< 耶利米書 51 >
1 上主這樣說:「看,我必要興起毀滅的颶風,襲擊巴比倫和加色丁的居民,
Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hamporisihiko ny fanahin’ ny mpandringana hamely an’ i Babylona sy izay monina ao Leba-kamay.
2 給巴比倫派簸手來簸揚她,掃空她的國土,因為在禍患之日,人必四面向她進攻。」
Ary haniraka olona hafa firenena ho any Babylona Aho, izay hikororoka azy ka hahafoana ny taniny; Fa hamely azy manodidina amin’ ny andro fahoriana ireo.
3 弓手不要放下自己的弓箭,戰士不要卸下自己的鎧甲,不要憐恤她的青年,卻要殲滅她所有的部隊,
Izay manenjana tsipìka mbamin’ izay miandranandrana amin’ ny akanjo fiarovan-tenany, dia aoka samy hasian’ izay manenjana tsipìka; Aza tsitsinareo ny zatovony, aringano avokoa ny miaramilany rehetra,
Mba hiampatrampatra any amin’ ny tanin’ ny Kaldeana ny faty, ary izay voatrobaka dia hiampatrampatra any an-dalambeny.
5 因為他們的國土,充滿了反抗以色列聖者的罪惡;可是以色列和猶大並未成為寡婦,也未喪失自己的天主,萬軍的上主。
Fa Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely sy ny Joda, dia tsy hahafoy azy ho mpitondratena, na dia henika ny fahotany amin’ ny Iray Masin’ ny Isiraely aza ny taniny.
6 你們逃離巴比倫,各救自己的性命,不要因了她的罪過而自遭喪亡,因為現在是上主復仇的時候,上主要對她報復。
Mandosira hiala an’ i Babylona ianareo, ary samia mamonjy ny ainareo avy; Aoka tsy ho voaringana noho ny fahotany ianareo; Fa izao no andro famalian’ i Jehovah, Izy no hamaly azy.
7 巴比倫在上主手中,曾是個灌醉大地的金爵,萬民飲了她的酒,萬民纔如此狂亂。
Babylona dia kapoaka volamena teny an-tànan’ i Jehovah, Izay nahamamo ny tany rehetra; Ny divainy efa nisotroan’ ny firenena, koa izany no nahavery saina ireny.
8 霎時間,巴比倫傾覆瓦解,你們為她舉哀,拿香料來醫治她的創傷,也許她會痊癒。
Tampoka no naharavan’ i Babylona sy nahatorotoroany; Idradradradrao izy; Makà balsama hatao amin’ ny feriny maharary azy, fa angamba ho sitrana ihany izy.
9 我們本願治癒巴比倫,但是她卻不痊癒;我們放下她,各自回歸故鄉,因為她罪惡滔天,直達雲霄。
Nitady hanasitrana an’ i Babylona izahay, nefa tsy nety sitrana izy; Afoizo izy, ka andeha isika samy handeha ho any amin’ ny tanintsika avy; Fa mahatakatra ny lanitra ny helony ary mitehika amin’ ny rahona.
10 上主表彰了我們的正義,來,我們在熙雍稱揚上主我們的天主的偉業。
Nasehon’ i Jehovah ny fahamarinantsika; Andeha, ka aoka hotorintsika ao Ziona ny asan’ i Jehovah Andriamanitsika.
11 磨尖箭矢,裝滿箭囊! 上主已激起瑪待王的銳氣,因為他對巴比倫的計劃,是要將她消滅;是上主報復,為自己的殿宇復仇。
Lambolamboy ny zana-tsipìka, tano ny ampinga; Jehovah efa namporisika ny fanahin’ ny mpanjakan’ ny Mediana; Fa ny hamely an’ i Babylona no nosaininy, mba handringanana azy; Fa famalian’ i Jehovah izany, eny, famaliana noho ny tempoliny.
12 你們向巴比倫城牆樹立旗幟,加緊防衛,派駐防哨,預設埋伏,因為上主怎樣計劃了,就怎樣實踐他對巴比倫居民所下的斷語。
Manangàna faneva eo akaikin’ ny mandan’ i Babylona; Ataovy mafy ny fiambenana; Alatsaho ny mpiambina, alamino ny Otrika; Fa Jehovah sady efa nisaina no nahatanteraka izay nolazainy ny amin’ ny mponina any Babylona.
