< 以西結書 33 >
Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
2 人子,你應告訴你民族的子女,向他們說:當我使刀劍臨於一地,那地的百姓就應從自己的人中選出一人,立他作為他們的警衛,
Ry zanak’ olona, mitenena amin’ ny zanaky ny firenenao, ka lazao aminy hoe: Raha mahatonga sabatra amin’ ny tany anankiray Aho, ary ny tompon-tany maka lehilahy anankiray ao aminy ka manendry azy ho mpitily,
ary hitan-dralehilahy fa, indro, avy ny sabatra, ka mitsoka ny anjomara hampitaitra ny olona izy,
4 人民聽見號筒的聲音,若不加戒備;刀劍來了,將他除掉,他的血債應歸他自己承當,
nefa tsy mety taitr izay mandre ny feon’ ny anjomara, dia tonga ny sabatra ka mandripaka azy, dia ho eo an-dohany ihany ny ràny.
5 因為他聽見號聲,而不加戒備,他的血債應由他自己承當,那發警告的必安全無恙。
Nandre ny feon’ ny anjomara ihany izy, nefa tsy nety taitra; ho ao aminy ihany ny ràny; fa raha nety taitra izy, dia ho nahavonjy ny ainy ihany.
6 警衛若見刀劍來臨,卻不吹號筒,人民因此沒有受到警告;刀劍來了,即便除掉他們中一人,這人雖因自己的罪惡被除掉,但我也要由警衛手中追討他的血債。
Fa raha hitan’ ilay mpitily kosa fa, indro, avy ny sabatra, nefa tsy nitsoka ny anjomara izy, ka tsy notairina ny olona, ary tonga ny sabatra ka mandringana olona ao aminy, dia matin’ ny helony ihany iny; nefa ny ràny dia hadiniko amin’ ny tànan’ ilay mpitily.
7 人子,我也這樣立你作以色列家族的警衛;你聽了我口中的話,應代我警告他們。
Koa ianao, ry zanak’ olona, dia efa notendreko ho mpitily ho an’ ny taranak’ Isiraely, ka raha mandre ny teny aloaky ny vavako ianao, dia izany no ho entinao mananatra azy.
8 為此,當我告訴惡人:『惡人,你必喪亡! 』你若不講話,也不警告惡人離開邪道,那惡人雖因自己的罪惡而喪亡,但我要由你手中追討他的血債。
Raha hoy Izaho amin’ ny ratsy fanahy: He! ry ilay ratsy fanahy, ho faty tokoa ianao! nefa tsy mety mananatra azy ianao hiala amin’ ny alehany, dia ho fatin’ ny helony ihany izany ratsy fanahy izany, fa ny ràny dia hadiniko amin’ ny tananao.
9 你若警告惡人叫他離開邪道,但他不肯歸正,離開邪道,他必因自己的罪惡而喪亡,你卻救了自己。」「
Fa raha mananatra ny ratsy fanahy ihany kosa ianao hiala amin’ ny lalany ratsy; fa izy no tsy mety miala amin’ izany, dia ho fatin’ ny helony ihany izy, nefa voavonjinao ny ainao.
10 人子,你應告訴以色列家族:你們曾這樣說:『我的過犯和罪惡重壓著我們,我們必因此消滅,我們還怎能生存﹖』
Ary ianao, ry zanak’ olona, mitenena amin’ ny taranak’ Isiraely hoe: Izao no fiteninareo: Eto aminay ny fahadisoanay sy ny fahotanay, ka mihalevona amin’ izany izahay, dia nahoana no mbola velona izahay?
11 你要告訴他們:我指著我的生命起誓──吾主上主的斷語──我決不喜歡惡人喪亡,但卻喜歡惡人歸正,離開邪道,好能生存。以色列家族啊! 歸正罷! 歸正罷! 離開你們的邪道罷! 何必要死去呢﹖
Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan’ ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ ny ratsy fanahy amin’ ny lalany, mba ho velona izy. Mialà, mialà amin’ ny lalan-dratsinareo, fa nahoana moa no te-ho faty ianareo, ry taranak’ Isiraely?
12 人子,你要告訴你民族的子女:義人的正義在他犯罪之日不能救他;惡人的罪過在惡人悔改之日,也不會使它喪亡在他罪過中;義人在他犯罪之日,不能因著他的正義而生存。
Ary ianao, ry zanak’ olona’ lazao amin’ ny zanaky ny firenenao hoe: Ny fahamarinan’ ny marina tsy hahavonjy azy, raha mby amin’ ny andro ahadisoany; ary ny faharatsian’ ny ratsy fanahy tsy hahavoa azy, raha mby amin’ ny andro ialany amin’ ny faharatsiany; ary ny marina tsy ho velona noho ny fahamarinany, raha mby amin’ ny andro anotany.
13 幾時我向義人說:他必生存;但他卻依仗自己的正義行惡,他所有的正義必不再被記念,他必因他所犯的罪惡而喪亡。
Raha lazaiko amin’ ny marina hoe: Ho velona tokoa ianao, nefa izy mitoky amin’ ny fahamarinany ka manao meloka, dia tsy hotsarovana ny fahamarinana rehetra izay nataony, fa ny heloka nataony no hahafaty azy.
14 幾時我向惡人說:你必喪亡;但他由罪惡中悔改,且遵行法律和正義,
Ary koa, raha hoy Izaho kosa amin’ ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa ianao, nefa miala amin’ ny fahotany izy sady manao izay marina sy mahitsy.
15 清償抵押,歸還劫物,遵行生命的誡命,再不作惡,他必生存,不致死亡。
ka mamerina ny natao tsatòka sady mampody izay nangalariny ary mandeha araka ny didy mahavelona ka tsy manao meloka, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty.
