< 創世記 44 >

1 然後若瑟吩咐自己的管家說:「將糧食裝滿這些人的布袋,他們能帶多少,就裝多少;將每人的銀錢仍放在他的布袋口處,
Ary Josefa nanome teny ny mpikarakara ny tao an-tranony ka nanao hoe: Fenoy hanina ny lasakan’ ireo lehilahy ireo, araka izay zakany ho entina, ary ataovy eo am-bavan’ ny lasakany avy ny volan’ ny isan-dahy;
2 再將我的銀杯和內最年幼購糧的銀錢,一併放在他的布袋口處。」管家就照若瑟吩咐的話做了。
ary ny kapoakako, dia ilay kapoaka volafotsy, ataovy eo am-bavan’ ny lasakan’ ilay faralahy mbamin’ ny vola hamidiny vary. Dia nataony araka ny teny izay nolazain’ i Josefa.
3 清早天一發亮,就遣送這些人帶著他們的驢走了。
Ary raha vao nazava ny andro, dia nampandehanina ireo lehilahy ireo, dia izy sy ny borikiny.
4 他們出了城,還不很遠,若瑟就對他的管家說:「你起身去追趕那些人,追上他們,就對他們說:你們為什麼以惡報善﹖
Ary rehefa tafavoaka ny tanàna izy ka tsy mbola lasan-davitra, dia hoy Josefa tamin’ ny mpikarakara ny tao an-tranony: Andeha araho ireny lehilahy ireny; ary rehefa tratrao izy, dia ataovy aminy hoe: Nahoana ianareo namaly ratsy ny soa?
5 為什麼偷去我的銀杯﹖這杯是我主人為飲酒占卜用的啊! 你們作的實在不對! 」
Tsy iny va no fisotroan’ ny tompoko sy famantarany zavatra? ratsy izao nataonareo izao.
6 管家追上他們,就對他們說了這些話。
Dia nahatratra azy ralehilahy ka nilaza izany teny izany taminy.
7 他們回答說:「我主怎麼說些這樣的話﹖你的僕人們決不敢做這樣的事!
Ary hoy izy ireo taminy: Nahoana itompokolahy no dia miteny toy izany? Sanatria amin’ ny mpanomponao ny hanao zavatra toy izany.
8 你看! 我們在布袋口所發現的銀錢,還從客納罕地帶回來給了你,我們怎能偷你主人家的金銀呢﹖
Indro fa ny vola izay hitanay teo am-bavan’ ny lasakanay aza naverinay indray tatỳ aminao avy tany amin’ ny tany Kanana; ka hataonay ahoana no fangalatra volafotsy na volamena ao amin’ ny tranon’ ny tomponao?
9 在你僕人中,不論在誰那裏搜出來,誰就該死,並且我們都該作我主的奴隸。」
Izay anankiray amin’ ny mpanomponao hahitana izany, dia aoka hovonoina izy, ary izahay kosa dia ho andevon’ itompokolahy.
10 管家答說:「也好,就照你們的話做;只是在誰那裏搜出來,誰該作我的奴隸;你們其餘的人可自由離去。」
Dia hoy izy: Aoka ary hatao araka ny teninareo: izay hahitana izany dia ho andevoko; fa ianareo tsy hanan-tsiny.
11 於是他們各人急忙將自己的布袋卸下,放在地上,各人打開自己的布袋。
Ary samy nampidina faingana ny lasakany tamin’ ny tany izy, ka samy nanokatra ny lasakany avy.
12 管家便一一搜查,從年長的開始,到年幼的為止;結果那杯在本雅明的布袋裏搜了出來。
Dia nikaroka fatratra ralehilahy, ka tamin’ ny lahimatoa no nanombohany, ary tamin’ ny faralahy no niafarany, ka tao amin’ ny lasakan’ i Benjamina no nahitana ilay kapoaka.
13 他們遂撕裂了自己的衣服,各人又使驢馱上重載,回城裏去了。
Ary samy nandriatra ny fitafiany izy, dia nanaingina ny entany tamin’ ny borikiny avy ka niverina ho any an-tanàna.
14 猶大和他的兄弟們進了若瑟的家,若瑟還在那裏,他們就在他面前俯伏在地。
Ary Joda sy ny rahalahiny niditra tao an-tranon’ i Josefa (fa mbola tao izy), dia nidaboka tamin’ ny tany teo anatrehany.
15 若瑟對他們說:「你們作的是什麼事﹖難道你們不知道像我這樣的人會占卜嗎﹖」
Ary hoy Josefa taminy: Ahoana izao zavatra nataonareo izao? tsy fantatrareo va fa izay lehilahy tahaka ahy dia mahay mamantatra zavatra tokoa?
16 猶大答說:「我們對我主還能說什麼﹖還有什麼話可說﹖我們如何能表白自己﹖天主已查出了你僕人們的罪惡。我們和在他手裏搜出杯來的,都應作我主的奴隸。」
Ary hoy Joda: Inona no teny hataonay amin’ itompokolahy? inona intsony no holazainay? ary hataonay ahoana no fiala tsiny? Andriamanitra efa nahita ny heloky ny mpanomponao; koa, indreto, samy ho andevon’ itompokolahy, na izahay, na ilay nahitana ny kapoaka tao aminy.
17 若瑟答說:「我決不這樣做;在誰手裏搜出杯來,誰就該作我的奴隸;至於你們,都可平安上去,回到你們父親那裏。」
Nefa hoy Josefa: Sanatria ahy ny hanao izany! izay lehilahy nahitana ny kapoaka tao aminy ihany no ho andevoko; fa ianareo kosa dia miakara soa aman-tsara ho any amin’ ny rainareo.
