< 以賽亞書 19 >

1 有關埃及的神諭:看,上主乘著輕快的彩雲,來到了埃及,埃及的偶像在他面前戰慄,埃及人的心靈在己身內消溶。
Indro, Jehovah mitaingina rahona miriotra mafy ka mankany Egypta; Ary ny andriamani-tsi-izy any Egypta dia mangorohoro eo anatrehany, ary ny fon’ i Egypta dia ketraka ao anatiny.
2 我要激動埃及人相反埃及人,使人人與自己的兄弟相鬥,人人與自己的近人作對,城與城爭,國與國戰。
Ary hamporisihiko hiady izy samy Egyptiana, ka samy hiady amin’ ny rahalahiny avy sy amin’ ny namany avy izy; Ny tanàna hiady amin’ ny tanàna, ary ny fanjakana amin’ ny fanjakana.
3 埃及的精神要紛亂,我要混亂她的計謀;為此他們必要去卜問神明、巫覡、陰魂和術士。
Ary ho very hevitra ny Egyptiana; Eny, hofoanako ny saina ataony; Ary hila saina amin’ ny andriamani-tsi-izy sy amin’ ny mpibitsibitsika amin’ ny odiny izy sy amin’ ny manao azy ho tsindrian-javatra ary amin’ ny mpanao sikidy.
4 我要把埃及交在暴君手中,暴虐的君王要統治他們--這是主,萬軍上主的斷語。
Ary Egypta dia hatolotro hogiazana amin’ izay fitondrana mafy, ary mpanjaka masiaka no hanjaka aminy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
5 海洋的水將乾涸,江河將荒涼乾旱;
Ny rano amin’ ny ranomasina ho tankina, ary ny ony ho ritra ka ho maina;
6 水道都將發臭,埃及的河渠都要轉弱乾涸;蘆荻和昌蒲必將萎謝;
Ho maimbo ny sampantsampan’ ny ony; Ary ny lahin-dranon’ i Egypta hihena ka ho maina; Ny volotara sy ny zozoro halazo;
7 河畔的蘆葦必將枯萎,沿河的植物,盡將凋零,吹散,消滅。
Ny tany eny amoron’ i Neily sy ny tanimbary rehetra eny amoron’ i Neily samy ho maina sy hanjary vovoka ka tsy ho eo intsony.
8 漁夫必要呻吟嘆息,河畔垂釣者必要悲傷,水面撒網者必要沮喪。
Dia hitomany ny mpaka hazandrano, ary hisaona ny mpamintana rehetra ao Neily, Ary ho reraka ny mpandatsaka harato amin’ ny rano.
9 種植亞麻者必要羞慚,理麻婦與紡織工也都要面色蒼白。
Ho very fanantenana izay mandraotra rongony amin’ ny fihogo sy izay manenona hariry.
10 她的顯貴將受輕視,受僱的工人莫不意志消沉。
Ny andrin’ ny tany ho torotoro, ary ny mpikarama rehetra halahelo.
11 左罕的首領極其愚蠢,法郎的謀士出的,盡是糊塗計謀;你們怎敢對法郎說:「我是賢者的子孫,古代帝王的後裔﹖」
Efa adala mihitsy ny mpanapaka any Zoana; Hevi-poana no avoak’ izay hendry indrindra amin’ ny mpanolotsain’ i Farao; Ahoana no ilazanareo amin’ i Farao hoe: Zanak’ olon-kendry aho sady taranak’ ireo mpanjaka fahagola?
12 你的賢士如今在那裏﹖何不讓他們告訴你知道,萬軍的上主對埃及打了什麼主意!
Aiza ary ireo olon-kendrinao ireo? Aoka hanambara aminao izy, ary aoka ho fantany izay nokasain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, hatao amin’ i Egypta.
13 左罕的首領都夠糊塗,諾夫的首領被人愚弄,各州的諸侯使埃及陷入迷途。
Efa adala ny mpanapaka any Zoana, efa voafitaka ny mpanapaka any Memfisa; Ary efa nampivembena an’ i Egypta ireo fehizoron’ ny fireneny.
