ny lavany, roa-polo hakiho koa ny sakany, ary folo hakiho ny hahavony.
2 又铸一个铜海,样式是圆的,高五肘,径十肘,围三十肘;
Ary nanao ny tavin-drano an-idina boribory lehibe izy: folo hakiho no halehiben’ ny vavany, dimy hakiho ny hahavony, ary telo-polo hakiho ny manodidina azy.
3 海周围有野瓜的样式,每肘十瓜,共有两行,是铸海的时候铸上的;
Ary teo ambanin’ ny tavin-drano lehibe nisy sarin’ omby manodidina azy, dia folo amin’ ny iray hakiho manodidina. Roa an-dalana ny sarin’ omby sady niara-natao an-idina tamin’ ny tavin-drano.
4 有十二只铜牛驮海:三只向北,三只向西,三只向南,三只向东;海在牛上,牛尾向内;
Ary ny tavin-drano dia nipetraka tambonin’ ny sarin’ omby roa ambin’ ny folo: ny telo nanatrika ny avaratra ny telo nanatrika ny andrefana, ny telo nanatrika ny atsimo, ary ny telo nanatrika ny atsinanana; ny tavin-drano lehibe dia teo amboniny, ary niady vody izy rehetra.
5 海厚一掌,边如杯边,又如百合花,可容三千罢特;
Ary ny hateviny dia vodivoam-pelatanana, ary ny molony nataony tahaka ny molotry ny kapoaka, dia tahaka ny vonin’ ny lilia; ary mahalany telo arivo bata izy.
6 又制造十个盆:五个放在右边,五个放在左边,献燔祭所用之物都洗在其内;但海是为祭司沐浴的。
Ary nanao tavin-drano folo koa izy hanasana, ny dimy nataony tamin’ ny ankavanana, ary ny dimy tamin’ ny ankavia; ary ny zavatra hatao fanatitra dorana dia nakobaka teo; fa ny tavin-drano lehibe kosa dia fisasan’ ny mpisorona.
7 他又照所定的样式造十个金灯台放在殿里:五个在右边,五个在左边;
Ary nanao ny fanaovan-jiro volamena folo araka ny marika izy, dia napetrany tao amin’ ny tempoly, dimy teo amin’ ny ankavanana, ary dimy teo amin’ ny ankavia.
8 又造十张桌子放在殿里:五张在右边,五张在左边;又造一百个金碗;
Ary nanao latabatra folo koa izy, dia napetrany tao amin’ ny tempoly, dimy teo amin’ ny ankavanana, ary dimy teo amin’ ny ankavia. Ary nanao lovia volamena zato famafazana izy.
9 又建立祭司院和大院,并院门,用铜包裹门扇;
Ary nanao ny kianjan’ ny mpisorona sy ny kianja lehibe sy ny lela-vavahadin’ ny kianja izy, ary nopotehany takela-barahina ny lela-vavahady.
10 将海安在殿门的右边,就是南边。
Ary ny tavin-drano lehibe nataony tamin’ ny ankavanana, dia teo amin’ ny atsimo-atsinana.
11 户兰又造了盆、铲、碗。这样,他为所罗门王做完了 神殿的工。
Ary Hirama nanao ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron’ afo ary ny lovia famafazana. Dia vitan’ i Hirama ny asa izay nataony ho an’ i Solomona mpanjaka ho amin’ ny tranon’ Andriamanitra:
12 所造的就是:两根柱子和柱上两个如球的顶,并两个盖柱顶的网子
dia ny andry roa sy ny boriboriny sy ny kapitaliny izay teny an-tampon’ ny andry roa sy ny harato roa hafono ny boriboriny roa momba ny kapitaly izay teo an-tampon’ ny andry avy,
13 和四百石榴,安在两个网子上(每网两行盖着两个柱上如球的顶)。
ary ny sarin’ ampongabendanitra efa-jato ho amin’ ny harato roa, sarin’ ampongabendanitra roa an-dalana ho amin’ ny harato iray hafono ny boribory roa momba ny kapitaly izay teo an-tampon’ ny andry avy;
14 盆座和其上的盆,
ary nanao ireo fitoeran-tavin-drano izy, ary ny tavin-drano nataony teo amin’ ny fitoerany;
15 海和海下的十二只牛,
ary ny tavin-drano lehibe iray sy ny sarin’ omby roa ambin’ ny folo; ambaniny.
16 盆、铲子、肉锸子,与耶和华殿里的一切器皿,都是巧匠户兰用光亮的铜为所罗门王造成的,
Ary ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron’ afo sy ny fitrebika ary ny fanaka rehetra momba azy dia nataon’ i Hiram-aby ho an’ i Solomona mpanjaka ho amin’ ny tranon’ i Jehovah tamin’ ny varahina manganohano.
17 是在约旦平原疏割和撒利但中间借胶泥铸成的。
Teo amin’ ny tany amoron’ i Jordana no nanaovan’ ny mpanjaka an-idina azy tamin’ ny tanimanga teo anelanelan’ i Sokota sy Zaretana.
18 所罗门制造的这一切甚多,铜的轻重无法可查。
Toy izany no nanaovan’ i Solomona ireo fanaka rehetra rehetra ireo; fa tsy nozahana Izay lanjan’ ny varahina.
19 所罗门又造 神殿里的金坛和陈设饼的桌子,
Ary Solomona nanao ny fanaka rehetra izay tao amin’ ny tranon’ Andriamanitra: ny alitara volamena sy ny latabatra fitoeran’ ny mofo aseho,
20 并精金的灯台和灯盏,可以照例点在内殿前。
ary ny fanaovan-jiro sy ny lela fanaovan-jirony mba hampirehetina eo noloan’ ny efitra anatiny araka ny fanao dia samy volamena tsara;
21 灯台上的花和灯盏,并蜡剪都是金的,且是纯金的;
ny voniny sy ny lela fanaovan-jiro ary ny hetin-jiro dia samy volamena tsara indrindra avokoa;
22 又用精金制造镊子、盘子、调羹、火鼎。至于殿门和至圣所的门扇,并殿的门扇,都是金子妆饰的。
ary ny antsy sy ny lovia famafazana sy ny lovia kely sy ny fitoeran-davenon-jiro dia samy volamena tsara; ary ny lela-varavarana teo anatin’ ny trano, dia ny mankao amin’ ny fitoerana masìna indrindra, sy ny lela-varavarana ho amin’ ny ati-trano lehibe dia samy volamena avokoa.

< 历代志下 4 >