< 历代志下 10 >

1 罗波安往示剑去,因为以色列人都到了示剑,要立他作王。
Ary Rehoboama nankany Sekema, fa tany no efa nalehan’ ny Isiraely rehetra hampanjaka azy.
2 尼八的儿子耶罗波安先前躲避所罗门王,逃往埃及,住在那里;他听见这事,就从埃及回来。
Koa raha nandre izany Jeroboama, zanak’ i Nebata, izay efa nandositra nankany Egypta niala teo anatrehan’ i Solomona mpanjaka, dia niverina avy tany Egypta izy.
3 以色列人打发人去请他,他就和以色列众人来见罗波安,对他说:
Ary naniraka naka azy ny olona. Dia tonga Jeroboama sy ny Isiraely rehetra ka niteny tamin-dRehoboama hoe:
4 “你父亲使我们负重轭做苦工,现在求你使我们做的苦工负的重轭轻松些,我们就事奉你。”
Rainao dia nampitondra zioga mavesatra anay; fa inty kosa mby aminao ka mba hamaivano ny fanompoana mafy tamin-drainao sy ny zioga mavesatra izay nataony taminay, dia hanompo anao izahay.
5 罗波安对他们说:“第三日再来见我吧!”民就去了。
Fa hoy kosa izy taminy: Rehefa afaka hateloana, dia mankanesa atỳ amiko indray. Dia lasa ny olona.
6 罗波安之父所罗门在世的日子,有侍立在他面前的老年人,罗波安王和他们商议,说:“你们给我出个什么主意,我好回复这民。”
Ary Rehoboama mpanjaka naka saina tamin’ ny zoki-olona izay nitoetra teo anatrehan’ i Solomona rainy fony fahavelony ka nanao hoe: Ahoana no hevitra omenareo havaly ny vahoaka?
7 老年人对他说:“王若恩待这民,使他们喜悦,用好话回复他们,他们就永远作王的仆人。”
Dia hoy ireo taminy: Raha ho mora amin’ ny vahoaka ianao ka hankasitraka azy sy hanao teny mora aminy, dia ho mpanomponao mandrakizay izy.
8 王却不用老年人给他出的主意,就和那些与他一同长大、在他面前侍立的少年人商议,
Nefa nolavin-dRehoboama ny saina nomen’ ireo zoki-olona azy, dia naka hevitra tamin’ ny tovolahy izay indray nihira taminy sady efa nitoetra teo anatrehany izy ka nanao taminy hoe:
9 说:“这民对我说:‘你父亲使我们负重轭,求你使我们轻松些’;你们给我出个什么主意,我好回复他们。”
Ahoana kosa no mba hevitra omenareo havalintsika ny vahoaka izay niteny tamiko hoe: Hamaivano ny zioga izay nataon-drainao taminay?
10 那同他长大的少年人说:“这民对王说:‘你父亲使我们负重轭,求你使我们轻松些’;王要对他们如此说:‘我的小拇指比我父亲的腰还粗;
Ary ireo tovolahy indray nihira taminy nanao taminy hoe: Izao no lazao amin’ ny vahoaka izay niteny taminao hoe: Rainao nampitondra zioga mavesatra anay; fa inty kosa mby aminao, ka mba hamaivano aminay izany, izao no lazao aminy. Ny ankihikeliko dia lehibe noho ny valahan’ ny raiko;
11 我父亲使你们负重轭,我必使你们负更重的轭;我父亲用鞭子责打你们,我要用蝎子鞭责打你们。’”
koa raha nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, izaho kosa dia mainka hanampy ny zioga ho entinareo; kotopia no namaizan’ ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa no hamaizako anareo.
12 耶罗波安和众百姓遵着罗波安王所说“你们第三日再来见我”的那话,第三日他们果然来了。
Ary Jeroboama sy ny vahoaka rehetra dia nankany amin-dRehoboama tamin’ ny andro fahatelo, araka ilay nolazain’ ny mpanjaka hoe: Mankanesa atỳ amiko indray amin’ ny andro fahatelo.
13 罗波安王用严厉的话回复他们,不用老年人所出的主意,
Ary Rehoboama mpanjaka nanao teny mafy tamin’ ny olona, fa nandà ny hevitra nomen’ ireo zoki-olona azy
14 照着少年人所出的主意对他们说:“我父亲使你们负重轭,我必使你们负更重的轭;我父亲用鞭子责打你们,我要用蝎子鞭责打你们。”
ka niteny taminy araka ny hevitra nomen’ ireo tovolahy hoe: Nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, fa izaho kosa mainka hanampy izany; kotopia no namaizan’ ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa hamaizako anareo.
15 王不肯依从百姓;这事乃出于 神,为要应验耶和华借示罗人亚希雅对尼八儿子耶罗波安所说的话。
Ka dia tsy nihaino ny olona ny mpanjaka, fa avy tamin’ Andriamanitra izany zavatra izany hahatanteraka ny teniny izay nampilazainy an’ i Ahia Silonita tamin’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata.
16 以色列众民见王不依从他们,就对王说: 我们与大卫有什么分儿呢? 与耶西的儿子并没有关涉! 以色列人哪,各回各家去吧! 大卫家啊,自己顾自己吧! 于是,以色列众人都回自己家里去了。
Ary nony hitan’ ny Isiraely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka, dia namaly ny mpanjaka ny vahoaka ka nanao hoe: Inona moa no anjaranay amin’ i Davida? Tsy manana lova amin’ ny zanak’ i Jese izahay. Samia mody any an-dainy avy, ry Isiraely e! ankehitriny tandremo ny taranakao, ry Davida ô. Dia samy nody ho any an-dainy avy ny Isiraely rehetra.
17 惟独住在犹大城邑的以色列人,罗波安仍作他们的王。
Fa ny Zanak’ isiraely izay nonina tany an-tanànan’ ny Joda ihany no nanjakan-dRehoboama.
18 罗波安王差遣掌管服苦之人的哈多兰往以色列人那里去,以色列人就用石头打死他。罗波安王急忙上车,逃回耶路撒冷去了。
Ary dia naniraka an’ i Adorama, komandin’ ny mpanao fanompoana, Rehoboama mpanjaka, nefa ny Zanak’ isiraely nitora-bato azy, ka maty izy. Dia niezaka faingana nankeo amin’ ny kalesiny Rehoboama mpanjaka handositra ho any Jerosalema.
19 这样,以色列人背叛大卫家,直到今日。
Ka dia niodina tamin’ ny taranak’ i Davida ny Isiraely mandraka androany.

< 历代志下 10 >