14 上主在他們中間注入了昏神,叫他們使埃及在自己所作的事上無不錯亂,有如醉漢在嘔吐中打滾。
Jehovah efa nampidina fanahy mampandraingiraingy teo Egypta; ka efa nampivembena azy tamin’ ny asany rehetra ireo, dia tahaka ny olona mamo miraingiraingy sady mandoa.
15 不論是為首的、為尾的、為棕枝的、或為蘆葦的作什麼,為埃及無所作為。
Samy tsy hahatontosa ny asany ny Egyptiana, na ny loha na ny rambo, na ny sampan-drofia na ny zozoro.
16 到那天,埃及面對著正在她身上揮動著的萬軍上主的手臂,將如婦女般的戰慄害怕。
Amin’ izany andro izany dia ho tahaka ny vehivavy Egypta ka ho toran-kovitra sy ho raiki-tahotra noho ny faninjitr’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, ny tànany, izay ahinjiny hamelezany azy.
17 猶大地將成為埃及的恐怖;凡提及她的,無不對萬軍的上主對埃及所打的主意而害怕。
Ary ny tanin’ ny Joda dia ho fahatahoran’ i Egypta, ka na oviana na oviana no misy miresaka izany aminy dia ho raiki-tahotra izy noho ny fikasan’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, izay kasainy ny amin’ ny hamelezana azy.
18 到那天,在埃及境內將有五座城說客納罕話,並指著萬軍的上主起誓,且有一座稱作「太陽城。」
Amin’ izany andro izany dia hisy tanana dimy amin’ ny tany Egypta samy hiteny ny fitenin’ i Kanana sy hianiana ho an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro; Ny anankiray hatao hoe Ira-haresa.
19 到那天,在埃及地域中,將有一座獻與上主的祭壇,在她的邊界上,將有一個為上主建立的石柱。
Amin’ izany andro izany dia hisy alitara ho an’ i Jehovah eo amin’ ny tany Egypta sy tsangam-bato eo an-tsisiny ho an’ i Jehovah.
20 這在埃及境內,將成為萬軍上主的記號和證據:當他們面臨迫害呼號上主時,他必給他們遣發一位救主,來奮鬥拯救他們。
Ary ho famantarana sy vavolombelona ho an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, ao amin’ ny tany Egypta izany; Fa hitaraina amin’ i Jehovah noho ny mpampahory izy, ary haniraka mpamonjy sy mpiaro ho ao aminy Izy ka hamonjy azy.
21 到那天,上主將為埃及所認識,埃及要認識上主,並奉獻犧牲和祭品,向上主許願還願。
Ary Jehovah hanao izay hahafantaran’ ny Egyptiana Azy, ary ny Egyptiana kosa hahalala an’ i Jehovah amin’ izany andro izany; Dia hanompo Azy amin’ ny fanatitra alatsa-drà sy amin’ ny fanatitra hohanina izy ka hivoady amin’ i Jehovah sady hanefa ny voadiny.
22 上主將打擊埃及,打擊只是為醫治;他們要歸依上主,上主要俯聽他們,要醫治他們。
Ary Jehovah hamely ny Egyptiana, eny, fa sady hamely Izy no hanasitrana; Dia hiverina ho any amin’ i Jehovah ireo, ka hekeny ny fangatahany, ary hositraniny izy.
23 到那天,將有一條大路,由埃及通至亞述:亞述人要到埃及去,埃及人要到亞述來;埃及和亞述將共同敬拜上主。
Amin’ izany andro izany dia hisy lalambe avy any Egypta mankany Asyria, koa ny Asyriana dia hankany Egypta, ary ny Egyptiana kosa hankany Asyria, ary ny Egyptiana sy ny Asyriana hiara-mivavaka.
24 到那天,以色列將屬第三,聯同埃及和亞述成為大地上受祝福的,
Amin’ izany andro izany ny Isiraely no ho fahatelony amin’ i Egypta sy Asyria ho fitahiana eo amin’ ny tany;
25 因為萬軍的上主曾這樣祝福說:「我的百姓埃及,我雙手的工程亞述,我的嗣業以色列,是應受祝福的!」
Fa hotahin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, ireo ka hataony hoe: Hotahina anie Egypta oloko, sy Asyria, asan’ ny tanako, ary Isiraely lovako.

< 以賽亞書 19 >