< 民數記 1 >
1 以色列人出埃及國後第二年二月一日,上主在西乃曠野於會幕內訓示梅瑟說:「
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy tany an-efitr’ i Sinay, tao amin’ ny trano-lay fihaonana tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana faharoa, tamin’ ny taona faharoa taorian’ ny nivoahany avy tany amin’ ny tany Egypta, ka nanao hoe:
2 你們要依照以色列子民的宗教和家系,統計全會眾的人口,把男丁的姓名都一一登記。
Alao isa ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy, ary araka ny anarany tsirairay,
3 在以色列中,凡二十歲以上能上陣作戰的,你和亞郎要一隊一隊地統計。
dia ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika; handamina azy araka ny antokony avy ianao sy Arona.
4 每一支派有一人同你們合作,他們都是各宗族的族長。
Ary aoka hisy lehilahy iray avy isam-pirenena ho namanareo, dia izay samy lohan’ ny fianakaviany avy.
5 那協助你們的人名如下:勒烏本支派,是舍德烏爾的兒子厄里族爾;
Ary izao no anaran’ ireo lehilahy ho namanareo ireo: Ny avy amin’ i Robena dia Elizora, zanak’ i Sedeora;
ny avy amin’ i Simeona dia Selomiela, zanak’ i Zorisaday;
ny avy amin’ i Joda dia Nasona, zanak’ i Aminadaba;
ny avy amin’ Isakara dia Netanela, zanak’ i Zoara;
ny avy amin’ i Zebolona dia Eliaba, zanak’ i Helona;
10 若瑟的兩個兒子:厄弗辣因支派,是阿米胡得的兒子厄里沙瑪;默納協支派,是培達族爾的兒子加默里耳;
ny avy amin’ ny zanak’ i Josefa dia Elisama, zanak’ i Amihoda, avy amin’ i Efraima, ary Gamaliela, zanak’ i Pedazora, avy amin’ i Manase kosa;
ny avy amin’ i Benjamina dia Abidana, zanak’ i Gideony;
ny avy amin’ i Dana dia Ahiezera, zanak’ i Amisaday;
ny avy amin’ i Asera dia Fagiela, zanak’ i Okrana;
ny avy amin’ i Gada dia Eliasafa, zanak’ i Doela;
ny avy amin’ i Naftaly dia Ahira, zanak’ i Enana.
16 這些人是由會眾中選出來的,都是他們宗族的領袖,以色列的千夫長。
Ireo no voafidin’ ny fiangonana, dia samy lohan’ ny fireneny avy sady mpifehy arivo amin’ ny Isiraely.
Ary Mosesy sy Arona naka ireo olona voatonona anarana ireo,
18 於二月一日召集了全會眾,人都依照宗族和家系登了記,由二十歲以上的都一一將姓名登了記。
dia namory ny fiangonana rehetra tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana faharoa; ary samy nampanoratra ny anarany avy izy araka ny firazanany, dia araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra.
19 上主怎樣吩咐了梅瑟,梅瑟就怎樣在西乃曠野統計了他們。
Araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy no nandaminany azy tany an-efitr’ Sinay.
20 以色列的長子勒烏本子孫的後裔,依照宗族和家系,二十歲以上,凡能上陣作戰的男子,都一一將姓名登了記;
Ary tamin’ ny taranak’ i Robena, lahimatoan’ Isiraely, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra izay azo nalefa hanafika,
izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Robena dia diman-jato amby enina arivo sy efatra alina.
22 西默盎子孫的後裔,依照宗族和家系,二十歲以上,凡能上陣作戰的男子,都一一將姓名登了記,
Ary tamin’ ny taranak’ i Simeona araka ny fokony sy ny fianakaviany, dia izay rehetra voalamina, araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, izay azo nalefa hanafika
izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Simeona dia telon-jato amby sivy arivo sy dimy alina.
24 加得子孫的後裔,依照宗族和家系,二十歲以上,凡能上陣作戰的,都將姓名登了記;
Ary tamin’ ny taranak’ i Gada araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Gada dia dimam-polo amby enin-jato sy dimy arivo sy efatra alina.
26 猶大子孫的後裔,依照宗族和家系,二十歲以上,凡能上陣作戰的,都將姓名登了記;
Ary tamin’ ny taranak’ i Joda araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Joda dia enin-jato amby efatra arivo sy fito alina.
28 依撒加爾子孫的後裔,依照宗族和家系,二十歲以上,凡能上陣作戰的,都將姓名登了記,
Ary tamin’ ny taranak’ Isakara araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ Isakara dia efa-jato amby efatra arivo sy dimy alina.
