< 約伯記 40 >

1 上主又接著問約伯說:
Ary Jehovah mbola namaly an’ i Joba nanao hoe:
2 好辯之士,豈能同全能者辯論﹖非難天主的,請答覆這一切!
Hiady amin’ ny Tsitoha va io mpanadidy Azy io? Aoka ny mananatra an’ Andriamanitra no hamaly!
3 約伯回答上主說:「
Ary Joba dia namaly an’ i Jehovah ka nanao hoe:
4 看,我這麼卑賤,我能回答什麼﹖只好用手掩口。
Indro, tsinontsinona, aho ka inona no azoko avaly Anao? Hitampim-bava aho izao.
5 我說過一次,再不敢重複;我再說一次:我不敢再說什麼! 」
Efa niteny indray mandeha aho, ka tsy hamaly intsony; Eny, indroa aza, fa tsy hanampy teny intsony aho.
6 上主由旋風中回答約伯說:
Dia namaly an’ i Joba teo amin’ ny tafio-drivotra Jehovah ka nanao hoe:
7 你要像勇士束好腰,我要問你,請指教我。
Misikìna tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka ampahafantaro Aho:
8 你豈能推翻我的評斷,歸罪於我,而自以為有理﹖
Hanaisotra ny rariny amiko va ianao? Hanameloka Ahy va ianao, mba hanamarina ny tenanao kosa?
9 你的手臂豈能同天主的相比﹖你的聲音,那能像雷鳴﹖
Manan-tsandry tahaka ny an’ Andriamanitra va ianao? Ary mahay mampikotrokotro-peo tahaka ny Azy va ianao?
10 請你以尊貴和高雅作你的點綴,以光華美麗作你的衣裳;
Miravaha fahalehibiazana sy tabiha ianao, ary mitafia famirapiratana sy voninahitra;
11 發洩你的烈怒,貶抑一切高傲的人;
Alefaso ny fahatezeranao mirehitra; Ary jereo ny avonavona rehetra, ka ampietreo.
12 視察一切傲慢的人,且加以制服,推翻惡人所處的地位;
Eny, jereo ny avonavona rehetra, ka aongàny; Ary apotrahy eo amin’ ny fitoerany ihany ny ratsy fanahy.
13 將他們一同埋在土中,把他們都關在黑暗中!
Asitriho ao amin’ ny vovoka avokoa izy rehetra; Sarony ao amin’ ny fiafenana ny tavany.
14 如果你能這樣作,我也要稱讚你,因為你的右手救護了你。
Fa Izaho kosa dia hidera anao, Satria mahavonjy anao ny tananao ankavanana.
15 且看河馬,牠同你都是我造成的,牠像牛一樣吃草。
He! jereo ange ny behemota, izay nataoko tahaka ny nanaovako anao ihany: Mihinana ahitra tahaka ny omby izy.
16 牠的精力全在腰部,牠的力量是在腹部的肌肉;
Indro, eo amin’ ny valahany ny heriny, ary eo amin’ ny ozatra amin’ ny kibony ny tanjany.
17 牠挺起尾巴好像香柏,大腿上的筋聯結在一起;
Henjaniny ny rambony ho tahaka ny hazo sedera; Mifaniditriditra ny ozatra amin’ ny feny
18 牠的脊骨好似銅管,牠的骨骸有如鐵杠。
Ny taolany dia tahaka ny fantsom-barahina, eny, tahaka ny anja-by ny taolany.
19 牠是天主的傑作,造牠者賜給了牠利刃。
Voalohany amin’ ny asan’ Andriamanitra izy; Ny Mpanao azy no nanome sabatra azy.
20 群山供給牠食物,百獸在那裏同牠遊戲。
Mamoaka hanina ho azy ny tendrombohitra, izay ilalaovan’ ny bibi-dia rehetra;
21 牠臥在蓮葉之下,躺在蘆葦和沼澤深處;
Eo ambanin’ ny hazo lota no andriany, any am-pierena anaty zozoro sy fotaka.
22 蓮葉的蔭影遮蔽著牠,溪邊的楊柳掩護著牠。
Manalokaloka azy ny hazo lota; Ary ny hazomalahelo eny amoron’ ny ony no manodidina azy
23 河水漲溢之時,牠毫不戰慄;約但河漲到牠口邊,牠仍安寧。
Indro, na dia maria aza ny ony, tsy manahy izy; Matoky izy, na dia misy Jordana migorodana amin’ ny vavany aza.
24 誰能在牠目前捕捉牠,或以木橛穿透牠的鼻孔﹖
Moa misy mahasambotra azy va, raha mihiratra ny masony? Raha azon’ ny fandrika izy, misy mahatsindrona ny orony va?

< 約伯記 40 >