16 他所犯的一切罪過,不再被提起,因他遵行法律和正義,必定生存。
Ny fahotana rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana aminy intsony; manao izay marina sy mahitsy izy, ka dia ho velona tokoa.
17 如果你民族的子女還說:『吾主的作法不公平。』其實是他們的作法不公平。
Kanefa, hoy ny zanaky ny firenenao: Tsy marina ny fitondran’ ny Tompo; nefa ny fitondran’ ny tenany no tsy marina.
Raha ny marina miala amin’ ny fahamarinany ka manao meloka, dia ho faty amin’ izany izy.
19 幾時惡人離棄罪惡,而遵行法律和正義,他必因此而生存。
Ary raha ny ratsy fanahy miala amin’ ny faharatsiany ka manao izay marina sy mahitsy, dia ho velona amin’ izany izy.
20 你們怎麼還說:『吾主的作法不公平﹖』以色列家族,我必照你們每人的行為審判你們。」
Kanefa, hoy ianareo: Tsy marina ny fitondran’ ny Tompo. He! ry taranak’ Isiraely, samy hotsaraiko araka ny alehany avy ianareo.
21 我們充軍後十一年十月五日,有一個從耶路撒冷逃到我這裏的人說:『京城陷落了。』
Ary nony tamin’ ny andro fahadimy tamin’ ny volana fahafolo tamin’ ny taona faharoa ambin’ ny folo taorian’ ny namaboana antsika, dia nisy olona efa nandositra avy tany Jerosalema tonga tao amiko ka nanao hoe: Afaka ny tanàna.
22 在逃難者來的前一晚上,上主的手臨於我,開了我的口;及至他早晨來到我這裏以前,我的口已開了,我不再作啞吧。
Dia efa tonga tamiko ny tànan’ i Jehovah tamin’ ny omaly harivan’ ny andro nahatongavan’ ilay nandositra izay tonga tao amiko, ka nosokafany ny vavako mandra-pahatongan’ ilay nandositra, izay tonga tao amiko nony maraina; dia efa nisokatra ny vavako, ka tsy moana intsony aho.
Dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
24 人子,在以色列地區住在那些廢墟裏的人仍說道:亞巴郎只一個人就佔據了此地,我們人數眾多,此地應歸我們佔有。
Ry zanak’ olona, ny monina amin’ ireny rava amin’ ny tanin’ ny Isiraely ireny dia manao hoe: Ireny ihany Abrahama, nefa nandova ny tany izy, fa isika kosa dia maro, ary omena antsika ny tany ho lovantsika
25 為此你應告訴他們:吾主上主這樣說:你們吃了帶血的祭物,舉目仰望了你們的偶像,且殺人流血,而你們還要佔據此地﹖
Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Homan-javatra misy rà sady miandrandra ny sampinareo ianareo ary mandatsa-drà, moa hahazo handova ny tany va ianareo?
26 你們仍仗著刀劍,行醜惡之事,每人玷污近人的妻子,而你們還要佔據此地﹖
Mitoky amin’ ny sabatrareo ianareo sady manao fahavetavetana, ka samy mandoto ny vadin’ ny namany avy; koa hahazo handova ny tany va ianareo?
27 你應告訴他們:吾主上主這樣說:我指著我的生命起誓:那在廢墟中的,必喪身刀下;在原野的,我要把他們交給野獸吞噬;在堡壘和山洞中的,必死於瘟疫。
Izao no holazainao aminy: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Raha velona koa Aho, dia tsy maintsy ho lavon’ ny sabatra izay ao amin’ ny tanàna rava, ary izay any an-tsaha dia homeko ho rembin’ ny bibi-dia, ary izay ao amin’ ny harambato sy amin’ ny lava-tany dia ho fatin’ ny areti-mandringana.
28 我要使此地變為沙漠和荒野,使她再不能誇耀自己的勢力;我要使以色列的山變為荒丘,再無人經過。
Fa hataoko rava sy lao ny tany, ary hitsahatra ny fiavonavonan’ ny heriny; ho lao ny tendrombohitry ny Isiraely, ka tsy hisy mpandia azy.
29 為了他們所行的醜惡,我使此地變為沙漠和荒野時,他們必承認我是上主。
Dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, raha hataoko rava sy lao ny tany noho ny fahavetavetana nataony.
30 人子,你民族的子女在牆下及他們的門口,彼此談論你說:來,我們去聽聽由上主那裏傳出了什麼話﹖
Ary ianao, ry zanak’ olona, ny zanaky ny firenenao dia miresaka anao eny am-bodirindrina sy eo am-baravaran’ ny tranony, ka samy manao amin’ ny rahalahiny hoe: Andeha isika, ary aoka handre izay teny avy amin’ i Jehovah.
31 他們便成群結隊地來到你這裏,像我的百姓般坐在你面前,聽你的話,但不去實行;他們口頭上說的是甜言蜜語,但他們的心卻在追求不義的利益。
Dia mankao aminao tahaka ny fihavin’ ny olona izy ka mipetraka eo anatrehanao toa oloko ary mahare ny teninao, nefa tsy mety mankatò azy; fa, indro, teny mamy no lazain’ ny vavany, nefa ny fony dia lasa manaraka ny filan-karena.
32 你對他們好像唱情歌的人,歌喉悅耳,彈奏美妙;他們喜歡聽你說的話,卻不去實行。
Koa, indro, ianao dia ataony ho tahaka ny mpanao hira mahafinaritra, izay tsara feo sady mahay mitendry; fa mandre ny teninao izy, nefa tsy mety mankatò azy.
33 當這事來時──看,已來了! ──他們必承認在他們中有位先知。」
Ary nony tanteraka izany (indro, efa ho tanteraka ihany), dia ho fantany fa efa nisy mpaminany tokoa tao aminy.