13 啊,你住在多水之旁,富有寶藏;現在到了你的結局,到了切斷你尺度的時刻。
Hianao izay monina eny amoron’ ny rano be sady be rakitra, tonga ny fiafaranao, ka tsy hisy intsony ny filanao harena.
14 萬軍的上主指著自己起誓說:「我必用像蝗蟲那麼多的人群填塞你,對你高唱凱歌。」
Jehovah, Tompon’ ny maro, nianiana tamin’ ny tenany hoe: Hofenoiko olona maro toy ny valala tokoa ianao, ary ireny dia hanakora hamely anao,
15 上主以自己的能力創造了大地,自己的智慧奠定了寰宇,以自己的才智展布了諸天。
Dia Ilay nanao ny tany tamin’ ny heriny sy nampiorina izao tontolo izao tamin’ ny fahendreny ary namelatra ny lanitra tamin’ ny fisainany.
16 他一聲號令使天上的水怒號,使雲彩地極上騰,使雷聲霹靂,造成豪雨,使暴風從他的倉庫出發。
Raha nampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy, dia nampiakatra zavona avy tany amin’ ny faran’ ny tany; Manao ny helatra ho an’ ny ranonorana Izy sady mamoaka ny rivotra avy amin’ ny firaketany.
17 人都要自覺愚昧無知;每個銀匠必因自己的刻像感到羞慚,因為所鑄的像,只是「虛無」,沒有息;
Efa ketrina avokoa ny olona rehetra ka tsy manam-pahalalana; Menarina ny mpanefy volamena rehetra noho ny amin’ ny sarin-javatra voasokitra; Fa fitaka ny sarin-javatra an-idina, satria tsy misy aina ao aminy.
18 是「虛幻」,是愚弄人的作品;懲罰時期一到,必要盡歸滅亡。
Zava-poana ireny, dia asa mahatsikaiky foana; Amin’ ny andro hamaliana azy dia ho levona izy.
19 那位作雅各伯產業的,與它們卻完全不同,因為他是萬物的造主,以色列是作他產業的支派;他的名字叫「萬軍的上主」。
Tsy mba tahaka ireo ny Anjaran’ i Jakoba, fa Mpamorona ny zavatra rehetra Izy; Ary ny Isiraely no firenena lovany; Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany.
20 巴比倫! 你曾是我的鎚子,作戰的武器;我曾用你粉碎萬民,用你毀滅邦國,
Langilangiko sy fiadiako ianao; Fa ianao no ho entiko manorotoro firenena, ary ianao no ho entiko mandringana fanjakana,
Ary ianao no ho entiko manorotoro soavaly sy ny mpitaingina azy, ary ianao no ho entiko manorotoro ny kalesy sy ny mpitaingina azy;
22 用你粉碎男子和婦女,用你粉碎老翁和幼童,用你粉少男和少女,
Hianao koa no ho entiko manorotoro ny lehilahy sy ny vehivavy, ary ianao no ho entiko manorotoro ny antitra sy ny tanora, ary ianao no ho entiko manorotoro ny zatovo sy ny virijina;
23 用你粉碎牧人和牲畜,用你粉碎農夫和耕牛,用你粉碎州牧和監督。
Hianao koa no ho entiko manorotoro ny mpiandry ondry sy ny ondry andiany, ary ianao no ho entiko manorotoro ny mpiasa tany sy ny ombiny roa mizioga, ary ianao no ho entiko manorotoro ny governora sy ny lefiny.
24 但是,如今我要在你們眼前,報復巴比倫和所有的加色丁居民,對熙雍作的一切惡事──上主的斷語──
Ary hampanodiaviko an’ i Babylona sy ny mponina rehetra any Kaldea ny ratsy rehetra izay efa nataony tao Ziona teo imasonareo, hoy Jehovah.
25 好事毀滅的山嶺! 看,我要攻擊你──上主的斷語──是你毀滅了整個大地,我要向你伸出我的手,使你從崖石上滾下,使你成為烈火焚毀的山嶺。
Indro mamely anao Aho, ry tendrombohitra ahitan-doza. Izay mandringana ny tany rehetra, hoy Jehovah; Ary hahinjitro ny tanako hamelezana anao, dia hakodiako hianjera amin’ ny harambato ianao ka hataoko tendrombohitra mirehitra.
