< 箴言 14 >
1 智慧的婦女,足以興家;愚昧的婦女,親手將家拆毀。
Ny vehivavy hendry dia samy manao ny tranony; Fa ny adala kosa mandrava ny tranony amin’ ny tànany.
2 履行正路的人,敬畏上主;愛走曲徑的人,輕視上主。
Mandeha mahitsy izay matahotra an’ i Jehovah; Fa mivily lalana kosa izay maniratsira Azy.
3 愚昧人口中,有傲慢的根苗;智慧人的唇舌,是自己的保障。
Eo am-bavan’ ny adala misy tsorakazon’ ny fiavonavonana; Fa ny molotry ny hendry miaro ny tenany.
Raha tsy misy omby, dia foana ny fihinanam-bilona; Fa be ny fitomboan-karena azo amin’ ny herin’ ny omby.
Ny vavolombelona mahatoky tsy mba mety mandainga; Fa mamoaka lainga kosa ny vavolombelona tsy mahatoky.
Ny mpaniratsira mba mitady fahendrena, fa tsy mahita; Fa ny manan-tsaina mora mahazo fahalalana.
Mialà eo anatrehan’ ny olona adala, Fa tsy ho hitanao aminy ny molotry ny fahalalana.
8 明智人的智慧,在於審察自己的行徑;愚昧人的昏愚,在於自欺欺人。
Ny mitandrina ny alehany no fahendren’ ny mahira-tsaina; Fa fitaka ny hadalan’ ny adala.
Ny adala ihomehezan’ ny fanati-panonerana; Fa ao amin’ ny marina no misy fankasitrahana.
10 心頭的愁苦,唯有自己知;心中的喜樂,他人無分享。
Ny fo no mahalala ny fangidian’ ny alahelony; Ary tsy raharahan’ ny olon-kafa ny hafaliany.
11 邪僻人的家庭,必遭破壞;正直人的帳幕,卻要興隆。
Ravana ny tranon’ ny ratsy fanahy; Fa ambinina ny lain’ ny marina.
Misy lalana ataon’ ny olona ho mahitsy, Kanjo lalana mivarina any amin’ ny fahafatesana no iafarany.
13 連在歡笑中,心亦有感傷;歡笑的結局,往往是痛苦。
Na dia mihomehy aza, dia ory ihany ny fo, Ary ny faran’ ny hafaliana dia alahelo.
14 變心的人,必自嘗其果;良善的人,必得其善報。
Ny mihemotra am-po dia ho voky ny alehany; Fa ny tsara fanahy kosa ho voky ny azy ihany.
Ny kely saina mino ny teny rehetra; Fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.
Ny hendry matahotra ka mivily tsy ho amin’ ny ratsy; Fa ny adala fatra-pirehareha ka matokitoky foana.
Izay malaky tezitra dia manao adaladala; Ary ny olona mamoron-tsain-dratsy dia ankahalaina.
18 愚昧的人,以愚昧為基業;明智的人,以知識為冠冕。
Ny kely saina dia handova fahadalana; Fa ny mahira-tsaina mahazo ny fahalalana ho satro-boninahiny.
Ny ratsy fanahy miondrika eo anatrehan’ ny tsara fanahy, Ary ny meloka dia eo am-bavahadin’ ny marina.
20 貧窮的人,為親朋所厭;富貴的人,則高朋滿座。
Ny malahelo dia halan’ ny havany aza; Fa ny manan-karena no tian’ ny maro.
Izay manao tsinontsinona ny namany dia manota; Fa endrey ny fahasambaran’ izay mamindra fo amin’ ny ory!
22 陰謀邪惡的人,豈非走入歧途﹖策劃行善的人,必獲慈惠忠誠。
Tsy mivily va izay manao asa ratsy? Fa famindram-po sy fahamarinana no ho an’ izay manao asa tsara.
Ny fisasarana rehetra misy valiny avokoa; Fa ny molotra mibedibedy foana tsy mba ahazoana na inona na inona.
24 智慧人的冠冕,是他們的機智;愚昧人的冠冕,是他們的糊塗。
Satroboninahitry ny hendry ny hareny; Fa ny fahadalan’ ny adala dia fahadalana ihany.
25 忠實的見證,救人性命;作假證的人,危害他人。
Ny vavolombelona marina mamonjy ain’ olona; Fa izay mamoaka lainga dia tena fitaka.
26 敬畏上主,是穩固的靠山;為他的子孫,也是個避難所。
Ny fahatahorana an’ i Jehovah dia fiarovana mahatoky, Ary ny zanany hahazo fialofana.
27 敬畏上主,是生命的泉源,使人脫免死亡的羅網。
Ny fahatahorana an’ i Jehovah no loharanon’ aina, Hanalavirana ny fandriky ny fahafatesana.
28 人民眾多,是君王的光榮;庶民缺少,是王侯的沒落。
Ny fahabetsahan’ ny vahoaka no voninahitry ny mpanjaka; Fa ny havitsiany kosa no fietreny.
29 緩於發怒的人,必甚有見識;脾氣暴躁的人,必大顯愚昧。
Be saina izay mahatsindry fo; Fa ny malaky tezitra mampiseho ny fahadalany.
30 心平氣和,使身體康健;心懷嫉忌,使骨骸腐蝕。
Ny fo mionona no fiainan’ ny nofo; Fa ny fahamaimaizan-tsaina dia mahalò ny taolana.
31 欺壓窮人的,就是凌辱他的造主;憐恤苦人的,就是尊敬他的造主。
Izay mampahory ny mahantra dia manala baraka ny Mpanao azy; Fa ny mamindra fo aminy kosa dia manome voninahitra Azy.
32 惡人因自己的邪惡,必被毀滅;義人因自己的正義,有所憑藉。
Ny ratsy fanahy azera noho ny haratsiany; Fa ny marina matoky, na dia mby ao amin’ ny fahafatesana aza.
Mandry tsara ao am-pon’ ny manan-tsaina ny fahendrena; Fa ny an’ ny adala kosa dia miharihary.
Ny fahamarinana manandratra ny firenena; Fa ny ota kosa dia fahafaham-baraka amin’ ny olona
35 明哲的臣僕,蒙受君王的寵幸;無用的臣僕,必遭君王的盛怒。
Ny fankasitrahan’ ny mpanjaka dia amin’ ny mpanompo hendry; Fa ny fahatezerany kosa amin’ ny manao izay mahamenatra.