< 創世記 34 >
1 肋阿給雅各伯生的女兒狄納,要去看看當地的女人。
Dia nivoaka Dina, zanakavavin’ i Lea, izay naterany tamin’ i Jakoba, mba hizaha ny zazavavy tompon-tany.
2 當地酋長希威人哈摩爾的兒子舍根看見她,就抓住她,強姦了她,玷辱了她。
Ary nahita azy Sekema, zanakalahin’ i Hamora Hivita, andriana tamin’ izany tany izany; dia naka azy izy ary nandry taminy ka nampietry azy.
3 他的心迷戀雅各伯的女兒狄納,深愛這少女,說寬慰她心的話。
Ary ny fony dia raiki-pitia tamin’ i Dina, zanakavavin’ i Jakoba; eny, tia ny zazavavy izy, ka dia nanao teny malefaka nahafinaritra azy.
4 事後,舍根向自己的父親哈摩爾說:「請給我娶這少女為妻。」
Ary Sekema dia niteny tamin’ i Hamora rainy ka nanao hoe: Alao io zazavavy io ho vadiko.
5 雅各伯聽見舍根污辱了女兒狄納,但因他的兒子們那時正在鄉間看守他的牲畜,所以沒有作聲,等他們回來。
Ary ren’ i Jakoba fa efa nandoto an’ i Dina zananivavy izy; nefa ny zananilahy mbola niandry ny omby aman’ ondriny tany an-tsaha; ka dia nangina aloha Jakoba mandra-pahatongany.
Dia nivoaka Hamora, rain’ i Sekema, nankany amin’ i Jakoba hidinika taminy.
7 那時雅各伯的兒子已由鄉間回來,一聽見這消息,就人人憤恨,非常惱怒,因為有人對以色列做出了這樣的醜事:竟與雅各伯的女兒同臥;這是不應該做的。
Ary ny zanak’ i Jakoba dia tonga avy tany an-tsaha, rehefa nandre izy, ka nalahelo sady tezitra indrindra, satria Sekema efa nanao izay fady indrindra teo amin’ ny Isiraely noho ny nandriany tamin’ ny zanakavavin’ i Jakoba; fa zavatra izay tsy tokony hatao izany.
8 哈摩爾與他們商議說:「我兒舍根的心迷戀你們的女兒,請你們將她嫁給他為妻。
Ary Hamora nidinika taminy ka nanao hoe: Ny fon’ i Sekema zanakolahy efa raiki-pitia amin’ ny zanakareo-vavy; koa masìna ianareo, mba omeo azy ho vadiny.
9 你們可與我們互通婚姻:將你們的女兒嫁給我們,你們也可娶我們的女兒;
Ary aoka hifanambady anaka isika: omeo anay ny zanakareo vavy, ary alao ho anareo kosa ny zanakai-vavy,
10 這樣你們可同我們住在一起,本地都擺在你們面前,你們可在其中居住、行動、置業。」
Dia hiara-monina aminay ianareo; ary indro ny tany eo anoloanareo; oneno, dia manaova varotra ao, ary aoka ho isan’ ny tompon-tany ianareo.
11 舍根也對狄納的父親和她的兄弟們說:「只要我在你們眼中蒙恩,凡你們要求的,我必依從。
Ary hoy Sekema tamin’ ny rain’ i Dina sy ny anadahiny: Aoka mba hahita fitia eto imasonareo aho, ary izay lazainareo amiko dia homeko;
12 任憑你們向我要多少聘金和禮品,我必照你們提出的交付,只要你們將這少女給我為妻。」
na dia harena be sy zavatra betsaka aza no asainareo homeko, dia homeko ihany araka izay holazainareo amiko; fa omeo ahy ny zazavavy ho vadiko.
13 雅各伯的兒子因為舍根污辱了他們的妹妹狄納,就用欺詐的話答覆舍根和他父親哈摩爾,
Ary ny zanak’ i Jakoba namaly an’ i Sekema sy Hamora rainy tamin’ ny fitaka ka nisaroro azy noho ny nandotoany an’ i Dina anabaviny;
14 說:「將我們的妹妹嫁給一個沒有受割損的人,為我們實是一大恥辱,我們不能這樣作。
ary hoy izy taminy: Tsy azonay atao ny hanome ny anabavinay ho an’ izay lehilahy tsy voafora; fa fahavetavetana aminay izany.
15 除非有這個條件,我們不能同意:你們都應和我們一樣,使你們中所有的男子都受割損;
Izao ihany no azonay hanekena anareo: Raha ho tahaka anay ianareo, ka hoforana ny lehilahy rehetra aminareo,
16 以後我們可將我們的女兒嫁給你們,我們也可娶你們的女兒;我們與你們住在一起,成為一個民族。
dia homenay anareo ny zanakai-vavy, ary ny zanakareo-vavy kosa halainay ho anay, dia hiara-monina aminareo izahay, ka ho firenena iray isika.
17 如果你們不肯聽從我們而受割損,我們就帶著我們的女兒離去。」
Fa raha tsy hanaraka ny teninay ianareo ka hoforana dia halainay ny zanakai-vavy, ka handeha izahay.