26 人們不再從你那裏鑿取角石或基石,因為你將永遠為荒丘──上主的斷語。
Ary tsy mba hakana vato hatao fehizoro ianao, na hatao vato fanorenana; Fa ho lao mandrakizay ianao, hoy Jehovah.
27 你們在地上樹立旗幟,在萬民間吹起號角,祝聖萬民向她進攻,召集阿辣辣特和明尼及阿市革納次王國向她進攻,派遣一員大將向他進攻;衝鋒的馬隊,好像刺毛直豎的蚱蜢。
Manangana faneva eny amin’ ny tany; Mitsofa anjomara any amin’ ny firenena; Manendre firenena hamely azy; Antsoy ny fanjakan’ i Ararata sy Miny ary Askenaza hamely azy; Asio mpifehy hamely azy; Mampiakara soavaly toy ny valala volovoloina.
28 祝聖萬民:瑪待的君王和他的州牧,他所有的監督以及他整個版圖的民眾,向她進攻。
Manendre firenena sy ireo mpanjakan’ ny Mediana hamely azy, ny governora sy ny lefiny rehetra ary ny tany rehetra anjakany.
29 大地戰慄惶悚,因為上主正在進行攻巴比倫的計劃,使巴比倫地成為無人居住的荒野。
Mihorohoro sy mangovitra ny tany; Fa tanterahina amin’ i Babylona ny fikasan’ i Jehovah rehetra, mba hahatonga ny tany Babylona ho lao tsy misy mponina.
30 巴比倫的兵士放棄作戰,留在堡壘中,失去了勇氣,有如婦人;她的房屋已為火焚毀,她的門閂已被折斷。
Nitsahatra tamin’ ny ady ny lehilahy maherin’ i Babylona, nitoetra tao amin’ ny batery fiarovana izy, lany ny heriny; Tonga toy ny vehivavy izy; Nodorana ny fonenany, tapaka ny hidiny.
31 跑差的,傳信的,都相繼跑去通報巴比倫王,京城四周已被佔領,
Mifamoivoy be ihany ny iraka mpihazakazaka, ary mifamoivoy be ihany ny mpitondra teny, mba hanambara amin’ ny mpanjakan’ i Babylona Fa afaka ny tanànany manontolo.
Ary efa azo ny fitàna, ary nodorany tamin’ ny afo ny heniheny, sady toran-kovitra ny miaramila.
33 因為萬軍的上主,以色列的天主這樣說:「巴比倫女郎有如到了該踐踏的禾場;還有片刻就到收割她的時期。
Fa izao no lazain i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Babylona zanakavavy dia tahaka ny famoloana amin’ ny andro anosena azy; Ary raha mbola tsy toy inona dia ho avy ny andro hijinjana azy.
34 巴比倫王拿步高把我吞食毀滅,使我變成了空器皿;他彷復一條龍,併吞了我,以我的美味滿足了自己的肚腹,然後將我驅逐。
Efa lanin’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, izahay; Naringany izahay; Napetrany toy ny vata tsy misy entana izahay; Nateliny toy ny fitelin’ ny mamba izahay; Nivokisan’ ny kibony ny zava-piko, ka dia nandroaka ahy izy.
35 熙雍的居民說:「要對巴比倫報復我身受的凌辱! 」耶路撒冷說:「要對加色丁居民報復我的血債! 」
Aoka ny mponina ao Ziona hanao hoe: Hanody an’ i Babylona anie ny loza nanjo ahy sy ny nofoko! Ary aoka Jerosalema hanao hoe: Hanody ny mponina any Kaldea anie ny rako!
36 為此,上主這樣說:「看,我必為你辯護,報復你的冤仇,乾涸她的河川,枯竭她的泉源。
Koa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hisolo vava anao amin’ ny adinao Aho sady hanao famaliana ho anao, ary horitiko ny ranomasiny, sy hataoko tankina ny loharanony.
37 巴比倫必成為一堆瓦礫,豺狼的巢穴;令人恐怖嘲笑,無人居住。
Ary Babylona ho tonga korontam-bato, ho fonenan’ ny amboadia, ho figagana sy ho zavatra mampisitrisitra, ka tsy hisy mponina.
38 巴比倫人像壯獅一樣,一起怒號,像母獅的幼雛一樣,一起咆哮。
Hiara-mierona toy ny liona tanora izy; Hikaonkaona toy ny zana-diona izy.
