< 以西結書 40 >
1 我們充軍後第二十五年,京城被毀後第十四年,年初,月之初十日,就在這一天,上主的手臨於我。
Tamin’ ny taona fahadimy amby roa-polo taorian’ ny namaboana antsika, tamin’ ny niandohan’ ny taona, dia tamin’ ny andro fahafolo tamin’ ny volana, tamin’ ny taona fahefatra ambin’ ny folo taorian’ ny namelezana ny tanàna, tamin’ izany andro izany dia tamiko ny tànan’ i Jehovah, ka nitondra ahy ho any Izy.
2 在神視中領我來到以色列地,把我放在最高的山上,山的南方有座像城的建築物。
Fahitana avy amin’ Andriamanitra no nitondrany ahy ho any amin’ ny tanin’ ny Isiraely, ka napetrany teo an-tendrombohitra avo dia avo aho, ary nisy nitarehin-tanàna teo amin’ ny ilany atsimo.
3 他領我到了那裏,看,有一個人,面色似銅,手中拿著一條麻繩和測量竿。他站在門樓旁。
Dia nentiny nankao aho, ka, indro, nisy lehilahy izay nitarehim-barahina, nitondra tady rongony teny an-tànany sy volotara fandrefesana, ary nitsangana teo am-bavahady izy.
4 那人對我說:「人子,你要用眼看,用耳聽,留意我向你指示的一切,因為我引你到這裏來,為叫你看見;凡你所見的,你要告訴以色列家族。」
Dia hoy ralehilahy tamiko: Ry zanak’ olona, mijere amin’ ny masonao, ary mihainoa amin’ ny sofinao, ary aoka ny fonao handinika izay rehetra hasehoko anao; fa ny hanehoako anao izao no nitondrana anao eto. Ambarao amin’ ny taranak’ Isiraely izay rehetra hitanao.
5 看,在殿外四周有一道圍牆。那人手中拿的測量竿長六肘──肘是一肘加一掌──他用竿量了牆:寬一竿,高一竿。
Ary, indro, nisy ampiantany vato manodidina teny ivelan’ ny trano, ary eny an-tanan-dralehilahy nisy volotara fandrefesana, enina hakiho ny halavany, kanefa isaky ny hakiho iray dia nihoatra vodivoam-pelatanana noho ny fanao; ka dia norefesiny ny hatevin’ ny ampiantany, ka eran’ ny volotara, ary ny hahavony dia eran’ ny volotara koa.
6 他來到面朝東的門樓,上了石級,量了門限,寬一竿;
Dia tonga teo amin’ ny vavahady manatrita ny atsinanana izy ka niakatra tamin’ ny ambaratongany dia nandrefy ny tokonam-bavahady, ka eran’ ny volotara ny sakany, dia ny tokonana voalohany izany, ka eran’ ny volotara ny sakany.
7 量了守衛房:長一竿,寬一竿;房與房之間相離五肘;內裏門廊的門限,為一竿。
Ary ny trano fiambenana, dia eran’ ny volotara ny lavany, ary eran’ ny volotara koa ny sakany; ary ny elanelan’ ny trano fiambenana dia dimy hakiho; ary ny tokonam-bavahady eo anilan’ ny lavarangan’ ny vavahady anatiny dia eran’ ny volotara.
Dia norefesiny koa ny lavarangan’ ny vavahady, ka eran’ ny volotara koa.
Ary norefesiny ny lavarangan’ ny vavahady, ka valo hakiho; ary ny tongo-batony dia roa hakiho; ary ny lavarangan’ ny vavahady dia teo anatiny.
10 東門樓的守衛房,這邊三間,那邊三間;三間的尺寸相同,兩邊壁柱的尺寸也相同。
Ary ny trano fiambenana teo amin’ ny vavahady atsinanana dia telo avy no teo an-daniny; mitovy ohatra izy telo, ary mitovy ohatra koa ny tongo-bato teo amin’ ny lafiny roa.
11 量了門口的寬度,為十肘;門的通道為十三肘寬。
Ary norefesiny koa ny haben’ ny vavahady, ka folo hakiho; ary ny lavan’ ny vavahady dia telo ambin’ ny folo hakiho.
