< 民數記 18 >

1 上主對亞郎說:「你和你的兒子,連你的家族,應與你共同對聖所負責;你和你的兒子,應對司祭職負責。
Ary hoy Jehovah tamin’ i Arona: Hianao sy ny zanakao ary ny tarana-drainao no hitondra ny heloky ny fitoerana masìna; ary ianao sy ny zanakao koa no hitondra ny heloky ny fisoronanareo.
2 你也要令你家族的眾兄弟,──肋未支派,與你一同前來;他們應協助你,服事你;當你和你的兒子在約幕前供職時,
Ary ny rahalahinao avy amin’ ny firenen’ i Levy izay firenen’ ny razanao koa dia ento miaraka aminao, mba hikambana aminao izy ka hanompo anao; fa ianao sy ny zanakao ho eo anoloan’ ny trano-lain’ ny Vavolombelona.
3 他們應照料你和全帳幕的事務,但不應接近聖所的器皿和祭壇,不然他們該死,連你也該死。
Dia hitandrina ny anjara-raharahanao sy ny anjara-raharaha rehetra momba ny trano-lay izy; kanefa ny fanaky ny fitoerana masìna sy ny alitara dia tsy mba hakekeny, fandrao maty ireo sy ny tenanareo koa.
4 他們協助你照料會幕的事務,作會幕的各種勞役,俗人不可接近。
Dia hikambana aminao izy ka hitandrina ny anjara-raharaha momba ny trano-lay fihaonana, dia ny fanompoana rehetra momba ny trano-lay; ary tsy hisy olon-kafa hanakaiky anareo.
5 你們應照料聖所和祭壇的事務,免得義怒降在以色列子民身上。
Dia hotandremanareo ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masìna sy ny anjara-raharaha momba ny alitara, mba tsy hisy fahatezerana hahazo ny Zanak’ Isiraely intsony.
6 是我由以色列子民中,選拔了你們的兄弟肋未人,交給你們當作獻於上主的人,為給會幕服務。
Ary, indro, Izaho efa naka ny Levita rahalahinareo avy tamin’ ny Zanak’ Isiraely; omena anareo izy ho fanomezana ho an’ i Jehovah mba hanao ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana.
7 至於你和你的兒子,在有關祭壇和帷幔以內的一切事上,應留人盡你們司祭的職務;你們應獻身於我賜予你們的司祭o月2。俗人若敢近前,必處死刑」。
Fa ianao sy ny zanakao kosa no hitandrina ny fisoronanareo ka hanompo ny amin’ ny zavatra rehetra momba ny alitara sy ny ao anatin’ ny efitra lamba, dia fanompoana omeko anareo ny fisoronana; ary ny olon-kafa izay manakaiky dia hatao maty.
8 上主又對亞郎說:「看,我託你照管獻於我的獻儀,即凡以色列子民祝聖於我的,我都賜給你和你的子孫,作為應得之物,這是永久的權利。
Ary Jehovah niteny tamin’ i Arona hoe: Indro, Izaho efa nampitandrina anao ny fanatitra ho Ahy, dia ny zava-masìna rehetra aterin’ ny Zanak’ Isiraely; efa nomeko ho anjaranao sy ny taranakao izany, ho anjara mandrakizay.
9 火祭中所餘剩的至聖之物都屬於你;凡他們獻於我的素祭,或贖罪祭,或贖過祭的祭品,都是至聖之物,都應屬於你和你的兒子。
Izao no ho anao amin’ ny zavatra masìna indrindra, avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo; ny fanatiny rehetra sy ny fanatiny noho ny ota rehetra ary ny fanati-panonerany rehetra, izay hanonerany ho Ahy; ho masìna indrindra ho anao sy ny taranakao izany.
10 你們應在至聖之處分食,凡是男子都可以吃;你應視為聖物。
Toy ny fihinananao ny zavatra masìna indrindra no hihinananao azy; ny lehilahy rehetra no mahazo mihinana azy: masìna ho anao izany.