39 在他們激昂時,我必給他們擺設盛宴,使他們酣醉昏迷,長眠不醒──上主的斷語──
Raha mbola liana izy, dia hanaovako fanasana ho azy, ka hataoko mamo izy mba hiravoravo, dia hatory amin’ ny torimaso mandrakizay izy ka tsy hifoha intsony, hoy Jehovah.
Hampidiniko ho any amin’ ny famonoana toy ny zanak’ ondry izy, sy toy ny ondrilahy mbamin’ ny osilahy.
41 怎麼,沙客竟陷落了,全地的光榮竟遭受了劫掠﹖怎麼,連巴比倫在萬民中也變得如此悽涼﹖
Endrey! afaka Sesaka! Ary azo ilay fidèran’ ny tany rehetra, Endrey! tonga figagana any amin’ ny firenena Babylona.
Ny ranomasina nanafotra an’ i Babylona; Voasaron’ ny habetsahan’ ny onjany izy.
43 她的城市盡化為野,乾旱淒涼之地,再沒有人居住,再沒有過客。
Ny tanànany dia lao sy karankaina ary tani-hay, dia tany tsy onenan’ olona sady tsy misy zanak’ olombelona mamaky eo.
44 我必懲罰巴比倫的貝耳,由他口裏奪出他所吞滅的,萬民必不再向他湧來,因為巴比倫的城牆已倒塌。
Ary Bela dia hampijaliko any Babylona, ka hasaiko haloany izay nateliny; Ary ny firenena tsy hitanjozotra hankany aminy intsony; Ny mandan’ i Babylona dia hirodana.
45 我的人民! 你們從她那裏出來,各救自己的性命脫免上主忿怒的烈火。
Mivoaha avy ao afovoany ianareo, ry oloko, ary samia mamonjy ny ainareo avy ianareo, mba tsy ho azon’ ny firehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah.
46 你們不要膽怯,不要害怕地方上流傳的謠言;因為今年傳來這謠言,明年又另有謠言;地方上常有暴亂,暴君互相傾軋。
Ary fandrao ketraka ny fonareo, ka matahotra ianareo noho ny tsaho miely amin’ ny tany; Fa amin’ ny iray taona dia hisy tsaho, ary amin’ ny taona manaraka indray dia mbola hisy tsaho ihany koa sy loza amin’ ny tany, dia mpanapaka mamely mpanapaka.
47 看,時日將到,我必懲罰巴比倫的偶像;使她全國飽受恥辱,國內死傷遍地。
koa, indro, avy ny andro hamaliako ny sarin-javatr’ i Babylona; Ho menatra ny taniny rehetra; Ary ny fatiny rehetra dia hiampatrampatra eo aminy.
48 上天下地和其中所有的一切,必對巴比倫吶喊歡呼,因為從北方必有破壞者來向她進襲──上主的斷語──
Ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy dia hihoby noho ny amin’ i Babylona, satria tonga ao aminy avy any avaratra ireo mpandringana, hoy Jehovah.
49 為了以色列被剌殺的人,巴比倫也該傾覆,就如全地被刺殺的人,曾為了巴比倫而倒斃。
Toy ny nampiampatramparan’ i Babylona ny faty tamin’ ny Isiraely, dia ho toy izany no hiampatramparan’ ny faty amin’ ny tany rehetra noho ny amin’ i Babylona.
50 你們逃脫了刀劍的人! 快走,不要停留;從遠方懷念上主,思戀耶路撒冷。
Hianareo izay tsy voan’ ny sabatra, mialà, fa aza mijanona; Tsarovy Jehovah, raha mbola lavitra ianareo. Ary aoka ho mby an-tsainareo Jerosalema.
51 我們聽到了侮辱,感到恥辱,滿面羞慚,因為外方人闖進了上主殿宇的聖所。
Menatra izahay, fa efa nandre latsa; Manarona ny atrehinay ny henatra; Fa ny hafa firenena no niditra teo amin’ ny fitoerana masìna amin’ ny tranon’ i Jehovah.
52 為此,看,時日將到──上主斷語──我必懲罰她的偶像,使她國內的人都負傷呻吟;
Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hamaliako ny sarin-javatra voasokitra ao koa; Ary hitoloko eran’ ny taniny rehetra ny voatrobaka.