12 守衛房前面有柵欄,兩邊各突出一肘。守衛房各邊為六肘。
Ary nisy nifefy teo anoloan’ ny trano fiambenana, ka iray hakiho avy no teo an-daniny roa; ary ny trano fiambenana, dia enina hakiho ny tamin’ ny lafiny iray, ary enina hakiho koa ny tamin’ ny lafiny iray.
13 量了門樓,由守衛房頂到對面守衛房頂,寬二十五肘;門與門相對。
Dia norefesiny koa ny vavahady hatramin’ ny tafon’ ny trano fiambenana iray ka hatramin’ ny tafon’ ny iray koa, ka dimy amby roa-polo hakiho ny sakany, ary mifanatrika ny varavarana.
Ary ny tongo-bato dia noheveriny ho enim-polo hakiho, ary nihatra tamin’ ny tongo-bato ny kianja manodidina ny vavahady.
Ary hatreo anoloan’ ny vavahady fidirana ka hatreo anoloan’ ny lavarangan’ ny vavahady anatiny dia dimam-polo hakiho.
16 門樓四周,在守衛房和牆壁上,有向內斜帶櫺的窗戶;走廊四周也有這樣向內的窗戶。壁柱上有棕櫚枝。
Ary nisy varavarankely makarakara tsy mivoha manodidina, na ao amin’ ny trano fiambenana, na amin’ ny tongo-bato ao anatin’ ny vavahady; ary toy izany koa amin’ ny tohany; ary ny ao anatiny dia nisy varavarankely manodidina; ary teo amin’ ny tongo-bato rehetra dia samy nisy sarin’ ny hazo rofia avokoa.
17 他引我到了外院;看,有廊房,在庭院四周修的有舖道,舖道上有廊房三十間。
Dia nentiny ho any amin’ ny kianja ivelany aho, ary, indro, nisy efi-trano madinika sy lampivato teny amin’ ny kianja manodidina: nisy efi-trano telo-polo teny amin’ ny lampivato.
18 在各門樓旁邊也有舖道,同門樓一樣長,這是低舖道。
Ary ny lampivato dia teo anilan’ ny vavahady, sady nifanerana tamin’ ny lavan’ ny vavahady: lampivato ambany io.
19 他由下門樓前面,量到內院門樓前面,共一百肘寬。然後他向北走去。
Dia norefesiny koa ny sakany hatreo anoloan’ ny vavahady ambany ka hatreo anoloan’ ny kianja anatiny, dia hatreo amin’ ny ivelany, ka zato hakiho, dia teo atsinanana sy teo avaratra.
20 看,在外院有一座面朝北的門樓。他量的門樓的寬和長。
An norefesiny koa ny lavany sy ny sakan’ ny vavahadin’ ny kianja ivelany, izay nanatrika ny avaratra.
21 守衛房,兩邊各有三間;壁柱和走廊,如上面所有的尺寸一樣:五十肘長,二十五肘寬。
Ary ny trano fiambenany dia telo avy no teo an-daniny; ary ny tongo-batony sy ny tohany dia nitovy ohatra tamin’ ny vavahady voalohany, ka dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
22 窗戶、走廊、棕櫚枝、如朝東的門樓所有的尺寸一樣。上去的台階有七級,直達面前的走廊。
Ary ny varavarankeliny sy ny tohany an ny sarin’ ny hazo rofia taminy dia nitovy ohatra tamin’ ny ireo amin’ ny vavahady atsinanana, ary nisy ambaratonga fito ho fiakarana ao; ary ny tohany dia tandrifin’ ireo.
23 外北門的對面有一座通內院的門樓,與東門樓一樣;量了門樓與門樓的距離,為一百肘。
Ary nisy vavahadin’ ny kianja anatiny, tandrifin’ ny vavahady fidirana manatrika ny avaratra sy ny atsinanana; ka dia norefesiny hatramin’ ny vavahady anankiray ka hatramin’ ny anankiray, ka zato hakiho.
