< 以賽亞書 8 >

1 上主對我說:「你拿一塊大板,用通用的字體在上面寫:瑪赫爾、沙拉耳、哈市、巴次」
Ary hoy Jehovah tamiko: Mangalà fafana lehibe, ka soraty aminy araka ny fanoratry ny olona hoe: “Ho an’ i Mahera-salala-hasi-baza.”
2 我就叫了兩個忠直的證人,即司祭烏黎雅和耶貝勒基雅的兒子則加黎雅,為我作證。
Ary haka vavolombelona mahatoky Aho, dia Oria mpisorona sy Zakaria, zanakalahin’ i Jeberekia.
3 我接近了女先知,她便懷孕,生了一個兒子;上主對我說:「你給他起名叫瑪赫爾沙拉耳哈市巴次,
Ary nankany amin’ ny mpaminanivavy, aho; dia nanan’ anaka izy ka niteraka zazalahy. Ary hoy Jehovah tamiko: Aoka ny anarany hataonao hoe Mahera-salala-hasi-baza.
4 因為在這孩子會喊「爸爸」「媽媽」以前,大馬士革的財富和撒瑪黎雅的贓物必要運到亞述王前。」
Fa raha tsy mbola mahatonona hoe Idada na Ineny io zazalahy io, dia hobaboina eo anatrehan’ ny mpanjakan’ i Asyria ny haren’ i Damaskosy sy ny fananan’ i Samaria.
5 上主又曉諭我說:
Ary Jehovah dia mbola niteny tamiko indray hoe:
6 因為這民族厭棄了緩緩徐流的史羅亞水,因而在勒斤和勒瑪里雅之子面前驚慌;
Satria ity firenena ity mandà ny rano Siloa izay misononoka Ary mifaly amin-dRezina sy ny zanak’ i Remalia,
7 為此,看,吾主必使洶湧澎湃的河水--即亞述王和他所有的軍隊--上來淹沒他們;他必將瀉出一切河道,溢出一切河岸,
Dia, indro, hampiakarin’ ny Tompo hanafotra azy ny rano be sady manonja amin’ ny Ony (Dia ny mpanjakan’ i Asyria sy ny voninahiny rehetra); Ary ny masondranony rehetra ho tondraka, Ary ny morony rehetra hihoarany;
8 直沖入猶大,漲溢氾濫,高達人的頸項。厄瑪奴耳啊!他展開的兩翼,將掩蓋你廣闊的疆土!
Dia himaona fatratra izy ka hihatra amin’ ny Joda Ary hanafotra sady mbola hisondrotra ihany Mandra-pahatongany havozona; Ary ny fipasany eny an-daniny roa dia hanenika ny taninao, ry Imanoela ô.
9 眾民啊!覺悟罷!你們終必喪膽! 遠方的一切民族啊!聆聽罷 !任憑你們怎樣束腰,終必喪膽!任憑你們怎樣束腰,終必喪膽。
Misafoaha ihany ianareo, ry firenena ô, nefa mbola ho ringana mihitsy ianareo; Ary mihainoa ihany, ry tany lavitra rehetra, misikìna ihany ianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy; Eny, misikìna ihany ianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy.
10 你們雖然策劃,必然落空;你們雖然說定,決不能實現,因為天主與我們同在。
Makà saina ihany ianareo, nefa mbola hofoanana izany; Milazà ihany ny teny, nefa tsy ho tanteraka izany tsy akory; Fa aminay Andriamanitra.
11 當上主以手握住我,警惕我不要走這民族的道路時,這樣對我說:
Fa izao no nolazain’ i Jehovah tamiko, raha nanindry ahy mafy ny tànany, Ka nanariny tsy handeha amin’ ny falehan’ ity firenena ity aho:
12 這民族稱為聖的,你們不得稱之為聖!他們畏懼的,你們不必畏懼,也不必戰兢!
Aza mba lazainareo ho tetika fikomiana izay lazain’ ity firenena ity ho tetika fikomiana; Ary aza matahotra izay atahorany na mangovitra ianareo.
13 萬軍的上主,你們惟應以他為聖;他是你們當敬畏的,是你們當恐懼的。
Jehovah, Tompon’ ny maro, no hasino; Ary aoka Izy ihany no hatahoranareo, Ary Izy ihany no hangovitanareo.
14 他將是以色列兩家的絆腳石和失足的暗礁,是耶路撒冷居民的羅網和陷阱。
Dia ho fitoerana masìna ho anareo Izy, Fa ho vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka kosa Amin’ ny firenena roa amin’ ny Isiraely, sady ho fandrika sy tonta Amin’ ny mponina any Jerosalema.
15 他們中間有許多人將失足跌倒而折傷,陷於圈套而被捕。
Ary maro ao aminy no ho tafintohina sady ho lavo sy ho ringana Ary ho voafandrika sy ho voasambotra.
16 證件已綁好,訓誨在我門徒中已封緘,
Fehezo ny teni-vavolombelona, Ary asio tombo-kase ny lalàna eo amin’ ny mpianatro.
17 我只仰望那位現在轉面不顧雅各伯家的上主,我要等待他。
Ary hiandry an’ i Jehovah aho Izay manafina ny tavany amin’ ny taranak’ i Jakoba, Ka hanantena Azy ihany aho.
18 看哪!我和上主賞給我的孩子,在以色列中成了標識和預兆:這原是出於住在熙雍山上的萬軍的上主!
Indreto, izaho sy ireo zaza nomen’ i Jehovah ahy dia famantarana sy fahagagana ao amin’ ny Isiraely Avy amin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Izay monina ao an-tendrombohitra Ziona.
19 有人或對你們說:「你們詢問那些喃喃細語的巫覡和術士罷!百姓豈不能詢問自己的神,為活人而詢問幽魂嗎﹖」「
Ary raha lazainy aminareo hoe: Milà saina amin’ ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao sikidy, izay mitsiatsiaka sy miboeriboerika, Moa tsy Andriamaniny va no tokony hilan’ ny olona saina? Fa hila saina amin’ ny maty ho an’ ny velona va izy?
20 應到訓誨和證件中去尋!」誰若不照這話答覆,為他便沒有曙光。
Ho amin’ ny lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, Dia olona izay tsy hiposahan’ ny fahazavan’ ny maraina.
21 人將忍受著痛苦和飢餓,經過此地;當他由於飢餓而暴發忿怒時,必詛咒自己的君王和自己的神明;他無論仰望上天,
Dia samy hivezivezy amin’ ny tany izy rehetra sady mahantra no mosarena; Ary rehefa mosarena izy, dia ho sosotra ka hanozona ny mpanjakany sy Andriamaniny, ary dia hiandrandra;
22 或注視大地,他只見苦惱和幽暗,昏黯和恐怖!但黑暗畢竟要被驅除,
Ary hijery ny tany izy, ka indro fahoriana sy fahamaizinana ary manjombona mahafadiranovana, Ary horoahina ho any amin’ ny aizim-pito izy.

< 以賽亞書 8 >