< 以西結書 12 >

1 上主的話傳給我說:「
Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
2 人子,你是住在叛逆的家族中,他們有眼,卻視而不見;有耳,卻聽而不聞;因為他們是叛逆的家族。
Ry zanak’ olona, ianao monina eto amin’ ny taranaka maditra, izay mana-maso hahitana, nefa tsy mahita, ary manan-tsofina handrenesana, nefa tsy mandre fa taranaka maditra izy.
3 人子,你要白天在他們眼前準備充軍的行囊,並在他們眼前從一地遷移到另一地;他們或者能看清自己是叛逆的家族。
Koa ianao, ry zanak’ olona, mifeheza entana handeha hifindra ho any amin’ ny fahababoana, ka miaingà antoandro eo imasony; ary mialà eo imasony eo amin’ izay itoeranao ho any amin’ ny fitoerana hafa; angamba mba ho fantany fa taranaka maditra izy.
4 你白天在他們眼前把行囊搬出,像搬出充軍的行囊;傍晚在他們眼前出發,像充軍者出發。
Dia havoakanao antoandro eo imasony ny entanao, toy ny entan’ ny olona handeha ho any amin’ ny fahababoana; fa ny tenanao kosa dia hivoaka hariva eo imasony toy ny fivoaky ny handeha ho any amin’ ny fahababoana.
5 你還要在他們眼前在牆上穿一個洞,由那裏走過去。
Boroboahy eo imasony ny manda, ka ao no amoahy ny entanao.
6 你當著他們的面,把行囊背在肩上,天黑時出發,並且蒙著臉,看不到地面:因為我要使你作為以色列家族的一個預兆。」
Ataovy an-tsoroka eo imasony no fitondranao azy, ka ento mivoaka, rehefa maizina dia maizina ny andro; sarony ny tavanao mba tsy hahitanao ny tany; fa efa nataoko ho famantarana mahagaga ho an’ ny taranak’ Isiraely ianao.
7 我遂遵命行了:白天我把行囊搬出,有如充軍的行囊,傍晚用手在牆上穿了一個洞;到天黑時,當著他們的面,把行囊背在肩上出發。
Dia nanao araka izay efa nandidiana ahy aho, ka nentiko nivoaka antoandro ny entako, toy py entan’ ny olona handeha ho any amin’ ny fahababoana, ary nony hariva dia noboroboahako tamin’ ny tanako ny manda, ka nony efa maizina dia maizina ny andro, dia nentiko nivoaka izany ka teny an-tsoroka no nitondrako azy teo imasony.
8 到了早晨,上主的話傳給我說:「
Ary nony maraina dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
9 人子,以色列家族,那叛逆的家族不是問你說:你在作什麼﹖
Ry zanak’ olona, moa ny taranak’ Isiraely, izay taranaka maditra, tsy manontany aminao hoe va: Inona izao ataonao izao?
10 你要回答他們說:吾主上主這樣說:這神諭是有關耶路撒冷的君王和城中的以色列全家族。
Ambarao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ity faminaniana ny loza ity dia ho amin’ ny mpanjakan’ i Jerosalema sy ny taranak’ Isiraely rehetra izay ao aminy.
11 並且說:我為你們是一個預兆:像我所行過的,也要實現在他們身上:他們要被擄充軍異地。
Lazao hoe: Izaho dia famantarana mahagaga ho anareo, koa tahaka izay ataoko no hatao amin’ ireo; hifindra sy ho lasan-ko babo izy.
12 君王在他們當中肩上背著重擔,在黑夜出發,在牆上要穿一洞,為叫他出去;他要蒙著臉,以致他再不能親眼看見這地方。
Ary ny mpanjaka, izay ao aminy dia hitondra ny entany eny an-tsorony nony efa maizina dia maizina ny andro ka hivoaka; hoboroboahan’ ny olona ny manda hamoahana azy; hanarona ny tavany izy mba tsy ho hitan’ ny masony ny tany.
13 我要在他面前設下羅網,他必要陷在我的羅網中而被捉住;然後我他到加色丁人的地方巴比倫,但他一無所見,就死在那裏。
Ary ny fandrika haratoko dia hovelariko aminy, ka ho voan’ ny fandrika izy; dia ho entiko any Babylona any amin’ ny tanin’ ny Kaldeana izy, ary tsy hahita izany, nefa ho faty any ihany.