24 他又領我往南走,看,朝南有一座門樓;他量了壁柱和走廊,尺寸與前面的相同。
Dia nentiny nianatsimo aho, ka, indro, nisy vavahady teo atsimo; ka norefesiny ny tongo-batony sy ny tohany, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa.
25 走廊四周也有窗戶,一如上述的窗戶。門樓五十肘長,二十五肘寬。
Ary nisy varavarankely teo aminy sy teo amin’ ny tohany manodidina, dia tahaka ireo varavarankely ireo ihany koa, ka dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
26 上去的台階有七級,直達面前的走廊;兩邊的壁柱上都有棕櫚枝。
Ary nisy ambaratonga fito ho fiakarana ao, ary ny tohany dia tandrifin’ ireo; ary nisy sarin’ ny hazo rofia iray tamin’ ny lafiny iray, ary iray koa tamin’ ny lafiny iray teo amin’ ny tongo-batony.
27 通內院朝南也有一座門樓。量了二門樓之間的距離,為一百肘。
Ary nisy vavahady fidirana amin’ ny kianja anatiny teo atsimo, dia norefesiny teo atsimo hatramin’ ny vavahady anankiray ka hatramin’ ny anankiray, ka zato hakiho koa.
28 他領我由南門走進內院,量了南門樓,尺寸與上述者相同。
Ary nentiny niditra tamin’ ny vavahady atsimo ho any amin’ ny kianja anatiny aho; dia norefesiny ny vavahady atsimo, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa;
29 守衛房、壁柱和走廊,一如上述的尺寸;走廊四周也有窗戶;門樓五十肘長,二十五肘寬。
ary ny trano fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany dia araka ireo ohatra ireo ihany koa; ary nisy varavarankely teo aminy sy teo amin’ ny tohany manodidina, dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
Ary nisy tohany manodidina, dia dimy amby roa-polo hakiho ny lavany, ary dimy hakiho ny sakany.
31 門廊面向外院,壁柱上也有棕櫚枝。上去台階有八級。
Ary ny tohany dia nanatrika ny kianja ivelany; ary nisy sarin’ ny hazo rofia teo amin’ ny tongo-batony, ary nisy ambaratonga valo ho fiakarana ao.
32 他引我到了面朝東的內院門樓,量了門樓,尺寸有如上述。
Dia nentiny niantsinanana aho ho any amin’ ny kianja anatiny, dia norefesiny ny vavahady, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa.
33 守衛房、壁柱和走廊,尺寸有如上述;走廊四周也有窗戶。門樓長五十肘,寬二十五肘。
Ary ny trano fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany dia araka ireo ohatra ireo ihany koa; ary nisy varavarankely teo aminy sy teo amin’ ny tohany manodidina, dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby-roa-polo hakiho ny sakany.
34 門廊面向外院;兩邊壁柱上也有棕櫚枝。上去的台階有八級。
Ary nanatrika ny kianja ivelany ny tohany; ary nisy sarin’ ny hazo rofia teo amin’ ny tongo-batony an-daniny roa, ary nisy ambaratonga valo ho fiakarana ao.
Ary nentiny ho any amin’ ny vavahady avaratra aho, dia norefesiny, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa,
36 守衛房、壁柱和走廊,四周也有窗戶;門樓長五十肘,寬二十五肘。
ary ny trano fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany, ary nisy varavarankely teo aminy manodidina, dia dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
37 門廊面向外院;兩邊壁柱上也有棕櫚枝。上去的台階有八級。
Ary nanatrika ny kianja ivelany ny tongo-batony; nisy sarin’ ny hazo rofia teo amin’ ny tongo-batony an-daniny roa; ary ambaratonga valo no fiakarana ao.
38 在門樓的門廊兩旁,各有一間有門的廂房,在裏面洗滌全燔祭牲。
Ary nisy efi-trano misy varavarana teo anilan’ ny tongo-bato teo am-bavahady, izay nanakobahany ny fanatitra dorana.
