< 耶利米書 47 >
1 在法郎尚未進攻迦薩以前,關於培肋舍特,上主有話傳給耶肋米亞先知說:
Ny tenin’ i Jehovah izay tonga tamin’ i Jeremia mpaminany ny amin’ ny Filistina, fony Farao tsy mbola namely an’ i Gaza.
2 上主這樣說:「看,有水從北方湧來,形成一條氾濫的河流,淹沒大地和地上的一切,首都和其中的居民;人們必要喊叫,大地所有的居民必要哀號。
Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, misy rano mizotra avy any avaratra ka ho tonga ony maria manafotra ny tany mbamin’ izay rehetra ao aminy, dia ny tanàna mbamin’ izay monina ao aminy; Ka dia hitaraina ny olona, ary hidradradradra ny mponina rehetra amin’ ny tany.
3 一聽到他駿馬的鐵蹄聲,轔轔的戰車聲,和隆隆的飛輪聲,為父親的已束手無策,不能再顧及自己的兒子,
Noho ny fikatrokatroky ny kitron’ ny soavaliny matanjaka sy ny fikorodondrodon’ ny kalesiny ary ny fikotrototroky ny kodiany ny ray dia tsy miherika ny zanany, fa efa miraviravy tanana,
4 因為消滅一切培肋舍特人,和摧毀提洛及漆冬一切殘餘助手的日子來到了,上主要消滅培肋舍特人,加非托爾島的遺民
Noho ny hihavian’ ny andro handravana ny Filistina rehetra sy handringanana izay sisa rehetra amin’ ny mpamonjy an’ i Tyro sy Sidona; Fa horavan’ i Jehovah ny Filistina, dia ny sisa avy any amin’ ny nosy Kaftora.
5 迦薩已一片荒涼,阿市刻隆已遭受滅亡;阿納克人的遺民,你們要割傷己身到何時呢﹖
Voaharatra Gaza, ringana Askelona mbamin’ ny sisa amin’ ny lohasahany; Mandra-pahoviana no mbola hitetika ny tenanao ianao?
6 唉! 上主的刀劍! 到何時纔休息﹖請你入鞘休息安歇罷!
Indrisy ry sabatr’ i Jehovah! Mandra-pahoviana no tsy hitsaharanao? Midìra ao amin’ ny tranonao ihany; Mitsahara, ka mijanòna.
7 但上主既對它出了命,它怎能休息﹖阿市刻隆和海濱,是他給它指向的地方。
Hataony ahoana no fitsahatra. Fa Jehovah no nandidy azy, eny, hamely an’ i Askelona mbamin’ ny eny amoron-dranomasina no efa nanendreny azy.