< 詩篇 44 >

1 科辣黑後裔的訓誨歌,交與樂官。 天主,我們親耳聽見過,祖先也給我們述說過:昔日在他們那一時代,你手所行的偉業。
Ho an’ ny mpiventy hira. Nataon’ ny Koraïta. Maskila. Ny sofinay no nandrenesanay, Andriamanitra ô, ny razanay nilaza taminay ny asa nataonao tamin’ ny androny, dia tamin’ ny andro fahiny.
2 你為栽培他們,手驅散外人,你為發展他們,曾親自磨難異民。
Ny tananao no nandroahanao ny firenen-tsamy hafa, fa izy kosa nampitoerinao; efa nampahorinao ny firenena maro, fa izy kosa nataonao mahafeno tany.
3 的確,他們佔領了那地,並非靠著自己的刀劍,他們獲得了勝利,並非靠著自己的臂腕;完全是賴著你的右手和你的腕能,並你儀容的光輝,因為你喜愛他們。
Fa tsy ny sabany no nahazoany ny tany, ary tsy ny sandriny no namonjy azy; fa ny tananao ankavanana sy ny sandrinao ary ny fahazavan’ ny tavanao, satria efa sitrakao izy.
4 你是我的天主,我的君王,是你使雅各伯打了勝仗。
Hianao dia Hianao no Mpanjakako, Andriamanitra ô; Mandidia famonjena ho an’ i Jakoba.
5 仰仗著你,我們克勝了我們的對頭,因你的名,我們踐踏了我們的仇讎。
Hianao no hanosehanay ny fahavalonay; ny anaranao no hanitsahanay izay mitsangana hamely anay.
6 因我從未依恃過我的弓箭,拯救我的,也不是我的刀劍,
Fa tsy ny tsipikako no itokiako, ary ny sabatro tsy hahavonjy ahy.
7 而是你救我們脫離我們的對頭,是你使痛恨我們的人都蒙羞受辱。
Fa namonjy anay tamin’ ny fahavalonay Hianao, ary ny nankahala anay dia nataonao menatra.
8 我們時時以天主而自豪,永永遠遠歌頌你的名號。
Andriamanitra no ankalazainay mandrakariva; ary ny anaranao no hoderainay mandrakizay. (Sela)
9 然而現今你拋棄我們,使我們蒙羞受辱,你也不再與我們的軍隊,一同出征為伍;
Fa efa nanary anay ianao ka nampahamenatra anay, ary tsy mba mivoaka miaraka amin’ ny antokon’ ny miaramilanay Hianao.
10 反而使我們在敵人,前轉身敗走,讓那些恨我們的人,劫奪俘虜。
Ataonao miamboho ny fahavalonay izahay, koa ny mankahala anay dia nanaram-po namabo.
11 你使我們有如待宰的羔羊,你使我們漂流而逃亡異邦;
Atolotrao tahaka ny ondry hohanina izahay, ary aelinao any amin’ ny firenen-tsamy hafa.
12 你將你的子民賤價出售,你由售價並未獲財。
Mivarotra ny olonao tsy vola tsy harena Hianao, ka tsy mahazo tombony amin’ ny vidiny.
13 你使我們遭受鄰邦的侮辱,四周人民對我們諷刺咒詛;
Ataonao fandatsan’ ny olona miray monina aminay izahay, dia fanakora sy faneson’ izay manodidina anay.
14 你使我們成了異族的話柄,外邦人都向我們搖頭熱諷。
Ataonao ho ambentinteny amin’ ny firenen-tsamy hafa izahay, dia fihifikifihan-doha amin’ ny olona maro.
15 我的恥辱終日擺在我的眼前,羞愧也常籠罩著我的臉面:
Tsaroako mandrakariva ny fahafaham-boninahitro, ary efa manafotra ahy ny fangaihaizako,
16 因我聽到侮慢與欺凌者的聲音,又面臨仇敵和尋隙報復的人民。
Noho ny feon’ ny mpanaratsy sy ny mpanamavo, noho ny fahavalo sy ny mpamaly ratsy.
17 我們雖然從未把你忘記,從來沒有違背過你的盟約,但我們身受了這一切災禍。
Izany rehetra izany no manjo anay, nefa tsy manadino anao izahay ary tsy mivadika ny fanekenao.
18 我們的心志從來沒有萎靡退縮,我們的腳步也未偏離你的正道;
Tsy mihemotra ny fonay, ary tsy miala amin’ ny lalanao ny dianay.
19 但你竟將我們拋棄在野犬的邊界,以死亡的陰影把我們遮蓋。
Nefa Hianao nanorotoro anay teo amin’ ny fitoeran’ ny amboadia sy nanarona anay tamin’ ny aloky ny fahafatesana.
20 如果我們忘卻了我們天主的聖名,並舉起我們的手朝向外邦的神明:
Raha nanadino ny anaran’ Andriamanitray izahay, na nananty tanana tamin’ ny andriamani-kafa,
21 難道天主究查不出這事?因為祂洞悉人心的隱密。
Tsy handinika izany va Andriamanitra? Fa Izy mahalala ny miafina ao am-po.
22 我們卻是為了你,時常受傷受戕,他們竟將我們視作待宰的群羊。
Fa noho ny aminao no amonoana anay mandrakariva; toy ny ondry hovonoina no fijery anay.
23 醒來!我主,你為什麼依舊沉睡?起來!你不要永遠把我們拋棄。
Mifohaza, ry Tompo ô, nahoana no matory Hianao? Mitsangàna, aza manary mandrakizay.
24 你為什麼掩起你的慈顏,不顧我們的痛苦和辛酸?
Nahoana no manafina ny tavanao Hianao, ka manadino ny fahantranay sy ny fahorianay?
25 請看,我們的靈魂已俯伏在灰間,我們的身體已緊貼於地面。
Fa miankohoka amin’ ny vovoka ny fanahinay, miraikitra amin’ ny tany ny kibonay.
26 求你站起來,援助我們,因你的慈愛,拯救我們。
Mitsangàna hamonjy anay, ary avoty izahay araka ny famindram-ponao.

< 詩篇 44 >