< 約伯記 19 >
Dia namaly Joba ka nanao hoe:
Mandra-pahoviana no hampalahelovanareo ny fanahiko sy hanorotoroanareo ahy amin’ ny fiteny?
Efa im-polo izay no nanaratsianareo ahy; Tsy misoroka izay hampahory ahy ianareo.
Ary raha diso tokoa aho, dia izaho ihany no andrian’ ny fa hadisoako.
Raha mirehareha amiko kosa ianareo ka mampiaiky ahy ho nanao izay mahamenatra,
6 你們應當知道:是天主虐待了我,是他用自己的羅網圍困了我。
Dia aoka ho fantatrareo fa Andriamanitra no efa nampitanondrika ahy ka efa naningotra ahy tamin’ ny fandrika haratony.
7 我若高呼說:「殘暴,」但得不到答覆;我大聲呼冤,卻沒有正義。
Indro, miantso mafy aho hoe: Loza! nefa tsy misy mamaly ahy; Mitaraina aho, nefa tsy mahita rariny.
8 他攔住我的去路,使我不得過去,使黑暗籠罩著我的去路。
Ny lalako dia nofefeny, ka tsy afa-mandroso aho; ary nasiany maizina teo amin’ ny lalana alehako.
Ny voninahitro nalany tamiko, ary nesoriny ny satro-boninahitra teo an-dohako.
10 他四面打擊我,使我逝去;拔除我的希望,猶如拔樹。
Efa nandrava ahy manodidina Izy, ka efa ho faty aho; Ary efa nofongorany tahaka ny hazo ny fanantenako.
Dia nampirehetiny tamiko ny fahatezerany, ka nataony ho fahavalony aho.
12 他的軍隊一齊開來,修好道路攻擊我,圍著我的帳幕紮營。
Miara-mandroso ny antokon’ ny miaramilany ary manandratra tovon-tany hamelezany ahy izy ka mitoby manodidina ny laiko.
Ny rahalahiko efa nampanalaviriny ahy; Ary ny olona nahazatra ahy efa nihafahafa tamiko avokoa.
14 鄰人和相識者都不見了,寄居我家的人都忘了我。
Efa tsy misy eto intsony ny havako, ary ny sakaizako efa nanadino ahy.
Ny vahiny izay mitoetra ao an-tranoko sy ny ankizivaviko aza samy manao ahy ho olon-kafa; Tonga olon-ko azy eo imasony aho.
Antsoiko ny mpanompoko, nefa tsy namaly ahy izy; Mifona aminy amin’ ny vavako aho.
Ny fofonaiko mahaloiloy ny vadiko, ary maharikoriko ny zanak’ ineny aho.
Eny, ny ankizilahy madinika aza mamingavinga ahy; Raha te-hitsangana aho, dia miteny mamely ahy ireny.
19 我的知交密友都憎惡我,我所愛的人也對我變了臉。
Na dia izay nifankazatra tamiko indrindra aza dia manao ahy ho zava-betaveta, ary izay olon-tiako dia mivadika ho fahavaloko.
Ny taolako miraikitra amin’ ny hoditro sy ny nofoko, ary ny akanjo-nifiko ihany no hany sisa azoko enti-mandositra.
21 我的朋友,你們可憐可憐我罷! 因為天主的手打傷了我。
Mamindrà fo amiko, mamindrà fo amiko ianareo, ry sakaizako ô; fa ny tànan’ Andriamanitra efa mikasika ahy.
22 你們為何如同天主一樣逼迫我,吃了我的肉還不知足呢﹖
Nahoana no manenjika ahy tahaka an’ Andriamanitra koa ianareo ka tsy mety afa-po amin’ ny nofoko?
Enga anie ka ho voasoratra ny teniko! Enga anie ka ho voatomboka eo amin’ ny boky ireny!
Enga anie ka ho voasoratra amin’ ny vy fanoratana sady voasy firaka eo amin’ ny vatolampy ho mandrakizay izy!
25 我確實知道為我伸冤者還活著,我的辯護人要在地上起立。
Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any am-parany eo ambonin’ ny vovoka Izy.
Ary rehefa levona ny hoditro, izao simba izao, sady afaka amin’ ny nofoko aho, dia hahita an’ Andriamanitra;
27 要看見他站在我這一方,我親眼要看見他,並非外人;我的五內因熱望而耗盡。
Eny, izaho no hahita Azy, ary ny masoko no hijery, fa tsy olon-kafa. Efa matim-paniriana ny saiko ato anatiko.
28 如果你們說:「我們怎能難為他﹖怎能在他身上尋到這事的根由﹖」
Raha hoy ianareo: Andeha hanenjika azy fatratra isika. Fa hita ao anatiny ny fototry ny mahameloka azy.
29 你們應當害怕刀劍,因為報復罪惡者是刀劍;如此你們知道終有一個審判者。
Dia matahora ny sabatra ianareo; Fa ny fahatezerana dia heloka mendrika ny hovalian-tsabatra, mba ho fantatrareo fa misy fitsarana.