< 利未記 2 >

1 若有人願意給上主奉獻素祭為祭品,他的祭品應用細麵,倒上油,放上乳香,
Ary raha misy manatitra fanatitra hohanina ho an’ i Jehovah, dia koba tsara toto no hataony fanatiny; ary hanidina diloilo aminy izy sy hanisy ditin-kazo mani-pofona eo amboniny.
2 拿來交給亞郎的兒子司祭們;司祭取出一把細麵和一些油,同所有的乳香,放在祭壇上焚燒,作為全燔祭,作為中悅上主的馨香火祭,為獲得記念。
Ary hitondra azy ho amin’ ireo mpisorona, zanak’ i Arona, izy, dia handraofan’ ireo eran-tànan-ila ny kobany sy ny diloilony mbamin’ ny ditin-kazo manipofona rehetra; ary hodoran’ ny mpisorona ho fofona eo ambonin’ ny alitara izany fanati-pahatsiarovana avy aminy izany; dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah izany.
3 剩下的素祭祭品,應歸亞郎和他的兒子們,因為是獻與上主火祭中的至聖之物。
Ary ny sisa amin’ ny fanatitra hohanina dia ho an’ i Arona sy ny zanany; ho masìna dia masìna avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah izany.
4 如果你願意奉獻爐烤的祭品作素祭,應以油調的細麵作成的無酵餅,或抹油的無酵薄餅。
Ary raha manatitra fanatitra hohanina voaendy amin’ ny fanendasa-mofo ianao, dia aoka ho mofo tsy misy masirasira atao amin’ ny koba tsara toto sady voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo.
5 若你的祭品是用烤盤做的素祭,該用油調的無酵細麵作成,
Ary raha fanatitra hohanina voaendy amin’ ny lapoely no fanatitrao, dia aoka ho koba tsara toto voaharo diloilo sady tsy misy masirasira.
6 擘成塊,倒上油:這是素祭。
Hovakivakinao izy ary hanidinanao diloilo; dia fanatitra hohanina izany.
7 若你的祭品是用鍋煎的素祭,該用細麵和油製成。
Ary raha fanatitra hohanina voahandro amin’ ny vilany no fanatitrao, dia koba tsara toto asian-diloilo no hatao.
8 當你把品這樣的素祭祭品獻給上主時,應交給司祭帶到祭壇前。
Ary ho entinao ho an’ i Jehovah ny fanatitra hohanina izay atao amin’ ireo zavatra ireo; ary rehefa voatitra eo amin’ ny mpisorona izany, dia ho entiny eo amin’ ny alitara.
9 司祭由素素祭祭品中取出一份,放在祭壇上焚燒,作為中悅上主的馨香火祭,為獲得記念。
Ary ny mpisorona haka ny fanati-pahatsiarovana avy amin’ ny fanatitra hohanina ka handoro azy ho fofona eo ambonin’ ny alitara; dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah izany.
10 剩下的素祭祭品,應歸亞郎和他的兒子們,因為是獻與上主火祭中的至聖之物。
Ary ny sisa amin’ ny fanatitra hohanina dia ho an’ i Arona sy ny zanany; ho masìna dia masìna avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah izany.
11 你們獻給上主的素祭,都應是無酵做的,因凡是有酵有蜜的,都不應焚燒作為獻給上主的火祭;
Ny fanatitra hohanina rehetra, izay aterinareo ho an’ i Jehovah, dia aza asiana zava-maharikivy; fa ny masirasira sy ny tantely dia samy tsy hangalanareo hodorana ho fofona ho fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah;
12 但可當作初熟祭品獻給上主,只是不可獻在祭壇上,當作悅意馨香的祭品。
fa ho fanatitra voaloham-bokatra ihany no hahazoanareo manatitra ireo ho an’ i Jehovah; kanefa tsy hakarina eo ambonin’ ny alitara ho hanitra ankasitrahana izany.
13 此外,凡你獻的素祭祭品都應加上鹽,總不可讓你的素祭,缺少與你的天主結約的鹽;在你的一切祭品上,都應加上鹽奉獻。
Ary samy asio sira ny fanatitra hohaninao rehetra; ary ny siran’ ny faneken’ Andriamanitrao dia aza atsahatra amin’ ny fanatitra hohaninao; fa manatera sira miaraka amin’ ny fanatitrao rehetra.
14 若你給上主奉獻初熟之物作素祭,應奉獻火培的新麥穗,或去殼的新穀粒,當作你初熟之物的素祭,
Ary raha manatitra fanatitra hohanina ho an’ i Jehovah avy amin’ ny voaloham-bokatra ianao, dia salohim-bary voaendy amin’ ny afo, dia lango avy amin’ ny salohy maitso, no haterinao ho fanatitra hohanina avy amin’ ny voaloham-bokatrao.
15 再倒上油,放上乳香:這是素祭。
Ary hasianao diloilo izy, sady hasianao ditin-kazo mani-pofona eo amboniny; dia fanatitra hohanina izany.
16 司祭取出一些麥粒和油並所有乳香來焚燒,作為獻給上主的火祭,為獲得記念。
Ary hodoran’ ny mpisorona ho fofona ny fanati-pahatsiarovana avy amin’ ny langony sy avy amin’ ny diloilony ary ny ditin-kazo mani-pofona rehetra; dia fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah izany.

< 利未記 2 >