39 在門廊兩邊,每邊有兩張桌子,在上面宰殺全燔祭、贖罪祭和贖過祭犧牲。
Ary teo amin’ ny lavarangan’ ny vavahady dia nisy latabatra roa avy tamin’ ny lafiny roa hamonoana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana.
40 在登上門廊的入口處的北面,靠外的一面有兩張桌子,在門廊的另一面也有兩張桌子。
Ary teo anilany eo ivelany amin’ ny fiakarana hiditra eo amin’ ny vavahady avaratra dia nisy latabatra roa, ary teo anilany anankiray koa teo amin’ ny lavarangan’ ny vavahady, dia nisy latabatra roa koa.
41 門樓旁邊,每邊有四張桌子,共八張,在上面宰殺祭牲。
Nisy latabatra efatra teo amin’ ny ilany iray amin’ ny vavahady ary latabatra efatra koa teo amin’ ny ilany iray, dia latabatra valo izay famonoana.
42 又有四張為全燔祭用的桌子,都是四方石頭砌成的:長一肘半,寬一肘半,高一肘;上面放宰殺全燔祭犧牲和其他祭牲的用具。
Ary nisy latabatra efatra natao tamin’ ny vato voapaika ho amin’ ny fanatitra dorana, iray hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany koa ny sakany, ary iray hakiho ny hahavony; teo no nametrahany ny zavatra famonoana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa.
Ary nisy fihantonana roa rantsana, vodivoam-pelatanana ny halavany, naorina manodidina eny amin’ ny rindrina; ary natao teo ambonin’ ny latabatra ny hena fanatitra.
44 他領我走到內院,看見在內院中,有兩座廂房:一座靠北門的廂房,面朝南;一座看南門的廂房,面朝北。
Ary teo ivelan’ ny vavahady anatiny, teo anilan’ ny vavahady avaratra ka manatrika ny atsimo, dia nisy ireo efi-trano ho an’ ny mpihira teo amin’ ny kianja anatiny, ary nisy iray koa teo anilan’ ny vavahady atsinanana ka nanatrika ny avaratra.
45 他對我說:「那面朝南的廂房是為在殿內供職的司祭之用,
Ary hoy izy tamiko: Ity efi-trano manatrika ny atsimo ity dia ho an’ ny mpisorona izay mitandrina ny anjara-raharahany amin’ ny trano.
46 那面朝北的廂房是為在祭壇前供職的司祭之用,他們是肋未的後代中,走近祭壇供職的匝多克的子孫。」
Ary ny efi-trano manatrika ny avaratra kosa dia ho an’ ny mpisorona izay mitandrina ny anjara-raharaha ny amin’ ny alitara, ireo dia taranak’ i Zadoka, izay isan’ ny taranak’ i Levy, ka manatona an’ i Jehovah hanao fanompoam-pivavahana ho Azy.
47 他量了庭院:長一百肘,寬一百肘,為四方形;在殿前有一祭壇。
Dia norefesiny ny kianja, ka zato hakiho ny lavany, ary zato hakiho koa ny sakany, dia efa-joro sokera izy; ary ny alitara dia teo anoloan’ ny trano.
48 他領我進了聖殿的門廊,量了門廊的壁柱,兩邊各有五肘。門寬十四肘,牆壁每邊三肘。
Ary nentiny ho any amin’ ny lavarangan’ ny trano aho, dia norefesiny ny tongo-batony amin’ ny lavarangana fidirana, ka dimy hakiho ny tamin’ ny lafiny iray, ary dimy hakiho koa ny tamin’ ny lafiny iray, ary ny sakan’ ny vavahady dia telo hakiho ny tamin’ ny lafiny iray, ary telo hakiho koa ny tamin’ ny lafiny iray.
49 門廊長二十肘,寬十二肘;上去的台階有十級。靠著壁柱,有二柱,每邊一柱。
Roa-polo hakiho ny lavan’ ny lavarangana fidirana, ary iraika ambin’ ny folo hakiho ny satany; ary ambaratonga no fiakarana ao; ary nisy tongo-bato teo anilan’ ny tolana, iray tamin’ ny lafiny iray, ary iray tamin’ ny lafiny iray koa.