Dia sitrak’ i Hamorasy Sekema zanany izany teniny izany.
19 這少年毫不遲延地要照這建議進行,因為他喜愛雅各伯的女兒,更何況他還是他父親全家族中最重要的人物。
Ary tsy nitaredretra ilay zatovo hanao izany zavatra izany, satria efa tia ny zanakavavin’ i Jakoba izy. Ary izy no nalaza indrindra tamin’ izay rehetra tao an-tranon’ ny rainy.
20 哈摩爾和自己的兒子舍根於是來到城門口,向本城的人提議說:「
Ary Hamora sy Sekema zananilahy nankeo amin’ ny vavahadin’ ny tanànany, dia niteny tamin’ ny mponina tao an-tanànany ka nanao hoe:
21 這些人對我們很和善,讓他們住在本地內,在這裏活動;本地原很廣闊,足夠容納他們。我們可娶他們的女兒為妻,也可將我們的女兒嫁給他們。
Ireo olona ireo mipetraka tsara eto amintsika, dia aoka honina eto amin’ ny tany izy ka hanao varotra eto; fa, indro, ny tany dia malalaka eo anoloany; ny zananivavy dia aoka halaintsika ho vadintsika, ary ny zanatsika vavy dia aoka homentsika azy kosa.
22 但是,這些人只有一個條件,才同意與我們住在一起,形成一個民族:就是我們中所有的男子都應受割損,如同他們受了割損一樣。
Nefa izao monja ihany no hanaovan’ ireo lehilahy ireo fanekena amintsika mba hiara-monina amintsika ho firenena iray: mba hoforana koa, hono, ny lehilahy rehetra eto amintsika tahaka izay namorana azy ireo.
23 這樣,他們的家畜和財產,以及一切牲口,豈不都歸了我們! 只要我們同意,他們就肯同我們住在一起。」
Tsy ho antsika va ny omby aman’ ondriny sy ny fananany mbamin’ ny biby fiompiny rehetra? Aoka hanaiky ny teniny ihany isika, dia hiara-monina amintsika izy.
24 凡由城門出入的人,都聽從了哈摩爾和他的兒子舍根的話;由城門出入的男子,都受了割損。
Ary izay rehetra nivoaka tamin’ ny vavahadin’ ny tanànany dia nanaiky ny tenin’ i Hamora sy Sekema zanany; ary noforana ny lehilahy rehetra, dia izay rehetra nivoaka tamin’ ny vavahadin’ ny tanànany.
25 第三天他們正疼痛難忍時,雅各伯的兩個兒子,狄納的哥哥西默盎和肋未,各自拿了一把刀,不慌不忙進了城,殺了所有的男子;
Ary nony tamin’ ny andro fahatelo, rehefa ilay narary mafy iny izy ireo, dia samy nitondra ny sabany ny zanak’ i Jakoba roa lahy, dia Simeona sy Levy, anadahin’ i Dina, ka niakatra sahisahy tao an-tanàna, dia namono ny lehilahy rehetra tao.
26 又用刀殺了哈摩爾和他的兒子舍根,由舍根房內領出狄納而去。
Ary Hamora sy Sekema zananilahy dia novonoiny tamin’ ny lelan-tsabatra koa; dia naka an’ i Dina tao an-tranon’ i Sekema izy ka lasa nandeha.
27 雅各伯其餘的兒子因了自己的妹妹受污,乘人被殺就前來洗劫城邑,
Ary ny zanak’ i Jakoba nankeny amin’ ny faty ka namabo ny tanàna noho ny nandotoany ny anabaviny.
28 奪去了他們的羊群、牛群和驢,並城內和鄉間所有的一切。
Ny ondry aman’ osiny sy ny ombiny sy ny borikiny mbamin’ izay rehetra tao an-tanàna sy izay rehetra tany an-tsaha dia nahorony avokoa;
29 凡是他們的財物,連他們所有的孩子和婦女都擄了去;凡屋內所有的一切,都奪了去。
ary ny fananany rehetra sy ny zanany madinika rehetra ary ny vadiny dia nobaboiny ka nofaohiny avokoa mbamin’ izay rehetra tao an-trano.
30 雅各伯事後對西默盎和肋未說:「你們害了我,使我在本地的居民,即客納罕人和培黎齊人中,成了個可恨的人。我的人數少,如果他們聯合起來反對我,攻擊我,那末我和我全家就必同歸於盡。」
Ary hoy Jakoba tamin’ i Simeona sy Levy: Efa nahatonga loza amiko ianareo, fa efa nomaimboinareo eto amin’ ny mponina amin’ ny tany aho, dia amin’ ny Kananita sy ny Perizita; nefa olom-bitsy aho, ka dia hiangona hamely ahy izy ireo ka hamono ahy; dia ho fongotra aho, dia izaho sy ny ankohonako.
31 他們回答說:「難道人應待我們的妹妹如同一個妓女﹖」
Fa hoy kosa izy: Moa ny anabavinay havela hataony toy ny vehivavy janga va?