< 詩篇 38 >

1 達味紀念歌。 上主,求你不要在你的震怒中責罰我,求你不要在你的氣憤中懲戒我。
Salamo nataon’ i Davida. Ho fampahatsiarovana. Jehovah ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy; ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy.
2 因為你的箭射中了我,你的手重壓了我。
Fa mitsatoka amiko ny zana-tsipìkanao, ary manindry ahy mafy ny tananao,
3 因了你的盛怒,我已體無完膚;因了我的罪行,我已粉身碎骨。
Tsy misy fahasalamana ny nofoko noho ny fahatezeranao; tsy misy tsy marary ny taolako noho ny fahotako.
4 因為我的罪過高出我的頭頂,好似重擔把我壓得過分沉重。
Fa ny heloko efa mihoatra ny lohako; tahaka ny entana mavesatra izy ka tsy zakako.
5 我的創痍漬爛流膿,完全由於我的愚矇。
Maimbo sady mihady ny feriko noho ny hadalako.
6 我悲傷得身已傴僂,終日行動滿懷憂愁。
Mitanondrika sy mijoretra indrindra aho, ary misaona mandrakariva.
7 因為我的腰肢焦灼難受,我的肉體已無完膚。
Ary ny vaniako henika ny aretina mahamay, ka tsy misy fahasalamana ny nofoko.
8 我已筋疲力盡,奄奄一息;我已心痛欲絕,嗟嘆不已。
Marikoditra aho sady torovana indrindra; midradradradra aho noho ny fitolokon’ ny foko.
9 我主,我的呻吟常在你的面前,我的悲歎不向你隱瞞;
Ry Tompo ô, eo anatrehanao ny faniriako rehetra; ary ny fisentoako tsy mba miafina aminao.
10 我的心顫慄,我的精力衰退,我眼目的光明也已消逝。
Miemponempona ny foko, lany ny heriko, ary ny fahiratan’ ny masoko aza efa nandao ahy.
11 我遭難時,我的友朋都袖手旁觀,我的親人都站得很遠。
Ny olo-malalako sy ny sakaizako aza efa manalavitra ny fahoriako; Ary ny havako mijanona eny lavitra eny.
12 追尋我命的人,張設網羅,設法害我的人,散布惡謨,他們行詭計日夜思索。
Mamela-pandrika izay mitady ny aiko; ary izay mitady hanimba ahy miteny fanimbana, sy misaim-pitaka mandrakariva.
13 但我好像是一個有耳聽不見的聾子,我又好像是一個有口不能言的啞巴。
Fa izaho dia tahaka ny marenina ka tsy mandre, ary tahaka ny moana ka tsy mahaloa-bava;
14 我竟成了一個沒有聽覺的人,成了一個口中沒有辯詞的人。
Eny, dia tahaka ny olona tsy mandre, sady tsy misy teny havaly eo am-bavany.
15 因為我唯有仰慕你,上主,你必應允我,我主我天主!
Fa ianao no antenaiko Jehovah ô; ianao no hamaly, ry Tompo Andriamanitra ô.
16 我原來說過:「不要讓他們洋洋得意,不要讓他們因我的失足而沾沾自喜。」
Fa hoy izaho: sao dia hifalian’ izy ireo anie aho; ary raha mibolisatra ny tongotro, dia hirehareha amiko izy.
17 我生來就易於失足,因此我常心懷痛苦。
Fa efa ho lavo aho, ary ny fanaintainako dia tsaroako mandrakariva.
18 我的確承認我犯了罪愆,我為了我的過惡而憂慚。
Fa ny heloko no hambarako; matahotra aho noho ny fahotako.
19 無故加害我的人,力強兇暴,無理憎恨我的人,成群結伙;
Fa ny fahavaloko velona ihany sady mahery; ary maro no mandrafy ahy tsy ahoan-tsy ahoana;
20 他們都以怨報德而對待我,因我追求正義而惱恨我。
Ary mamaly ratsy ny soa izy ireo ka mandrafy ahy ho valin’ ny fanarahako ny tsara.
21 上主,求你不要捨棄我,我主,求你不要遠離我。
Aza mahafoy ahy, Jehovah ô; Ry Andriamanitro ô, aza manalavitra ahy.
22 我的上主,我的救助,求你速來給我護祐。
Faingàna hamonjy ahy, ry Tompo, Mpamonjy ahy ô.

< 詩篇 38 >