< 以斯拉記 6 >
1 達理阿王遂下令,檢查在巴比倫貯藏寶物的檔案室。
Ary tamin’ izany Dariosy mpanjaka dia nandidy, ka nizahana ny trano fitehirizan-taratasy, izay nitehirizana ny rakitra tany Babylona.
2 在厄克巴塔納,即在瑪待省的王堡內,發現了一宗案卷,上邊這樣的記載:「備忘錄:
Dia tao Akmeta, tao an-dapa izay any amin’ ny tanin’ ny Mediana, no nahitana horonan-taratasy anankiray, ka voasoratra teo izao tantara izao:
3 居魯士王元年,居魯士曾為耶路撒冷天主的殿宇,頒發上諭:殿宇應予重建,為在那裏舉行祭獻,奉獻火祭;殿應高六十肘,寬六十肘,
Tamin’ ny taona voalohany nanjakan’ i Kyrosy dia nandidy izy nanao hoe: Ny amin’ ny tranon’ Andriamanitra any Jerosalema, dia aoka hatao mihitsy izany ho fanateran’ ny olona fanatitra, ary aoka hatao mafy ny fanorenany, ka enim-polo hakiho ny hahavony, ary enim-polo hakiho koa ny sakany,
4 三層用方石,一層用木料修建;所有費用概出自室。
dia vato vaventy telo an-dalana sy hazo vaovao iray an-dalana; ary aoka haloa avy amin’ ny tranon’ ny mpanjaka izay lany;
5 此外,凡拿步高王取耶路撒冷殿宇,而運到巴比倫的,天主殿宇的那些金銀器,冊都應歸還,送回耶路撒冷的殿宇內,各放在原處,安置在天主的殿宇內。
ary ny fanaky ny tranon’ Andriamanitra, na ny volamena na ny volafotsy, izay nalain’ i Nebokadnezara tao amin’ ny tempoly tany Jerosalema ka nentiny ho any Babylona, dia aoka haverina ho any amin’ ny tempoly any Jerosalema indray ireo, samy ho amin’ ny fitoerany avy, ka aoka hapetraka ao an-tranon’ Andriamanitra avokoa.
Koa amin’ izany, ry Tatenay, governora any an-dafin’ ny ony, sy ry Setara-bozenay mbamin’ ny Afarsakita namanareo, izay any an-dafin’ ny ony, mihataha ianareo.
7 不可干涉天主殿宇的工程,任憑猶太人的總督和猶太人的長老,在原處重建天主的殿宇。
Aza misakana ny fanaovana io tranon’ Andriamanitra io; aoka ny mpanapaka ny Jiosy sy ny loholon’ ny Jiosy hanao io tranon’ Andriamanitra io eo amin’ ilay efa niorenany ihany.
8 此外,我且頒下此旨,諭令你們為協助猶太人的長老,修建天主的殿應行的事:由河西收入王室的賦稅,給那些人撥出充分的經費,不得有誤!
Ary izaho manao didy ny amin’ ny hataonareo amin’ ny loholon’ ireo Jiosy ireo hanaovany izany tranon’ Andriamanitra izany: aoka ny haren’ ny mpanjaka, dia ny hetra avy amin’ ny any an-dafin’ ny ony, no handoavana marina izay lany ho an’ ireo lehilahy ireo, mba tsy ho azon-tsampona izy.
9 他們向上天大王,獻全燔祭所需要是牛犢、公綿羊和羔羊,以及麵、鹽、酒和油,應按耶路撒冷的司祭所指定的,每天供應,不得有誤!
Ary izay zavatra ilainy, na zanak’ omby, na ondrilahy, na zanak’ ondry, ho fanatitra dorana ho an’ Andriamanitry ny lanitra, na vary tritika na sira, na divay sy diloilo, araka izay andidian’ ny mpisorona any Jerosalema, dia aoka homena azy isan’ andro isan’ andro tsy tapaka izany,
10 好使他們向上天的大王,奉獻馨香祭,為君王和王孫的長壽祈禱。
mba hanaterany fanatitra ho hanitra ankasitrahana ho an’ Andriamanitry ny lanitra sy hivavahany mba ho ela velona ny mpanjaka mbamin’ ny zanany.
11 我今頒下此令:凡有敢刪改此令者,應把他屋內的樑木拆出,堅起來,把他懸在上邊;令他的房屋從此成為糞堆。
Ary izaho manao didy fa na iza na iza no mandika izao teny izao, dia aoka hangalana hazo avy amin’ ny tranony, ary haorina, dia hahantona eo ny tenany; ary aoka hatao firinga ny tranony noho izany.
