< 出埃及記 33 >

1 上主向梅瑟說:「你和你從埃及國領出的百姓離開這裏,上那地方去;關於此地,我曾誓許給亞巴郎、依撒格和雅各伯說:我要將此地獻給你的後裔。
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy hoe: Mandehana miakatra hiala atỳ ianao sy ny firenena izay nentinao niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta, ho amin’ ny tany izay nianianako tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba hoe: Ny taranakao no homeko azy.
2 我要打發使者在你面前,我要趨逐客納罕人、阿摩黎人、赫特人、培黎齊人、希威人和耶步斯人。
Ary haniraka Anjely Aho hitarika anao eo aloha (ka horoahiko ny Kananita sy ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita),
3 你往流奶流蜜之地時,我不與你同行,因為你是個執拗的百姓,免得我在路上消滅你。」
dia ho amin’ izay tany tondra-dronono sy tantely; nefa tsy hiara-miakatra aminao Aho (satria olona mafy hatoka ianao), fandrao handringana anao eny an-dalana Aho.
4 百姓一聽這兇信,都表示悲痛,沒有人再穿戴裝飾品。
Ary rehefa ren’ ny olona izany teny mampahory izany, dia nanjoretra izy, ka tsy nisy olona niravaka intsony.
5 少主向梅瑟說:「你告訴以色列子民:你們是個執拗的百姓,我若與你同行,只一會兒,我必把你消滅。現在你把裝飾品卸下,看我要怎樣待你。」
Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Hianareo dia olona mafy hatoka; koa raha hiara-miakatra aminao Aho, na dia indray mipi-maso aza, dia handringana anao Aho; koa ankehitriny, esory ny firavakao hiala aminao, mba ho fantatro izay hataoko aminao.
6 以色列子民從離開曷勒布山,就卸去了裝飾品。會幕
Ary ny Zanak’ Isiraely dia nanala ny firavany hatreo an-tendrombohitra Horeba.
7 梅瑟往往將那帳幕支搭在營外,離營遠些;他稱此帳幕為「會幕。」凡求問天主的,要到營外的帳幕那裏。
Ary fanaon’ i Mosesy ny maka ny lay ka manorina azy eo ivelan’ ny toby lavidavitra, ary ny anarany dia nataony hoe Ny trano-lay fihaonana. Ary izay rehetra nitady an’ i Jehovah dia nivoaka ho eny amin’ ny trano-lay fihaonana izay teo ivelan’ ny toby.
8 每當梅瑟往會幕那裏去的時候,眾百姓都起來,每人站在自己帳幕門口,觀望梅瑟直到他進入會幕。
Ary raha nivoaka ho eo amin’ ny lay Mosesy, dia nitsangana ny olona rehetra, ka samy nijanona teo anoloan’ ny varavaran’ ny lainy avy, dia nitazana an’ i Mosesy mandra-pahatongany ao amin’ ny lay.
9 當梅瑟進入會幕的時候,雲柱降下,停在會幕門口,上主便向梅瑟談話。
Ary raha niditra tao amin’ ny lay Mosesy, dia nidina ny andri-rahona ka nijanona teo anoloan’ ny varavaran’ ny lay, ary Jehovah dia niresaka tamin’ i Mosesy.
10 眾百姓一見雲柱停止在會幕門口,百姓就起來,俯伏在自己的帳幕門口。
Ary hitan’ ny olona rehetra ny andri-rahona nijanona teo anoloan’ ny varavaran’ ny lay; dia nitsangana ny olona rehetra, ka samy niankohoka teo anoloan’ ny varavaran’ ny lainy avy.
11 上主同梅瑟面對面地談話,就如人同朋友談話一樣。梅瑟回營以後,他的侍從,一個年輕人,即農的兒子若蘇厄總不離開會幕。梅瑟求見天主的榮耀
Ary Jehovah niteny nifanatrika tamin’ i Mosesy, tahaka ny olona miresaka amin’ ny sakaizany. Ary niverina nankeo amin’ ny toby izy; fa ny mpanompony, dia Josoa zatovo, zanak’ i Nona, tsy niala tamin’ ny lay.
12 梅瑟對上主說:「看,你吩咐了我,叫我引領這百姓,但沒有告訴我,你派誰與我同去。你還說過:提名選了你,你在我眼中得了寵。
Ary hoy Mosesy tamin’ i Jehovah: Indro fa Hianao milaza amiko hoe: Ento miakatra ity firenena ity, ary Hianao tsy mbola nampahafantatra ahy izay hirahinao hiaraka amiko; kanefa Hianao efa nilaza hoe: Mahalala anao tokoa Aho, ary efa nahita fitia eo imasoko koa ianao.
13 如果我真在你眼中得寵,求你把你的道路指示給我,叫我認識你,好在你眼中得寵。也請記得這民族是你的百姓。」
Koa ankehitriny, raha nahita fitia eo imasonao aho, dia ampahafantaro ny lalanao hahalalako Anao, mba hahitako fitia eo imasonao; ary hevero fa olonao ity firenena ity.
14 上主回答說:「我必親自去,使你獲得安所。」
Dia hoy Izy: Ny Tavako no handeha, dia hanome anao fitsaharana Aho.
15 梅瑟上主說:「你若不親自去,也別叫我們從這裏上去。
Fa hoy Mosesy taminy: Raha tsy handeha ny Tavanao, dia aza mitondra anay hiakatra hiala atỳ.
16 人怎樣知道我和你的百姓在你眼中得寵,豈不是因你與我們同行,而我和你的百姓有別於地面上所以的人民﹖」
Fa inona anefa no hahafantarana fa nahita fitia eo imasonao izaho sy ny olonao? moa tsy amin’ ny handehananao miaraka aminay va? dia ho voavaka amin’ ny firenena rehetra ambonin’ ny tany izahay, dia izaho sy ny olonao.
17 上主回答說:「連你所求的事,我也要作,因為你在我眼中得了寵,我提名選了你。」
Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Izao zavatra nolazainao izao dia hataoko koa; fa nahita fitia eo imasoko ianao, ary mahalala anao tokoa Aho.
18 梅瑟又說:「求你把你的榮耀顯示給我。」
Ary hoy Mosesy: Mba ampahitao ny voninahitrao aho.
19 上主答說:「當我在你前呼喊「雅威」名號時,我要使我的一切美善在你面前經過。我要恩待的就恩待,要憐憫的就憐憫。」
Fa hoy kosa Jehovah: Izaho hampandalo ny fahatsarako rehetra eo anatrehanao ka hanonona ny anaran’ i Jehovah eo anatrehanao; fa hiantra izay hiantrako Aho, ary hamindra fo amin’ izay hamindrako fo.
20 又說:「我的面容你決不能看見,因為人見了我,就不能再活了。」
Ary hoy koa Izy: Tsy mahazo mahita ny tavako ianao; fa tsy misy olona mahita Ahy ka ho velona.
21 上主又說:「看,靠近我有個地方,你可站在那塊磐石上。
Dia hoy Jehovah: Indro, misy fitoerana eto anilako; dia hijanona eo ambonin’ ny harambato ianao;
22 當我的榮耀經過時,我把你放在磐石縫裏,用我的手遮掩你,直到我過去。
koa raha mandalo ny voninahitro, dia hataoko eo an-tsefaky ny harambato ianao, ka hosaronako ny tanako ianao mandra-pandaloko.
23 當我縮回我的手時,你將看見我的背後,但我的面容,卻無法看見。」
Dia hanaisotra ny tanako Aho, ka hahita ny vohoko ianao; fa ny tavako tsy ho hita.

< 出埃及記 33 >