53 即使巴比倫爬上諸天,即使她盤據高處不可侵犯,我仍要派破壞者來自她進襲──上主的斷語。
Na dia miakatra any an-danitra aza Babylona, ary na dia ataony mafy aza ny fitoerana avo izay heriny, dia avy amiko no hihavian’ ny mpandringana azy, hoy Jehovah;
54 聽從巴比倫發出的喧嚷,從加色丁人地發生的絕大破壞!
Injany! misy feo mitaraina avy any Babylona sy fandringanana be avy any amin’ ny tanin’ ny Kaldeana!
55 是上主在毀滅巴比倫,消弭其中嘈雜的聲音;敵人洶湧而來,有如汪洋怒濤,揚聲吶喊。
Fa Jehovah no mandrava an’ i Babylona sy mampitsahatra ny fihorakorahana eo aminy, ary hirohondrohona toy ny rano be ny onjany, eny, re tokoa ny feon’ ny firohondrohony.
56 果然,破壞者已來到巴比倫,她的勇士都已被擒,她的弓弩盡被折斷,因為上主是報復的天主,他必嚴厲加以報復。
Fa tonga ao aminy, dia ao Babylona, ny mpandringana, ary voasambotra ny lehilahy maheriny; Tapatapaka avokoa ny tsipìkany Satria Jehovah dia Andriamanitry ny famaliana ka hamaly tokoa.
57 我必使她的諸侯和謀士,州牧和監督以及勇士飲醉,長眠不醒──名為萬軍上主君王的斷語。
Ary hataoko mamo ny mpanapaka azy sy ny olon-kendriny, ny governorany sy ny lefiny ary ny olo-maheriny; Ary hatory amin’ ny torimaso mandrakizay izy ka tsy hifoha intsony, hoy ny Mpanjaka, Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany.
58 萬軍的上主這樣說:「巴比倫廣闊的城牆要被夷為平地,她高大的城門要被火焚盡:這樣百姓只有白白徒勞,萬民的辛苦,也只有付之一炬。」
Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Ny manda malalaka any Babylona dia horavana tokoa hatramin’ ny fanorenany, ary ny vavahadiny avo hodorana amin’ ny afo. Ka dia ho nisasatra foana ny firenena, ary ny olona ho nisasatra ho an’ ny afo ka ho reraka.
59 以下是瑪赫色雅的孫子,乃黎雅的兒子色辣雅同猶大王漆德克雅,在他為王第四年,同往巴比倫去時,耶肋米亞先知對他吩咐的話,那時辣雅身為行營總督。
Ny teny izay nandidian’ i Jeremia mpaminany an’ i Seraia, zanak’ i Neria, zanak’ i Mahaseia, fony izy nandeha niaraka tamin’ i Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, ho any Babylona tamin’ ny taona fahefatra nanjakany. Fa Seraia no lehiben’ ny mpanorin-dasy.
60 耶肋米亞在一本書上記錄了要降在巴比倫的一切災禍,所記錄的全是於巴比倫的事。
Ary nosoratan’ i Jeremia teo amin’ ny boky iray ny loza rehetra izay hanjo an’ i Babylona, dia ireo teny rehetra ireo, izay voasoratra ny amin’ i Babylona.
61 耶肋米亞對色辣雅說:「你一到了巴比倫,就應設法宣讀這一切話,
Ary hoy Jeremia tamin’ i Seraia: Rehefa tonga any Babylona ianao, dia tandremo tsara mba hovakinao ireo teny rehetra ireo,
62 然後說:上主,關於這地你親自說過,要將它消滅,使這地無人居住,成為人和走獸絕跡的荒野。
ka manaova hoe: Jehovah ô, Hianao no niteny hamely ity tany ity handringana azy, ka tsy hisy hitoetra eto, na olona na biby, fa ho tany lao mandrakizay izy.
63 你朗誦完了這本書以後,在書上繫上一塊石頭,把書拋在幼發拉的河中,
Ary rehefa tapitra ny famakianao ity boky ity, dia asio vato afehy aminy, ary atsipazo ao Eofrata izy.
64 然後說:巴比倫也要如此沉沒,再也不能由我給她招來的災禍中復興。」耶肋米亞的話至此為止。
ka ataovy hoe: Toy izao no hilentehan’ i Babylona ka tsy hifongarany intsony noho ny loza hataoko mihatra aminy, ka dia ho reraka izy. Hatreto no tenin’ i Jeremia.