< 民數記 4 >
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
2 你應依照宗族和家系,統計肋未人中的刻哈特子孫,
Alao isa ny taranak’ i Kehata eo amin’ ny taranak’ i Levy, araka ny fokony sy ny fianakaviany,
3 由三十歲以上到五十歲,凡應入伍到會幕服務的都要登記。
hatramin’ ny telo-polo taona ka hatramin’ ny dimam-polo taona, dia izay rehetra miditra amin’ ny antokony hanao raharaha ao amin’ ny trano-lay fihaonana.
Izao no ho fanompoan’ ny taranak’ i Kehata ao amin’ ny trano-lay fihaonana, dia ny zavatra masìna indrindra:
5 起營出發時,亞郎和他的兒子應來卸下帳幔,用來包裹約櫃,
Ary raha hifindra ny toby, dia hiditra Arona sy ny zanany ka hampidina ny efitra lamba fanakonana; ary hasarony ny fiaran’ ny Vavolombelona’ izany;
6 上面蒙上海豚皮蓋,其上再舖上純紫布,然後安上杠桿。
ary hodi-takasy no hataony sarona eo amboniny, ka lamba volon’ ondry manga tokam-bolo no hovelariny hasarony eo ambonin’ io, dia hataony eo aminy ny baony.
7 在供餅桌上,應舖上子布,擺上盤、匙、杯和奠酒的爵;常供餅應仍在桌上。
Ary hamelatra lamba, volon’ ondry manga eo ambonin’ ny latabatry ny mofo aseho izy, ka hataony eo ny lovia sy ny lovia kely sy ny kapoaka ary ny fitoeran-divay ho fanidinana; ary ny mofo aseho dia hataony eo amboniny.
8 以後,在這些物件上,蓋上朱紅布,再蒙上海豚皮罩,然後安上杠桿。
Dia hovelarany lamba jaky eo amboniny izy, ka hosaronany amin’ ny sarona hodi-takasy izany; dia hataony eo aminy ny baony.
9 此後,拿一塊紫布,包好燈台和燈盞、剪子、碟子,以及為燈台用的一切油具;
Dia haka lamba volon’ ondry manga izy, ka hasarony ny fanaovan-jiro fanazavana sy ny lela fanaovan-jirony sy ny hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony ary ny fitoeran-diloilo rehetra eo, izay anaovana ny fanompoam-pivavahana;
10 將燈台和所有的用具,裝入海豚皮袋內,放在擔架上。
ary ireo sy ny fanaka rehetra momba azy dia hataony ao anatin’ ny sarona hodi-takasy ka hatainginy eo ambonin’ ny filanjana azy.
11 在金祭壇上舖上紫布,再用海豚皮包好,然後安上杠桿。
Ary hamelatra lamba manga eo ambonin’ ny alitara volamena izy, dia hosaronany sarona hodi-takasy, ary hataony eo aminy ny baony;
12 再把聖所內使用的一切用具都拿來,放在紫布袋內,再蒙上海豚皮罩,放在擔架上。
dia halainy ny fanaka rehetra enti-manompo, dia izay fanaovany fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna, ka hataony ao anaty lamba volon’ ondry manga ka hosaronany sarona hodi-takasy, dia hatainginy eo ambonin’ ny filanjana azy.
Dia hanaisotra ny lavenona amin’ ny alitara izy ka hamelatra lamba volomparasy eo amboniny.
14 上面放上一切用具:火盆。肉叉、鏟子、盤子以及祭壇上的一切用具;其上再蒙上海豚皮罩,然後安上杠桿。
Ary hapetrany eo amboniny avokoa ny fanaka rehetra momba azy, izay fanaovana fanompoan-pivavahana eo, dia ny fitondran’ afony sy ny fitrebiny sy ny sotron’ afony ary ny loviany famafazana, dia ny fanaka rehetra momba ny alitara; ary hovelarany sarona hodi-takasy eo amboniny izy, dia hataony eo aminy ny baony.
15 亞郎和他的兒子包裝完了聖物和聖所的一切用具,起營出發時,刻哈特的子孫纔來抬,免得他們觸摸聖物而死亡:這是刻哈特的子孫對會幕的職務。
Ary rehefa vitan’ i Arona sy ny zanany ny manarona ny fitoerana masìna sy ny fanaka rehetra momba azy, ka efa hifindra ny toby, dia vao izay no ho avy ny zanak’ i Kehata hitondra azy; fa tsy hikasika ny fitoerana masìna izy, fandrao maty. Izany zavatra momba ny trano-lay fihaonana izany no ho anjara entan’ ny taranak’ i Kehata.