14 我還要把他左右的護衛,以及一切軍隊,分散到四方,並拔出劍來追趕他們。
Ary izay rehetra manodidina azy, dia ny mpanampy azy sy ny miaramilany rehetra, haeliko ho amin’ ny rivotra rehetra, sady hanatsoaka sabatra ho enti-manenjika azy Aho.
15 當我把他們驅散到異民中,把他們分散到各國時,他們必承認我是上主。
Ary dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, raha ahahako any amin’ ny jentilisa sy ampieleziko any amin’ ny tany samy hafa izy.
16 但我在他們中仍保留少數的人,免受刀兵、饑荒和瘟疫之害,為叫他們給他們所到之地的異民,講述自己的醜惡之事,使那些人也認識我是上主。」
Nefa hamelako olom-bitsy ihany izy ho sisa tsy ho ringan’ ny sabatra sy ny mosary sy ny areti-mandringana, mba hisy hitantara ny fahavetavetany rehetra any amin’ ny jentilisa izay alehany; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
17 上主的話傳給我說:「
Tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
18 人子,你要戰戰兢兢地吃飯,懷著顫慄和惶恐喝水。
Ry zanak’ olona, hano amin-korohoro ny haninao, ary sotroy amin-kovitra sy amin’ ahiahy ny ranonao.
19 你應向此地的人民宣講說:吾主上主論及耶路撒冷的居民和以色列地域這樣說:他們要惶恐地吃飯,驚懼地喝水,為了那裏的居民所行的殘暴,那地方要被洗劫,變為荒蕪之地。
Ary lazao amin’ ny vahoaka hoe Izao no lazain’ i Jehovah Tompo ny amin’ ny mponina ao Jerosalema, ao amin’ ny tanin’ ny Isiraely: Amin’ ahiahy no hihinanany ny haniny, ary amim-pahatalanjonana no hisotroany ny ranony, mba ho foana mihitsy ny tany, ka tsy hisy na inona na inona ao, noho ny fandozan’ izay rehetra monina ao aminy.
20 人煙稠密的城市要變為曠野,那地方必變為沙漠:如此,你們必承認我是上主。」
Dia ho rava ny tanàna onenana, ary ho lao ny tany; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
21 上主的話傳給我說:「
Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
22 人子,在以色列地域,有人說:日期遲延了,異象落空了。這流言是什麼意思﹖
Ry zanak’ olona, ahoana moa, izao fitenenana ataonareo ao amin’ ny tanin’ ny Isiraely izao hoe: Mihaela ny andro, ary tonga tsinontsinona ny fahitana rehetra?
23 為此你應向他們說:吾主上主這樣說:我必使這流言停止,以色列必不再說這流言;你該向他們說:日期近了,所有的異象必要實現。
Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Hatsahatro izany fitenenana izany ka tsy hatao fiteny ao amin’ ny Isiraely intsony; fa lazao aminy kosa hoe: Akaiky ny andro sy ny tenin’ ny fahitana rehetra.
24 在以色列家族內,決不再有虛偽的異象和欺詐的預言。
Fa tsy hisy fahitana foana intsony na faminaniana mandrobo ao amin’ ny taranak’ Isiraely.
25 因為是我上主講話,我講的話必要實現,不再遲延。叛逆的家族! 我說的話必在你們這一代實現──吾主上主的斷語。」
Fa Izaho no Jehovah; hiteny Aho, ary ny teny lazaiko dia ho tò tokoa; tsy hajanona ela intsony izany; fa ho amin’ ny andronareo, ry taranaka maditra, no hilazako ny teny sy hanatanterahako azy, hoy Jehovah Tompo.
26 上主的話傳給我說:「
Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
27 人子,以色列家族說:這人所見的異象是指遙遠的來日;他說的預言,是指遙遠的時期。
Ry zanak’ olona, indro, ny taranak’ Isiraely manao hoe: Mbola ho ela izany fahitana hitany izany, ary ny amin’ ny fotoana mbola lavitra no vinaniny.
28 為此你要向他們說:吾主上主這樣說:我說的一切話,不再遲延;我所說的話,必要實現──吾主上主的斷語。」
Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Tsy hisy hajanona ela intsony ny teniko; fa ny teny izay lazaiko dia hotanterahiko, hoy Jehovah Tompo.

< 以西結書 12 >