< 約伯記 37 >

1 為此我心戰慄,跳離它的原位。
Eny, izany no mampitepotepo ny foko ka mampiemponempona azy hiala amin’ ny fitoerany.
2 你們且細聽天主的怒吼聲,聽那從他口中發出的巨響。
Mihainoa dia mihainoa ny fikotrokotroky ny feony sy ny rohona izay mivoaka avy amin’ ny vavany.
3 他令閃電炫耀天下,使之照射地極;
Mandefa izany ho eny ambanin’ ny lanitra rehetra Izy, ary ny helatra hatramin’ ny faran’ ny tany.
4 接著是雷聲隆隆,那是天主威嚴之聲;他的巨聲一響,沒有什麼能夠阻止。
Manarakaraka izany, dia misy feo mirohondrohona; Mampikotrokotroka ny feon’ ny fahalehibiazany Izy, ka rehefa re ny feony, dia tsy sakanany ny helatra.
5 天主每以巨響施行奇事,做出我們莫測的事。
Mahagaga ny fikotrokotrok’ Andriamanitra amin’ ny feony; Manao zava-dehibe tsy takatry ny saintsika Izy.
6 他命令雪說:「落在大地上! 」對暴雨說:「傾盆而降! 」
Fa ny oram-panala baikoiny hoe: Milatsaha eny ambonin’ ny tany ianao; Ary toy izany koa ny ranonorana mivatravatra, eny, dia ny ranonorany mivatravatra mafy.
7 人人都停止活動,為叫人知道,這是他的作為。
Mampiohona ny tanan’ ny olona rehetra Izy, mba samy hahalala izany ny olona rehetra izay nataony;
8 野獸逃回洞穴,臥於自己的窩中。
Ary miditra ao am-piereny koa ny bibidia ka mamitsaka ao an-davany.
9 暴風來自南極密宮,嚴寒出自極北之地。
Avy any atsimo ny tadio, ary entin’ ny rivotra avy any avaratra ny hatsiaka.
10 天主噓氣成冰,使大水凝成一片。
Ny fofonain’ Andriamanitra mahamisy ranomandry, ka voageja ny rano malalaka.
11 他使雲霧滿涵濕氣,使閃光穿過烏雲。
Ny rahona matevina tambesarany rano, ary ny rahon’ ny helatra dia ampieleziny;
12 雷電照他的指示旋轉,全照他的命令實行於地面,
Dia mihodinkodina araka ny fitarihany azy ireo hanatanteraka izay rehetra andidiany azy eny ambonin’ ny tany eran’ izao tontolo izao,
13 或為懲戒大地,或為施行恩惠。
Na alatsany ho famaizana raha tokony ho an’ ny taniny izany na ho famindram-po kosa.
14 約伯啊! 你且側耳細聽這事,立著沉思天主的奇事!
Mihainoa izany, ry Joba; Mijanona, ka mba diniho ny fahagagana ataon’ Andriamanitra.
15 你豈能知道天主怎樣發命,怎樣使雲中電光閃爍﹖
Fantatrao va ny fanamboaran’ Andriamanitra ireny sy ny fampitselatselany ny helatry ny rahony?
16 雲怎樣浮動,全知者的奇妙化工,你豈能明白﹖
Fantatrao va ny fihevahevan’ ny rahona matevina, dia ny fahagagana avon’ Ilay tanteraka amin’ ny fahalalana?
17 當南風吹起,大地鎮靜時,你的衣服豈不是發暖﹖
Hianao izay mahatsiaro ny fitafianao ho mafana, raha migaingaina ny andro azon’ ny rivotra avy any atsimo,
18 你豈能同他展開蒼天,使它堅固如鑄成的銅鏡﹖
Moa ianao niara-nanao taminy va, raha namelatra ny habakabaka Izy, izay mitoetra mafy toy ny zavatra manganohano natao an-idina?
19 我們昏愚,不能講話,請教訓我們怎樣答覆他。
Mba ampianaro anay ary izay holazainay aminy; Fa tsy hitanay izay halahatray noho ny aizina,
20 我說話時,能給他講述些什麼新事﹖世人說話後,豈算是告訴他一項新聞﹖
Holazaina aminy va, raha miteny aho? Moa misy olona maniry ho levona tokoa va?
21 人現今看不見陽光照耀天空,除非等到風過天晴。
Tsy hita ankehitriny ny mazava, Izay mamirapiratra any amin’ ny rahona: Nefa raha mandalo ny rivotra, dia mampisava azy ihany izany.
22 金光來自北方,天主的左右有威嚴可怕的異光。
Avy any avaratra no ihavian’ ny mazava mitarehim-bolamena; Ao amin’ Andriamanitra ny voninahitra mahatahotra.
23 全能者是我們不可接近的,他的能力和正義,高超絕倫;他公義正道,決不欺壓。
Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika; Izay lehibe amin’ ny hery sy ny fitsarana mbamin’ ny fahamarinana tanteraka dia tsy mba mampahory.
24 所以人應敬畏他;但那心中自以為聰慧的,他卻不眷顧。
Koa izany no atahoran’ ny olona Azy; Tsy mety mijery izay manao azy ho hendry Izy.

< 約伯記 37 >