< 詩篇 40 >

1 達味詩歌,交與樂官。 我慹切誠懇地期待了上主,祂便垂顧俯聽了我的哀訴。
Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida. Niandry dia niandry an’ i Jehovah aho; ary nitodika nitsinjo ahy Izy ka nandre ny fitarainako.
2 祂把我從禍坑與污泥中救出,放我在磐石上,穩定我的腳步。
Dia nampakatra ahy avy tao amin’ ny lavaka fandringanana Izy, eny, tamin’ ny fotaka mandrevo; ary nampitoetra ny tongotro teo ambony vatolampy Izy ka nampijoro ahy.
3 祂將新歌置於我口,為讚美我們的天主!眾人見了起敬起畏,都將全心信賴上主。
Ary nanisy fihiram-baovao teo am-bavako Izy, dia fideràna an’ Andriamanitsika; maro no hahita sy hatahotra ary hatoky an’ i Jehovah.
4 凡全依靠上主,不對傲慢傾慕,且又不依附虛偽的,這人真有福!
Sambatra izay olona manao an’ i Jehovah ho tokiny, ka tsy mivily ho naman’ ny mpiavonavona na ny mpivadika ho amin’ ny lainga.
5 上主,我的天主! 你行的奇蹟異事,真令人不知幾許!你對我們的計畫,無人能與你相輔,我縱願宣揚伸述,也多得不可勝數。
Nohamaroinao ny fahagaganao sy ny hevitrao izay nataonao ho anay, Jehovah Andriamanitra ô. Tsy misy azo ampitahaina aminao Raha tiako hambara sy holazaina ireny, dia, indro, maro loatra izy ka tsy tambo isaina.
6 犧牲與素祭已非你所喜,就開了我的耳朵;全燔之祭以及贖罪之祭,也非你所要。
Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina tsy mba sitrakao ny sofiko nataonao malady ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy mba nilainao;
7 於是我說:你看,我已到來!關於我,書卷上已有記載:
Dia hoy izaho: inty aho tonga ao amin’ ny horonam-boky no nanoratana ahy.
8 我的天主,承行你的旨意為我所喜愛,你的法律常於我的心懷。
Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako; ary ny lalanao no ato anatiko.
9 在盛大的集會中,我宣揚了你的正義,看,我並沒有閉口不言,上主,你全知悉。
Efa nilaza teny mahafaly ny amin’ ny fahamarinana teo amin’ ny fiangonana lehibe aho; indro ny molotro tsy mba nakomboko; Jehovah ô, Hianao no mahalala.
10 我從沒有將你的義隱蔽在心間,對你的忠厚和救援時時各處宣傳;對於你的慈愛和忠義,在盛會中我沒有隱蔽,
Ny fahamarinanao tsy mba nafeniko tato am-poko; ny fahamarinanao sy ny famonjenao no nambarako; tsy nanafina ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao tamin’ ny fiangonana lehibe aho.
11 上主,求你對我不要撤回你的憐憫,願你的慈愛和忠誠對我時加保存。
Hianao, Jehovah ô, aza miaro ny antranao tsy ho amiko; aoka ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao hiaro ahy mandrakariva.
12 因為,四周困迫我的災禍,實不可勝數;我的罪過緊握著我,使我無法目睹;數目比我頭髮還多,真使我心痛苦。
Fa nanodidina ahy ny fahoriana tsy tambo isaina; nahazo ahy ny heloko, ka tsy mahay mijery aho; maro noho ny volon-dohako ireny, ka reraka ny foko.
13 上主,求你開恩救我,上主,求你速來救我。
Aoka ho sitraky ny fonao, Jehovah ô, ny hanafaka ahy; Jehovah ô, faingàna hamonjy ahy.
14 願那些圖謀害我的人,一同蒙恥受辱,願那些喜歡我遭難的人,一起含羞退走!
Aoka ho indray menatra sy mangaihay izay mitady hanimba ny aiko; aoka hiamboho sy ho menatra izay mankasitraka ahy ho ory.
15 願那些哈哈戲笑我的人,都滿面羞慚地驚惶失神!
Aoka ho ankona noho ny fahamenarany ireny manao amiko hoe: Hià! sakoa izay!
16 願那些尋求你的人,都因你而歡欣彭舞,願戀慕你的人,都常說:大哉上主!
Aoka ho faly sy ho ravoravo aminao izay rehetra mitady Anao; aoka izay rehetra tia ny famonjenao hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Jehovah.
17 我既然卑微貧苦,我主卻對我眷顧;你是我的助佑,我的救援,我的天主,求你不要遲延。
Fa na dia ory sy malahelo aza aho, ny Tompo no mihevitra ahy; Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Hianao; aza ela, Andriamanitro ô.

< 詩篇 40 >