11 此外歸於你的尚有:凡以色列子民行搖禮所獻的祭品,我都賜給你,你的兒子和與你尚在一起的兒女:這是永久的權利;凡你家內潔淨的人都可以吃。
Ary izao koa no ho anao: ny zavatra omeny ho fanatitra, dia ny fanatitra ahevaheva rehetra aterin’ ny Zanak’ Isiraely; efa nomeko ho anao sy ny zanakao-lahy ary ny zanakao-vavy koa izany ho anjara mandrakizay; izay rehetra madio amin’ ny ankohonanao no mahazo mihinana izany.
12 凡是最好的油、酒和五榖,作初熟之物獻給上主的,我都賜給你。
Izay rehetra tsara indrindra amin’ ny diloilo sy ny ranom-boaloboka ary ny vary, dia ny voaloham-bokatra aminy, izay ateriny ho an’ i Jehovah, dia efa nomeko anao.
13 凡他們地中的一切出產,作初熟之物獻給上主的,都屬於你;凡你家內潔淨的人都可以吃。
Ny voaloham-bokatra rehetra eo amin’ ny taniny, izay hateriny ho an’ i Jehovah, dia ho anao; izay rehetra madio amin’ ny ankohonanao no mahazo mihinana azy.
14 凡以色列中照禁物法所獻之物,都屬於你。
Ny zavatra rehetra voatokana amin’ ny Isiraely dia ho anao.
15 凡動物中應獻於上主的開胎的首生者,不論是人是獸,都屬於你;但你應叫人贖回首生的人,和首生的不潔之獸。
Ny voalohan-teraka rehetra, izay ateriny ho an’ i Jehovah, na olona, na biby, dia ho anao avokoa; kanefa tsy maintsy havotanao ny voalohan-teraky ny biby maloto dia havotanao koa.
16 關於贖價,為一月以上的,你應叫戈依所規定的估價,照聖所的衡量,交五「協刻耳」的銀子。 (每一「協刻耳」為二十「革辣」。)
Ary ny amin’ ny fanavotana azy, dia izay efa iray volana no havotanao, araka izay ataonao tombany, dia sekely dimy, araka ny sekely masìna (gera roa-polo izany).
17 但是牛或綿羊或山羊的首生者,卻不可令人贖回,因為是聖的;你應將牠們的血灑在祭壇上,將脂肪焚化成煙,作為悅樂上主馨香的火祭。
Fa ny voalohan-teraky ny omby, na ny voalohan-teraky ny ondry, na ny voalohan-teraky ny osy kosa tsy mba havotanao, fa masìna ireny; ny ràny dia hatopinao amin’ ny alitara, ary ny saborany hodoranao ho fofona, ho fanatitra atao amin’ ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.
18 至於牛羊的肉,卻歸於你,就如搖迥的胸脯和右腿歸於你一樣。
Dia ho anao ny henany, ho anao tahaka ny tratra ahevaheva sy tahaka ny soroka ankavanana.
19 凡是以色列子民奉獻與上主為聖的祭品,我都給你和你的兒子,以及同你尚在一起的女兒:這是永久的權利,這是在上主前,與你所訂立的永久不變的鹽約」。
Ny fanatitra rehetra izay alaina avy amin’ ny zava-masìna aterin’ ny Zanak’ Isiraely ho an’ i Jehovah dia efa nomeko anao sy ny zanakao-lahy ary ny zanakao-vavy ho anjara mandrakizay; dia fanekena mandrakizay asian-tsira eo anatrehan’ i Jehovah izany ho aminao sy ny taranakao koa.
20 上主對亞郎說:「在你們的土地中,石可有產業,在他們當中,也不得有屬於你們的份子,在以色列子民中,我是你的份子,你的產業。
Ary hoy Jehovah tamin’ i Arona: Tsy mba hanana lova eo amin’ ny tany ianao sady tsy mba hanana anjara eo aminy; Izaho no anjaranao sy lovanao eo amin’ ny Zanak’ Isiraely.