18 猶大近前對若瑟說:「我主,請原諒,容你僕人向我主進一言,請不要對你僕人動怒,因為你原與法郎無異。
Dia nanatona azy Joda ka nanao hoe: Mba henoy kely aho, tompokolahy, aoka ny mpanomponao handaha-teny kely eto anatrehan’ itompokolahy, ary aoka tsy mba hirehitra amin’ ny mpanomponao ny fahatezeranao; fa tahaka an’ i Farao ianao.
19 我主以前曾問僕人們說:你們還有父親或兄弟嗎﹖
Itompokolahy nanontany ny mpanompony hoe: Manan-dray na rahalahy koa va ianareo?
20 我們曾回答我主說:還有老父和他老年生的幼兒;他的哥哥死了,他母親只剩下了他一個;為此父親非常疼愛他。
Ary hoy izahay tamin’ itompokolahy: Manan-dray lahy antitra izahay sy zandry faralahy, zanaky ny fahanterany; ary maty ny rahalahiny, fa izy irery ihany no zana-dreniny sisa, ary tian’ ny rainy izy.
21 你就對你僕人們說:將他帶到我這裏來,我要親眼看看他。
Ary ianao nanao tamin’ ny mpanomponao hoe: Ento mankaty amiko izy mba ho hitan’ ny masoko.
22 我們即對我主說:孩子是不能離開他父親的;如果離開了,他父親必會死去。
Ary hoy izahay tamin’ itompokolahy: Ny zazalahy tsy mahazo misaraka amin-drainy; fa raha misaraka amin-drainy izy, dia ho faty rainy.
23 你對你僕人們說:如果你們的小弟弟不同你們一起下來,你們休想再見我的面。
Ary hoy ianao tamin’ ny mpanomponao: Raha tsy hiara-midìna aminareo ny zandrinareo faralahy, dia tsy hahita ny tavako intsony ianareo.
24 我們一上到你僕人,我父親那裏,就將我主的話告訴了他。
Ary rehefa tafakatra tany amin’ ny mpanomponao raiko izahay, dia nambaranay azy ny tenin’ itompokolahy.
25 後來我們的父親說:你們再去給我們買點糧食來。
Dia hoy ny rainay: Mandehana indray, mividia hanina kely ho antsika.
26 我們答說:我們不能下去;除非我們的小弟弟同我們一起,我們才下去;因為我們的小弟弟不同我們在一起,我們不能見那人的面。
Ary hoy izahay: Tsy sahy hidina izahay; nefa raha hiaraka aminay ny zandrinay faralahy, dia hidina ihany izahay; fa tsy mahazo mahita ny tavan-dralehilahy izahay raha tsy miaraka aminay ny zandrinay faralahy.
27 你的僕人,我的父親就對我們說:你們知道,我的妻子給我只生了兩個兒子:
Dia hoy ny mpanomponao raiko taminay: Fantatrareo fa ny vadiko efa niteraka roa lahy tamiko;
28 其中一個離開我出去,我猜想,他是被猛獸撕裂了,到現在,再沒有見到他。
fa lasa niala tamiko ny anankiray, ka hoy izaho: Voaviraviram-biby tokoa izy; ary tsy mbola hitako mandraka ankehitriny izy;
29 如今你們連這一個也要由我面前帶走;倘若他遇到什麼不幸,你們就要使我這白髮老人在悲痛中下到陰府了! (Sheol h7585)
ary raha halainareo hiala eto anoloako koa ity, ka hisy loza hanjo azy koa, dia hampidininareo any amin’ ny fiainan-tsi-hita amim-pahoriana ny volo fotsiko. (Sheol h7585)
30 現在,如我回到你僕人,我父親那裏,孩童沒有與我們在一起,--他原與這孩童相依為命,--
Koa ankehitriny, raha tonga any amin’ ny mpanomponao raiko aho, ka tsy tafaraka aminay ny zaza (fa ny ainy mifamatotra amin’ ny ain’ ny zaza),
31 他一見孩童沒有與我們在一起,就必死無疑;那你的僕人們就要使你的僕人,我們的父親帶著白髮在憂苦中下入陰府了。 (Sheol h7585)
koa raha hitany fa tsy eo ny zaza, dia ho faty izy; ary ny mpanomponao hampidina ny volo fotsin’ ny mpanomponao rainay ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita amin’ alahelo. (Sheol h7585)
32 況且你的僕人曾在我父面前為孩童擔保說:如果我不將他帶回來交給你,我終生在我父前負罪。
Fa ny mpanomponao efa niantoka ny zaza tamin’ ny raiko ka nanao hoe: Raha tsy ho entiko atỳ aminao izy, dia ho meloka amin’ ny raiko amin’ ny andro rehetra hiainako aho.
33 現在請讓你的僕人留下,代替孩童給我主為奴,讓孩童跟他哥哥們回去。
Koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka ny mpanomponao hitoetra ho andevon’ itompokolahy hisolo ny zaza; fa aoka ny zaza hiara-miakatra amin’ ny rahalahiny.
34 如果孩童不與我在一起,我怎能上去見我父親﹖我怕看見我父親遭到不幸! 」
Fa hataoko ahoana no fiakatra any amin’ ny raiko, raha tsy hiaraka amiko ny zaza? fandrao hahita izay loza hanjo ny raiko aho.

< 創世記 44 >