16 至於亞郎大司祭的兒子厄肋阿匝爾的任務,是管理燈油、香料、日獻的素祭和為傅禮用的油,並照管全會幕與其中所有的聖物和器具。」
Ary ny raharahan’ i Eleazara, zanak’ i Arona mpisorona, dia ny diloilo hatao fanazavana sy ny ditin-kazo mani-pofona sy ny fanatitra hohanina fanao isan’ andro ary ny diloilo fanosorana, dia ny raharaha rehetra amin’ ny tabernakely sy izay rehetra ao anatiny amin’ ny fitoerana masìna sy ny fanaka momba azy.
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
Ataovy izay tsy hahafongotra ny fokon’ ny Kehatita tsy ho amin’ ny Levita:
19 為使他們接近至聖之物時,生存而不死亡,你們對他們應這樣做:亞郎和他的兒子先來,給他們每人指定各人服役和搬運的工作,
fa izao no hataonareo aminy, mba ho velona izy ka tsy ho faty, raha manatona ny zavatra masìna indrindra: Arona ny ny zanany ihany no hahazo miditra ka hanendry azy rehetra samy ho amin’ ny fanompoany avy sy amin’ ny entany avy;
fa izy dia tsy hiditra hijery ny fitoerana masìna, na dia indray mipi-maso akory aza, fandrao maty.
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Alao isa koa ny taranak’ i Gersona, araka ny fianakaviany sy ny fokony avy;
23 由三十歲以上到五十歲,凡應入伍到會幕服務的,都要登記。
ny hatramin’ ny telo-polo taona ka hatramin’ ny dimam-polo taona no halaminao, dia izay rehetra miditra amin’ ny antokony hanao fanompoana ao amin’ ny trano-lay fihaonana.
Izao no ho fanompoan’ ny fokon’ ny Gersonita hanompoany sy hitondrany entana:
25 搬運帳幕的帷幔、會幕和其頂蓬,及其上面蓋的海豚皮和會幕的門簾,
ny ambain’ ny tabernakely sy ny trano-lay fihaonana sy ny firakony sy ny sarona hodi-takasy izay eo amboniny, ary ny varavarana lamba amin’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana,
26 庭院的帷幔,圍繞會幕和祭壇庭院的門簾、繩索以及一切為服役用的器具;凡交與他們應作的一切,他們都應執行。
ary ny fefy lamban’ ny kianja sy ny vavahady lamba amin’ ny vavahadin’ ny kianja, izay manodidina ny tabernakely sy ny alitara, ary ny kofehiny mbamin’ ny fiasana rehetra momba azy; ary izay rehetra hatao amin’ ireo no ho fanompoany.
27 革爾雄人所有的任務,不論是搬運或是服役,應全遵照亞郎和他兒子的吩咐;所以你們應照顧他們搬運一切:
Araka ny tenin’ i Arona sy ny zanany no hanaovan’ ny Gersonita ny fanompoany amin’ ny entany rehetra sy ny fanompoany rehetra; ary hatolotrao azy ho anjara-raharahany ny zavatra rehetra izay ho entiny.
28 這是革爾雄人的家族對會幕的任務;他們應在大司祭亞郎的兒子依塔瑪爾指揮下服役。
Izany no ho fanompoan’ ny fokon’ ny Gersonita ny amin’ ny trano-lay fihaonana; ary ny ho mpifehy azy amin’ izany anjara-raharahany izany dia Itamara, zanak’ i Arona mpisorona.
29 對默辣黎的子孫,你要依照宗族和家系統計他們;
Ny amin’ ny taranak’ i Merary, dia araka ny fokony sy ny fianakaviany no handaminanao azy;
30 由三十歲以上到五十歲,凡應入伍到會幕服務的,都要登記。
ny hatramin’ ny telo-polo taona ka hatramin’ ny dimam-polo taona no halaminao, dia izay rehetra miditra amin’ ny antokony hanao ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana.