21 至於肋未的子孫,我將以以色列什一之物給他們做產業;這是為酬報他們在會幕內所服的勞役。
Ary, indro, ny taranak’ i Levy efa nomeko ny fahafolon-karena rehetra amin’ ny Isiraely ho fananany noho ny fanompoana izay ataony, dia ny fanompoana ny amin’ ny trano-lay fihaonana.
22 免得以色列子民接近會幕,負罪死亡;
Ary tsy mahazo manakaiky ny trano-lay fihaonana intsony ny Zanak’ Isiraely, fandrao meloka izy ka maty.
23 因此只有肋未人准在會幕內服役,應負全責。這為你們世世代代是一條永久的條例:肋未人在以色列子民中不應佔有產業;
Fa ny Levita ihany no hanao ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana, ary izy no hitondra ny helony; ho lalàna mandrakizay amin’ ny taranakareo hatramin’ ny taranaka fara mandimby izany, fa tsy hanan-tany ho lovany eo amin’ ny Zanak’ Isiraely izy.
24 因為我把以色列子民獻給上主的什一獻儀,給了肋未人作為產業;所以我對他們說:他們在以色列子民中不應佔有產業」。
Fa ny fahafolon-karen’ ny Zanak’ Isiraely, izay ateriny ho fanatitra ho an’ i Jehovah, dia efa nomeko ho an’ ny taranak’ i Levy ho fananany; izany no nilazako taminy hoe: Tsy hanana lova eo amin’ ny Zanak’ Isiraely izy.
25 上主訓示梅瑟說:
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
26 「你不告訴肋未人說:幾時你們由以色列子民中,取得了我賜予你們作為產業的什一之物,你們應由這什一之物中,取十分之一獻給上主,
Mitenena indray amin’ ny Levita hoe: Rehefa raisinareo amin’ ny zanak’ Isiraely ny fahafolon-karena, izay efa nomeko ho fanananareo avy aminy, dia hanalanareo ampahafolony kosa ho an’ i Jehovah izany.
27 這算是你們的獻儀;好似禾場上的新娘和榨房中的新酒。
Ary ny fanatitra alainareo dia hisaina ho anareo toy ny vary avy eo am-pamoloana sy ny divay avy eo amin’ ny famiazana.
28 你們也由以色列子民所收的一切什一之物中,取一份獻給上主作獻儀,應將這獻儀與上主的獻儀,交給亞郎大司祭。
Toy izany koa no hanateranareo fanatitra ho an’ i Jehovah avy amin’ ny fahafolon-karenareo rehetra, izay horaisinareo amin’ ny Zanak’ Isiraely; ary avy amin’ izany no hanateranareo ho an’ i Jehovah, dia ho an’ i Arona mpisorona.
29 由你們所得的一切獻儀中,應取出獻於上主的一切獻儀,且應取出最好的一份來,獻作應祝聖的一份。
Ary ny zavatra rehetra omena anareo no hanateranareo ny fanatitra rehetra izay alaina ho an’ i Jehovah, dia amin’ izay rehetra tsara indrindra avy aminy, dia izay zavatra masìna avy aminy.
30 你再對他們說:幾時你們奉獻了其中最好的一份,其餘的為你們肋未就如禾場上和榨房內的出品,
Dia lazao aminy hoe: Raha maka ny tsara indrindra avy aminy ianareo, dia hisaina ho an’ ny Levita toy ny vokatra avy eo am-pamoloana sy ny divay avy eo amin’ ny famiazana izany.
31 你們和你們的家人,可在任何地方分食,因為這是你們在會幕內服役所得的酬報。
Dia mahazo mihinana izany eo amin’ ny fitoerana rehetra ianareo sy ny ankohonanareo; fa karamanareo izany noho ny fanompoanareo ao amin’ ny trano-lay fihaonana.
32 如果你們奉獻了其中最好的一份,就不致於有罪;你們不應褻瀆以色列子民的祝聖之物,免遭死亡」。
Ary tsy hahazoanareo heloka ireny, raha maka ny tsara indrindra avy aminy ianareo; ary tsy holotoinareo ny zava-masìna aterin’ ny Zanak’ Isiraely, dia tsy ho faty ianareo.

< 民數記 18 >