< 詩篇 149 >

1 亞肋路亞!請您們向上主謳唱新歌,在聖者集會中向他祝賀!
Haleloia. Mihirà fihiram-baovao ho an’ i Jehovah, Ny fiderana Azy eo amin’ ny fiangonan’ ny olona masìna.
2 願以色列因自己的創造者而踴躍,願熙雍子民因自己的君王而歡樂!
Aoka ny Isiraely hifaly amin’ ny Mpanao azy; Aoka ho finaritra amin’ ny Mpanjakany ny zanak’ i Ziona.
3 願他們以舞蹈讚美上主的名,願他們敲鼓彈琴向上主歌詠!
Aoka hidera ny anarany amin’ ny dihy izy Sy hankalaza Azy amin’ ny ampongatapaka sy ny lokanga.
4 因為上主喜愛自己的百姓,賞賜謙虛的人凱旋而得勝。
Fa sitrak’ i Jehovah ny olony; Ravahany famonjena ny mpandefitra.
5 願聖徒因所受的光榮而喜慶,在自己的床榻上歡呼而歌頌。
Aoka ny olona masìna hifaly amin’ ny voninahitra; Aoka hihoby tsara eo am-pandriany izy.
6 願讚美天主的歌辭在他們的口中,願雙刃的寶劍掌握在他們的手中,
Aoka hisy fanandratana an’ Andriamanitra eo am-bavany Sy sabatra roa lela eny an-tànany,
7 為向異邦報仇雪恥,為向列國進攻襲擊,
Hamaliany ny Jentilisa Sy hamaizany ny firenena maro,
8 要用鎖鍊捆住他們的國君,要用銬鐐鎖住他們的縉紳,
Hamatorany ireo mpanjakany amin’ ny gadra, Sy ny olo-malazany amin’ ny gadra vy.
9 為向他們施行經上的審訊。這也就是一切聖徒的光榮。
Mba hanaovany ny fitsarana voasoratra: Voninahitry ny olony masìna rehetra Izany. Haleloia.

< 詩篇 149 >