31 依照他們在會幕內所擔任的職務,應搬運的是:帳幕的木板、橫木、柱子和卯座,
Ary izao no ho anjara-raharahany ny amin’ ny entana araka ny fanompoany rehetra ao amin’ ny trano-lay fihaonana: ny zana-kazo amin’ ny tabernakely sy ny barany sy ny andriny sy ny faladiany,
32 庭院四週的柱子、卯座、橛子和繩索,一切用具及服務所需的一切。你們應按名一一指定他們應搬運的物件:
sy ny tsangantsangan’ ny kianja manodidina sy ny faladiany sy ny tsimany rehetra ary ny kofehy momba ny fiasana rehetra sy ny zavatra rehetra enti-manao fanompoana ao; ary araka ny anarany avy no handaminanareo ny fanaka izay anjarany ho entina.
33 這是默辣黎人的家族,在司祭亞郎的兒子依塔瑪爾指揮下,對會幕應盡的各種職務。」
Izany no ho fanompoan’ ny fokon’ ny taranak’ i Merary, araka ny fanompoany rehetra ao amin’ ny trano-lay fihaonana, ary Itamara, zanak’ i Arona mpisorona, no ho mpifehy azy.
34 梅瑟和亞郎及會眾的首領,依照宗族和家系統計了刻哈特的子孫,
Ary Mosesy sy Arona ary ny lohan’ ny fiangonana nandamina ny taranaky ny Kehatita, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy,
hatramin’ ny telo-polo taona ka hatramin’ ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra tamin’ ny antokony hanao fanompoana ao amin’ ny trano-lay fihaonana.
Ary izay nalamina taminy, araka ny fokony, dia dimam-polo amby fiton-jato sy roa arivo.
37 這是刻哈特人的家族,所有在會幕內服務登記的人數,是梅瑟和亞郎依照上主給梅瑟的命令所統計的。
Ireo no nalamina tamin’ ny fokon’ ny Kehatita, dia izay rehetra manao fanompoana ao amin’ ny trano-lay fihaonana, izay nalamin’ i Mosesy sy Arona araka ny didin’ i Jehovah nampitondrainy an’ i Mosesy.
Ary izay nalamina tamin’ ny taranak’ i Gersona, araka ny fokony sy ny fianakaviany,
hatramin’ ny telo-polo taona ka hatramin’ ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra amin’ ny antokony hanao fanompoana ao amin’ ny trano-lay fihaonana
izay nalamina taminy, araka ny fokony sy ny fianakaviany, dia telo-polo amby enin-jato sy roa arivo.
41 這是革爾雄子孫的家族所有在會幕內服務的登記人數,是梅瑟和亞郎依上主的命令所統計的。
Ireo no nalamina tamin’ ny fokon’ ny taranak’ i Gersona, izay rehetra manao fanompoana ao amin’ ny trano-lay fihaonana, dia izay nalamin’ i Mosesy sy Arona araka ny didin’ i Jehovah.
Ary izay nalamina tamin’ ny fokon’ ny taranak’ i Merary, araka ny fokony sy ny fianakaviany
hatramin’ ny telo-polo taona ka hatramin’ ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra tamin’ ny antokony, hanao fanompoana ao amin’ ny trano-lay fihaonana,
izay nalamina taminy, araka ny fokony, dia roan-jato sy telo arivo;
45 這是默辣黎子孫家族登記的人數,是梅瑟和亞郎依照上主給梅瑟的命令所統計的。
ireo no nalamina tamin’ ny fokon’ ny taranak’ i Merary, izay nalamin’ i Mosesy sy Arona araka ny didin’ i Jehovah izay nampitondrainy an’ i Mosesy.
46 梅瑟和亞郎並以色列的首領,依照宗族和家系,統計的肋未人的總數,
Ny tontalin’ ny taranak’ i Levy izay nalamin’ i Mosesy sy Arona mbamin’ ny lohan’ ny Isiraely, araka ny fokony sy ny fianakaviany
47 由三十歲以上到五十歲,凡應入伍到會幕服務管理搬運的,
hatramin’ ny telo-polo taona ka hatramin’ ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra hanao raharaha amin’ ny fanompoana sy ny fitondrana entana ao amin’ ny trano-lay fihaonana,
izay nalamina taminy dia valo-polo amby diman-jato sy valo arivo.
49 依照上主藉梅瑟所發的命令,給他們每人指定了各人應盡的職務和應搬運的工作;依照上主對梅瑟所吩咐的,他們都這樣登記了。
Araka ny didin’ i Jehovah izay nampitondrainy an’ i Mosesy no nandaminany azy samy ho amin’ ny fanompoany avy sy ny anjara-entany avy ary ny zavatra nalamina araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.