< 耶利米書 18 >
Izao no teny tonga tamin’ i Jeremia avy tamin’ i Jehovah:
2 「起來,下到陶工家裏去,在那裏我要讓你聽到我的話」。
Mitsangàna, ka midìna ho any amin’ ny tranon’ ny mpanefy tanimanga, ary any no hampandrenesako anao ny teniko.
Dia nidina tany amin’ ny tranon’ ny mpanefy tanimanga aho, ary, indro, nanao ny asany teo amin’ ny ankodina fanaovana izy.
4 陶工用泥做的器皿,若在他手中壞了,他便再做,或做成另一個器皿,全隨陶工的意思去做。
Ary raha simba ny vilany ataony araka izay mazàna miseho amin’ ny tanimanga eny an-tànan’ ny mpanefy dia ataony vilany hafa indray, araka izay tian’ ny mpanefy tanimanga hanaovana azy.
Dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah hoe:
6 「以色列家,我豈不能像這陶工一樣對待你們﹖──上主的斷語──以色列家! 看,你們在我手中,就像泥土在陶工手中一樣。
Moa tsy mahazo manao aminareo toy ny ataon’ ity mpanefy tanimanga ity va Aho, ry taranak’ i Isiraely? hoy Jehovah. Indro, toy ny tanimanga eo an-tanan’ ny mpanefy azy, dia toy izany ianareo eo an-tanako, ry taranak’ Isiraely.
7 我一時可對一個民族,或如同國家,決意要拔除,要毀壞,要消滅;
Vetivety Aho dia milaza firenena sy fanjakana hongotako sy hazerako ary horavako;
8 但是我要打擊的民族,若離棄自己的邪惡,我也反悔,不再給他降原定的災禍。
Nefa raha miala amin’ ny ratsy izany firenena noteneniko izany, dia hanenenako kosa ny loza izay nokasaiko hamelezako azy.
9 或者,我一時想對一個民族或一個國家,決意要建設,要栽培,
Ary vetivety kosa Aho dia milaza firenena sy fanjakana haoriko sy hamboleko;
10 但若她行我不喜歡的事,不聽從我的聲音,我也要反悔,不再給她許過的恩惠。
Nefa raha manao izay ratsy eo imasoko izy ka tsy mihaino ny feoko, dia hanenenako kosa ny soa izay nolazaiko hanasoavako azy.
11 現在你可告訴猶大人和耶路撒冷的居民說:上主這樣說:看,我已給你們安排了災禍,定了懲罰你們的計劃,希望你們每人離棄自己的邪道,改善自己的途徑和作為」。
Koa amin’ izany, lazao amin’ ny Joda sy amin’ ny mponina eto Jerosalema hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, Izaho mamorona loza hihatra aminareo ary mihevitra izay hamelezako anareo; Koa samia miala amin’ ny lalany ratsy avy ianareo, ary ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo.
12 他們反倒答說:「已沒有希望弓! 因為我們願隨從自己的計謀,各按自己頑固的惡意行事」。
Nefa hoy ireo: Kivy izahay izany! Fa mbola hanaraka ny hevitray ihany izahay, eny, samy hanao araka ny ditry ny fo ratsinay avy izahay rehetra.
13 為此上主這樣說:「你們可到各民族去詢問:有誰聽到了像這樣的事﹖以色列處女做出了極可憎的事。
Koa izao no lazain’ i Jehovah: anontanio any amin’ ny jentilisa hoe: Iza no nandre zavatra toy izany? Zavatra mahatsiravina indrindra no nataon’ Isiraely virijina.
14 黎巴嫩山巔的巖石豈能缺少積雪﹖叢山間湧流的冰泉,豈能涸竭﹖
Hitsahatra tsy ho eo amin’ ny vatolampy any an-tsaha va ny oram-panalan’ i Libanona, ary mety ho ritra va ny rano maria sady mangatsiaka avy amin’ ny tany hafa?
15 但我的人民卻忘掉了我,向「虛無」獻香,滑出了自己的正道,離開舊日的行徑,而走上了小道,不平坦的路,
Fa efa nanadino Ahy ny oloko, ka ho an’ ny sampy no nandoroany ditin-kazo manitra; Ary nanafintohina azy teo amin’ ny lalany ireny; dia ny lalana fahagola, handehanany amin’ ny sakeli-dalana madinika, dia amin’ ny lalana tsy voavoatra,
16 使自己的地域變為驚愕的原因,取笑的目標;凡經過這 中2 的人,莫不驚異搖首。
Mba hahatonga ny taniny ho figagana sy ho zavatra mampisitrisitra mandrakizay; Izay rehetra mandalo azy dia ho gaga sy hihifikifi-doha.
17 我必像一陳東風在敵人面前將他們吹散;在他們滅亡之日,我必使你們只見我背,不見我面」。
Toy ny fampielin’ ny rivotra avy any atsinanana no hampielezako azy eo anoloan’ ny fahavalony; Hiamboho azy Aho, fa tsy hanatrika azy, amin’ ny andro hahitany loza.
18 他們說:「來,我們合謀陷害耶肋米亞! 因為沒有司祭,法律不會因此廢止;沒有智者,計謀不會因此缺乏;沒有先知,神諭不會因此斷絕。來,我們用舌頭評擊他,不注意他的一切 勸告」。
Dia hoy ny olona: Andeha isika hihevitra izay hamelezana an’ i Jeremia; fa tsy ho tapaka tsy akory ny lalàna avy amin’ ny mpisorona, na ny saina avy amin’ ny hendry, na ny teny avy amin’ ny mpaminany. Aoka ny vavantsika ho enti-mamely azy, ary aoka tsy hohenointsika akory izay teniny.
Mihainoa ahy, Jehovah ô; Ary mihainoa ny tenin’ izay miady amiko
20 難道該以怨報德嗎﹖他們竟掘下陷阱來陷害我的生命! 望你記憶:我曾在你面前為他們求情,替他們挽回你的盛怒。
Ratsy va no havaly ny soa? Fa efa nihady lavaka hamandrihana ahy ireo. Tsarovy ny nitsanganako teo anatrehanao nitaraina ho azy hampiala ny fahatezeranao aminy.
21 為此,你應使他們的子女遭受饑荒,任人屠殺;使他們的婦女喪予居寡,使他們的男人死於瘟疫,使他們的青年在戰埸上死於刀下。
Koa aoka ho mosarena ny zanany, ary atolory ho amin’ ny herin’ ny sabatra izy, ka ho foana anaka ny vadiny sady ho tonga mpitondratena; Ary aoka ny lehilahy lehibe aminy haripaky ny aretina, ary ny zatovony ho fatin-tsabatra amin’ ny ady.
22 當你引匪隊突擊他們時,願從他們的屋裏可聽到哭聲,因為他們掘了陷阱捕捉我,在我腳下設下羅網。
Aoka hisy fidradradradrana ho re ao an-tranony, raha mitondra miaramila iray toko any aminy tampoka Hianao; Fa efa nihady lavaka hamandrihana ahy izy sady nanafim-pandrika haningorana ny tongotro.
23 如同你,上主,你知道他們對我的一切計劃是要殺害我;請你不要寬恕他們的過惡,不要由你面前抹去他們的過惡,務使他們倒仆在你面前;在你發怒時,求你報復他們。
Fa Hianao, Jehovah ô, no mahalala ny fisainana rehetra ataony hamelezany ahy ho faty; Aza avela ny helony; Ary aza vonoina tsy ho eo imasonao ny fahotany, fa aoka ho solafaka eo anatrehanao izy; Mameleza azy amin’ ny andro fahatezeranao.