< 以賽亞書 3 >
1 看啊!主,萬軍的上主,將奪去耶路撒冷和猶大的支柱和依靠,【各種食糧的供應和水的供應:】
Fa, indro, Jehovah, Tompon’ ny maro, Manaisotra amin’ i Jerosalema sy Joda izay andry sy tohana rehetra: Dia ny mofo sy ny rano rehetra, izay tohan’ aina,
Ny lehilahy mahery sy ny mpiady, Ny mpitsara sy ny mpaminany, Ny mpanao fankatovana sy ny loholona,
3 五十夫長和顯貴,謀士、機警的術士和巧言的咒師。
Ny mpifehy ny dimam-polo sy ny manan-kaja, Ny mpanolo-tsaina sy ny mahay zavatra Ary ny mahay ny fiboeriboeriky ny mpanao ody.
Ary hanendry ankizilahy madinika ho lehibeny Aho, Ary ny haitraitran-jaza no hanapaka azy.
5 百姓將互相壓搾,彼此殘害;幼童欺凌老翁,賤者虐待貴人。
Ary hifanipaka izy samy iray firenena, Dia samy ny namany avy sy ny akaiky azy avy; Ny tovolahy hirehareha amin’ ny anti-panahy, Ary ny tsy manan-daza amin’ ny manan-daza.
6 那時,人要抓著自己家族裏的一個弟兄說:「你還有一件外衣,你可作我們的領袖,這廢墟即屬於你手下。」
Raha misy olona angatahin’ ny rahalahiny ao an-tranon-drainy ka ataony hoe: Hianao no manana lamba, koa aoka ho mpanapaka anay, Ary aoka ity faharavana ity ho raharahanao,
7 那一日,這人必要大聲回答說:「我不是個醫生,我家裏沒有糧食,也沒有外衣,不要立我作百姓的首領!」
Dia namaly izy amin’ izany andro izany hoe: Tsy mety ho dokotera aho, Fa ao an-tranoko tsy misy hanina na lamba; Koa tsy azonareo hatao mpanapaka ny olona aho.
8 耶路撒冷傾覆了,猶大崩潰了,因為他們的口舌和行為都與上主作對,使他光輝的眼目冒火。
Fa tafintohina Jerosalema, Ary potraka Joda, satria ny lelany sy ny asany dia samy manohitra an’ i Jehovah Mba hihaika ny mason’ ny voninahiny.
9 他們的厚顏已在指責他們,他們像索多瑪一樣揭示了自己的邪惡,而毫不隱瞞;這些人是有禍的,因為他們為自己招致了災禍。
Ny fisehon’ ny tarehiny miampanga azy; Ary mampiharihary ny fahotany tahaka an’ i Sodoma izy ka tsy manafina azy. Lozan’ ny fanahiny! Fa mampidi-doza amin’ ny tenany izy.
10 你們要說:「義人是有福的,因為他們必享受自己行為的善果。
Lazaonareo ny amin’ ny marina fa hahita soa izy, Fa ny vokatry ny asany no hohaniny.
11 禍哉作惡的人!他必遭災禍,因為他手中的作為必回報於他!」
Lozan’ ny ratsy fanahy! hiharan’ ny ratsy izy, Satria ny valin’ ny nataon’ ny tànany ihany no hanody azy.
12 至於我的百姓:孩童要壓搾他們,婦女要管轄他們。我的百姓啊!領導你的,領你走錯了路,混亂了你行徑的路途。
Ny amin’ ny oloko, dia zaza no mampahory azy, Ary ireo vehivavy no manapaka azy. Ry oloko ô, ny mpitarika anao no mampivily anao Sady mandrava ny lalana alehanao.
Jehovah mitsangana handahatra Ka miatrika hitsara ny firenena.
14 上主要開庭審訊他百姓的長老和領袖:「是你們侵吞了我的葡萄園,窩藏了由窮人那裏勒索來的物件;
Jehovah miampanga ny loholona sy ny lehiben’ ny olony amin’ ny fitsarana hoe: Hianareo no efa nandevona ny tanim-boaloboka; Ary ao an-tranonareo ny fananan’ ny malahelo izay efa nalaina an-keriny.
15 你們為什麼壓搾我的百姓,折磨窮人的臉面﹖」--吾主,萬軍上主的斷語。
Ahoana no hevitrareo no dia hosihosenareo ny oloko, Ary torotoroinareo ny tavan’ ny malahelo? Hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
16 上主說:因為熙雍的女子趾高氣揚,走路挺直頸項,媚眼惑人,行路裝腔作勢,腳步鈴鈴作響,
Ary hoy koa Jehovah: Satria miavona ireo zanakavavin’ i Ziona ka mandeha mianjonanjona sy manao maso meloka Sady kasikasy fandeha Ary mampikorintsandrintsana ny fehin-tongony,
17 吾主必使熙雍女子的頭頂生長毒瘡,上主必揭露她們的恥辱。
Noho izany dia hataon’ ny Tompo feno tako-pery ny tampon-dohan’ ny zanakavavin’ i Ziona, Ary Jehovah hampiseho ny fitanjahany.
18 那一日,吾主必要剝奪她們的裝飾:踝環、圓環、月牙環、
Amin’ izany andro izany dia hesorin’ i Jehovah ny firavaka rehetra, na ny fehin-tongotra, Na ny fehi-loha, na ny sarim-bolan-tsinana,
Na ny kavina voavola, na ny rojo, na ny fisalobonana makarakara,
Na ny satroka, na ny rojo parapaingo, na ny fehin-kibo misy haingony, Na ny fitoeran-dranomanitra, na ny ody fanaony ravaka,
Na ny peratra, na ny kavin’ orona,
Na ny akanjo fihaingoana, na ny kapôty, Na ny saly, na ny poketra,
Na ny fitaratra fizahana, na ny akanjo somizy anatiny, Na ny satroka fihaingoana, na ny lamba fisaronana;
24 必有腥臭代替馨香,繩索代替腰帶,禿頭代替鬟髻,苦衣代替胸衣,烙印代替美麗。
Ary ny manitra hosoloana ny maimbo; Ary ny fehin-kibo tsara hosoloana ny mahazaka; Ary ny volo voavoatra tsara hosoloana ny boriana; Ary ny akanjo miebanebana hosoloana ny lamba fisaonana; Ary ny hatsaran-tarehy hosoloana ny tomboka amin’ ny vy mahamay.
Ny lehilahy ao aminao ho lavon-tsabatra, Ary ny mahery ao aminao ho faty an’ ady;
26 熙雍的城門將慟哭哀悼,熙雍將悽涼地坐於地上。
Ka dia hitomany sy hisaona ny vavahadiny; Ary ho lao ny tanàna ka hanjokaiky,