< 箴言 28 >
1 惡人無人追蹤,仍然竄逃;義人安然自得,有如雄獅。
Ny ratsy fanahy mandositra, na dia tsy misy manenjika aza; Fa ny marina kosa dia matoky toy ny liona tanora.
2 由於國家的罪,領袖時有更迭;惟賴明哲之士,邦國方能久存。
Ny fahotan’ ny tany mahamaro mpanapaka; Fa ny fisian’ ny olona manan-tsaina kosa no mampahateza ny fanjakana.
Ny malahelo izay mampahory ny mahantra Dia toy ny ranonorana izay manindao ka tsy maha-misy hanina.
Izay mahafoy ny lalàna dia mandoka ny ratsy fanahy; Fa izay mitandrina ny lalàna dia mirehitra amin’ ny fanoherana azy.
Ny ratsy fanahy dia tsy mahalala rariny; Fa izay mitady an’ i Jehovah no mahalala ny zavatra rehetra.
Ny malahelo izay mandeha amin’ ny fahitsiany Dia tsara noho ny manan-karena izay mivadika ka mandeha amin’ ny lalana miolikolika.
7 遵守法律的,是智慧之子;交結蕩子的,是取辱己父。
Izay mitandrina ny lalàna no zanaka hendry; Fa izay misakaiza amin’ ny mpandany harena dia manome henatra ny rainy.
Izay mampitombo ny fananany amin’ ny zana-bola sy ny tombony Dia mamory ho an’ izay miantra ny malahelo
9 對於法律,人若充耳不聞,他的祈禱,也為上主所惡。
Izay manentsin-tadiny tsy hihaino ny lalàna, Na ny fivavahany aza dia fahavetavetana.
10 勾引正直的人走上邪路的,必落在自己所掘的坑內;但正直的人仍能繼承幸福。
Izay mampivily ny mahitsy ho amin’ ny lalan-dratsy Dia ho lavo amin’ ny lavaka nataony; Fa ny tsy misy tsiny no handova ny soa.
11 富貴的人,自認為有智慧,聰明的窮人一眼即看穿。
Ny manan-karena manao azy ho hendry; Fa ny malahelo izay manan-tsaina dia hizaha toetra azy.
Raha ravoravo ny marina, dia be ny famirapiratana; Fa raha misandratra kosa ny ratsy fanahy, dia miery ny vahoaka.
13 文過飾非的,必不會順利;認錯悔改的,將蒙受憐憫。
Izay manafina ny fahotany tsy hambinina; Fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindram-po.
14 常戒慎的人,必蒙祝福;心硬如鐵者,必遭災禍。
Sambatra izay olona matahotra mandrakariva; Fa izay manamafy ny fony no hidiran-doza.
Liona mierona sy bera miremby Ny mpanapaka ratsy fanahy amin’ ny olona reraka.
16 無知的昏君,必橫行霸道;憎恨貪婪的,將延年益壽。
Ny mpanapaka tsy ampy saina dia mahery mampahory; Izay mankahala ny fieremana no ho ela velona.
Izay itambesaran-keloka noho ny fandatsahan-drà dia handositra hatrany an-davaka; Aoka tsy hisy hihazona azy.
18 行走正路的,必安然無恙;愛走曲徑的,必墮入陷阱。
Izay mandeha tsy misy tsiny no ho voavonjy; Fa izay mivadika ka mandeha amin’ ny lalana miolikolika no ho lavo tampoka.
19 自耕其地的,必常得飽食;追求虛幻的,必飽嘗貧苦。
Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina Fa izay manaraka ny olom-poana ho voky alahelo kosa.
20 忠誠篤實的人,將滿渥福祉;急於致富的人,將難免無過。
Izay olona mahatoky tokoa dia ho be fitahiana; Fa izay maimay ta-hanan-karena dia tsy maintsy hohelohina.
21 顧及人的情面,原非一件好事;但為一片麵包,人卻陷身不義。
Tsy mety raha mizaha tavan’ olona; Kanefa na dia amin’ ny sombin-kanina ihany aza dia sahin’ ny olona hanotana.
22 眼睛貪婪的人,匆匆急於致富;豈知貧乏窮困,即將臨他身上!
Ny mpialona dia maimay ta-hanan-karena; Tsy fantany fa hanjo azy ny alahelo.
Izay mananatra olona no hahazo fitia be rahatrizay Noho izay mandrobo amin’ ny lelany.
24 向自己父母行竊,卻說「這並不是罪,」與強盜是同路人。
Izay mandroba ray sy reny Ka manao hoe: Tsy heloka izany, Dia naman’ ny mpanimba.
25 貪得無厭的人,必引起爭端;信賴上主的人,必心安理得。
Izay mierina manetsika ady; Fa izay matoky an’ i Jehovah dia hohatavezina.
26 自恃聰明的,實是糊塗人;行事智慧的,必安全無恙。
Izay matoky ny fony dia adala; Fa izay mandeha amin’ ny fahendrena no ho afa-miala.
27 樂施濟貧的,決不會匱乏;視若無睹的,必飽受咒罵。
Izay manome ny malahelo tsy hanan-java-mahory; Fa izay mitampi-maso hahazo ozona be;
Raha misandratra ny ratsy fanahy, dia miery ny vahoaka; Fa raha ringana kosa izy, dia mihamaro ny marina.