12 凡有敢刪改此令,對耶路撒冷的天主殿宇,敢於破壞的王侯和人民,願那使己名住在那裏的天主將他毀滅! 我達理阿頒發此令,應悉依照遵行! 」
Ary Andriamanitra, Izay efa nampitoetra ny anarany teo, anie handringana ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra, izay maninjitra ny tanany handika ny didiko ka handrava izany tranon’ Andriamanitra any Jerosalema izany. Izaho Dariosy no nanao ny didy; aoka hotovina marina tokoa izany.
13 於是河西長塔特乃和他們的同僚,全照達理阿王所頒佈的,一一遵行。
Ary tamin’ izany Tatenay, governora amin’ ny etỳ an-dafin’ ny ony etỳ, sy Setarabozenay mbamin’ ny namany dia nankato marina izany teny efa nampitondrain’ i Dariosy ho any aminy izany.
14 猶太人的長老遂繼續修建,因著先知哈蓋,和依多的兒子匝利亞的鼓勵,進行的很是順利;如此他們遵照以色列天主的旨意,並按照波斯王居魯士和達理阿的諭令,完成了修殿的工程。
Dia nanao ny trano ny loholon’ ny Jiosy ka nambinina noho ny faminanian’ i Hagay mpaminany sy Zakaria, zanak’ Ido. Ary nanao ny trano izy ka nahavita azy, araka ny didin’ Andriamanitry ny Isiraely sy araka ny didin’ i Kyrosy sy Dariosy ary Artaksersesy, mpanjakan’ i Persia.
15 聖殿完工的日期,是在達理阿王在位第六年,「阿達爾」月初三日。
Dia vita io trano io tamin’ ny andro fahatelo tamin’ ny volana Adara tamin’ ny taona fahenina nanjakan’ i Dariosy mpanjaka.
16 以色列子民、司祭、肋未人和其餘由充軍歸來的人,興高彩烈,為天主的殿舉行了奉獻禮。
Ary ny Zanak’ Isiraely, na ny mpisorona, na ny Levita, na ny olona sisa izay nody avy tamin’ ny fahababoana, dia nitokana io tranon’ Andriamanitra io tamin’ ny fifaliana;
17 天主聖殿的奉獻禮,奉獻了牛犢一百頭,公綿羊二百隻,羔羊四百隻;又照以色列支派的數目,a了十二隻公山羊,為贖全叵的罪。
ary ny nateriny hitokanana io tranon’ Andriamanitra io dia omby zato sy ondrilahy roan-jato sy zanak’ ondry efa-jato; ary ny ho fanatitra noho ny ota kosa ho an’ ny Isiraely rehetra dia osilahy roa ambin ny folo, araka ny isan’ ny firenen’ Isiraely.
18 他們又派定了司祭,按照他們的編制,肋未人,按照他們的班次,在耶路撒冷值班奉侍天主,全照梅瑟書上所記載的。
Dia nanendry ny mpisorona ho amin’ ny firazanany avy sy ny Levita ho amin’ ny antokony avy izy, hanao ny fanompoana an’ Andriamanitra izay any Jerosalema, araka izay voasoratra ao amin’ ny bokin’ i Mosesy.
19 由充軍歸來的子民,於正月十四日,舉行了逾越節。
Ary ny olona izay efa nody avy tamin’ ny fahababoana dia nitandrina ny Paska tamin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo tamin’ ny volana voalohany;
20 肋未人全都聖潔了自己,他們既已聖潔了,就為所有充軍歸來的人,並為他們的兄弟司祭和自己,宰殺了逾越節羔羊。
fa ny mpisorona sy ny Levita samy efa nanadio ny tenany rahateo, dia nadio izy rehetra ka namono ny Paska ho an’ izay rehetra efa nody avy tamin’ ny fahababoana sy ho an’ ny mpisorona rahalahiny ary ho an’ ny tenany,
21 凡由充軍歸來的以色列子民,並所有戒絕當地民族不潔的人,尋求上主以色列的天主,都吃了逾越節羔羊。
Dia nihinana izany ny Zanak’ Isiraely izay efa nody avy tamin’ ny fahababoana mbamin’ izay rehetra niavaka ho namany ka niala tamin’ ny fahalotoan’ ny firenena tompon-tany hitady an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,
22 七天之久,歡樂地舉行了無酵節,因為上主使亞述王的心傾向他們,協助了他們修建以色列天主的聖殿,都非常歡樂。
ka dia nitandrina ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira hafitoana tamin’ ny fifaliana izy; fa Jehovah efa nampifaly azy ary efa nampiova ny fon’ ny mpanjakan’ i Asyria hamindra fo aminy ka hampahery ny tànany tamin’ ny nanaovany ny tranon’ Andriamanitra, dia Andriamanitry ny Isiraely.