30 則步隆子孫的後裔,依照宗族和家系,二十歲以上,凡能上陣作戰的,都將姓名登了記;
Ary tamin’ ny taranak’ i Zebolona araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Zebolona dia efa-jato amby fito arivo sy dimy alina.
32 若瑟的子孫:厄弗辣因子孫的後裔,依照宗族和家系,二十歲以上,凡能上陣作戰的,都將姓名登了記;
Ary tamin’ ny taranak’ i Josefa: dia avy tamin’ ny taranak’ i Efraima araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Efraima dia diman-jato amby efatra alina;
34 默納協子孫的後裔,依照宗族和家系,二十歲以上,凡能上陣作戰的,都將姓名登了記;
ary tamin’ ny taranak’ i Manase araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Manase dia roan-jato amby roa arivo sy telo alina.
36 本雅明子孫的後裔,依照宗族和家系,二十歲以上,凡能上陣作戰的,都將姓名登了記;
Ary tamin’ ny taranak’ i Benjamina araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Benjamina dia efa-jato amby dimy arivo sy telo alina.
38 丹子孫的後裔,依照宗族和家系,二十歲以上,凡能上陣作戰的,都將姓名登了記;
Ary tamin’ ny taranak’ i Dana araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Dana dia fiton-jato amby roa arivo sy enina alina.
40 阿協爾子孫的後裔,依照宗族和家系,二十歲以上,凡能上陣作戰的,都將姓名登了記;
Ary tamin’ ny taranak’ i Asera araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika
izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Asera dia diman-jato amby arivo sy efatra alina.
42 納斐塔里子孫的後裔,依照宗族和家系,二十歲以上,凡能上陣作戰的,都將姓名登了記;
Ary tamin’ ny taranak’ i Naftaly araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Asera dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.
44 以上是梅瑟和亞郎並以色列的首領十二人──每宗族一人──所登記的人數。
Ireo no voalamin’ i Mosesy sy Arona ary ny roa ambin’ ny folo lahy lehibe amin’ ny Isiraely, izay samy lohan’ ny fianakaviany avy.
45 以色列中二十歲以上,凡能上陣作戰的以色列子民,全依照宗族和家系登了記。
Ary izay rehetra avy tamin’ ny Zanak’ Isiraely araka ny fianakaviany, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika avy amin’ ny Isiraely,
dia dimam-polo amby dimam-jato sy telo arivo sy enina hetsy.
47 但是肋末人沒有依照自己的宗派同他們一起登記,
Fa ny Levita, araka ny fireneny kosa dia tsy mba nalamina ho isan’ ireo.
Fa Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
49 只有肋未支派,不要登記,不要將他們列在以色列子民內。
Ny firenen’ ny Levita ihany no aza alamina, ary aza mba alaina isa miaraka amin’ ny Zanak’ Isiraely;
50 你應派肋未人管理會幕和其中一切器皿,並一切附屬物。他們要搬運會幕和其中一切器皿,在會幕中服務,住在會幕的四周。
fa tendreo izy hitandrina ny tabernakelin’ ny Vavolombelona sy ny fanaka rehetra ary ny zavatra rehetra izay momba azy; fa izy no hitondra ny tabernakely sy ny zavatra rehetra momba azy sady hanao fanompoam-pivavahana ao; ary manodidina ny tabernakely no hitobiany.
51 會幕要遷移時,肋未人拆卸;會幕要搭紮時,肋未人張搭;若俗人走近,應處死刑。
Ary raha hafindra ny tabernakely, dia ny Levita no hangorona azy; ary raha haorina ny tabernakely, dia ny Levita no hanangana azy; fa raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.
Dia hitoby ny Zanak’ Isiraely, samy eo amin’ ny tobiny avy, ary samy eo amin’ ny fanevany ary, araka ny antokony.
53 但肋未人應在會幕四周紮營,免得以色列子民會眾觸犯天怒;肋未人應負責看守會幕。」
Fa ny Levita kosa hitoby manodidina ny tabernakelin’ ny Vavolombelona, mba tsy hisy fahatezerana hahatratra ny fiangonan’ ny Zanak’ Isiraely; ary ny Levita hitandrina ny anjara raharaha momba ny tabernakelin’ ny Vavolombelona.
54 以色列子民都照辦了;上主怎樣吩咐了梅瑟,他們就怎樣辦了。
Dia nataon’ ny Zanak’ Isiraely izany; araka izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy no nataony.