< 出埃及記 32 >
1 百姓見梅瑟遲遲不下山,就聚集到亞郎跟前,對他說:「起來,給我們製造一尊神像,在我們前面引路,因為那領我們出埃及國的梅瑟,不知道遭遇了什麼事。」
Ary rehefa hitan’ ny olona fa efa ela ka tsy mbola nidina avy tao an-tendrombohitra ihany Mosesy, dia niangona ho eo amin’ i Arona izy ka nanao taminy hoe: Mitsangana, ka anaovy andriamanitra izahay, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay lehilahy nitondra antsika niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy,
2 亞郎給他們說:「你們去摘下你們的妻子、兒女所配戴的金耳環,給我送來。」
Ary hoy Arona taminy: Romboty ary ny kavim-bolamena, izay eny amin’ ny sofin’ ny vadinareo sy ny zanakareo-lahy ary ny zanakareo-vavy, ka ento etỳ amiko.
Ary ny olona rehetra dia nandrombotra ny kavim-bolamena izay teny amin’ ny sofiny ka nitondra azy ho eo amin’ i Arona.
4 亞郎從他們手裏接過來,製了一個模型,用來鑄了一個牛像。他們遂說:「以色列,這就是領你出埃及國的天主。」
Ary izy nandray azy tamin’ ny tanan’ ny olona, dia namboatra azy tamin’ ny fandraka ka nanao azy ho ombilahy kely an-idina; dia niteny ny olona ka nanao hoe: Io no andriamanitrao, ry Isiraely, izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta.
5 亞郎一見,就在牛犢前築了一座祭壇,宣布說:「明日是上主的慶節。」
Ary raha hitan’ i Arona izany, dia nanao alitara teo anoloany izy; ary dia niantso Arona ka nanao hoe: Andro firavoravoana ho an’ i Jehovah rahampitso.
6 次日清晨,他們起來,就奉獻了全燔祭和和平祭;以後百姓坐下來吃喝,起來玩樂。梅瑟求天主息怒
Dia nifoha maraina koa ny olona ka nanatitra fanatitra dorana sy nitondra fanati-pihavanana; ary nipetraka hihinana sy hisotro ny olona, dia nitsangana hilalao.
7 上主訓示梅瑟說:「你下去! 因為你從埃及國領出來的百姓敗壞了。
Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mandehana midìna ianao; fa efa nanao ratsy ny olonao izay nentinao niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta.
8 他們很快就離開了我給他們指示的道路,為自己鑄了一個牛犢,朝拜牠,向牠祭獻並且說:「以色列,這就是領你出埃及的天主。」
Nalaky nivily niala tamin’ ny lalàna izay nasaiko nalehany izy ka efa nanao ombilahy kely an-idina ho azy; ary efa niankohoka teo anatrehany sy namono zavatra hatao fanatitra taminy izy ka nanao hoe: Io no andriamanitrao, ry Isiraely, izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta.
9 上主又向梅瑟說:「我看這百姓,真是一個執拗的百姓!
Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Efa hitako io firenena io, fa, indro, firenena mafy hatoka izy.
10 你且由我向他們發怒,消滅他們;我要使你成為一個大民族。」
Koa ankehitriny avelao hirehitra aminy ny fahatezerako, ka haringako izy; fa hahatonga anao ho firenena lehibe Aho.
11 梅瑟求上主他們的天主息怒說:「上主,你為什麼要向你用大力,用強硬的手臂,由埃及國領出來的百姓發怒呢﹖
Fa Mosesy nifona tamin’ i Jehovah Andriamaniny ka nanao hoe: Jehovah ô, nahoana ny fahatezeranao no mirehitra amin’ ny olonao, izay nentinao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta tamin’ ny hery lehibe sy ny tanana mahery?
12 為什麼要叫埃及人說:他是惡意領他們出來,要在山中殺死他們,由地面上絕滅他們呢﹖求你息怒,撤銷要加於你百姓的災禍。
Nahoana ny Egyptiana no avela hilaza hoe: Mba hahita loza no nitondrany ireny nivoaka, hamonoany azy eny an-tendrombohitra sy handringanany azy tsy ho ambonin’ ny tany? Mialà amin’ ny fahatezeranao mirehitra, ka manenena ny amin’ ny loza izay hanjo ny olonao.
13 茄你記念你的僕人亞巴郎、依撒格和以色列,你曾指責自己向他們起誓說:我要使你們的後裔,像天上的繁星那樣多;我所許的那整個地方,必賜給你們的後裔,叫他們永遠佔有。」
Tsarovy Abrahama sy Isaka ary Isiraely mpanomponao, izay nianiananao tamin’ ny tenanao sy nilazanao hoe: Hahamaro ny taranakareo Aho ho tahaka ny kintana eny amin’ ny lanitra; ary izany tany rehetra nolazaiko izany dia homeko ny taranakareo, ary izy handova izany mandrakizay.
Ary Jehovah dia nanenina ny amin’ ny loza izay nokasainy hamelezana ny olony.
15 梅瑟轉身下山,手中拿著兩塊約版,版兩面都寫著字,前面後面都有字。
Ary Mosesy nihodina ka nidina avy tao an-tendrombohitra, nitondra ny vato fisaka roa nisy ny Vavolombelona teny an-tànany; ny vato fisaka nosoratana teo amin’ ny lafiny roa: dia teo anatrehany sy teo ambadika no nisy ny soratra.
Ary ny vato fisaka dia asan’ Andriamanitra, ary ny soratra dia soratr’ Andriamanitra, voasoratra teo amin’ ny vato fisaka.
17 若蘇厄一聽見百姓喧嘩的聲音,就對梅瑟說:「營裏有戰爭的聲音。」
Ary rehefa ren’ i Josoa ny fitabataban’ ny olona izay nihorakoraka, dia hoy izy tamin’ i Mosesy: Misy tabataban’ ady atsy an-toby.
18 梅瑟回答說:「這不是戰勝的歌聲,也不是戰敗的吵聲,我聽見的是應和的聲音。」
Fa hoy kosa izy: Tsy feo fihobian’ ny mahery na feo fitomanian’ ny resy no reko, fa feon’ ny mihira.
19 當梅瑟走近營幕的時候,見了那牛犢,看見人歌舞,遂大發憤怒,把兩塊石版由手中拋出,摔碎在山下。
Ary raha nanakaiky ny toby izy, dia nahita ny ombilahy kely sy ny dihy; ary nirehitra ny fahatezeran’ i Mosesy, dia natontany ny vato fisaka teny an-tànany ka novakivakiny teo am-bodin’ ny tendrombohitra.
20 隨後拿過他們所造的牛犢,投在火中焚燒,搗成細末,撒在水面上,叫以色列子民喝。
Dia nalainy ilay ombilahy kely izay efa nataon’ ny olona ka nodorany tamin’ ny afo, ary notorotoroiny ho vovoka, dia nafafiny tambonin’ ny rano ka nampisotroiny ny Zanak’ Isiraely.
21 梅瑟對亞郎說:「這百姓對你作了什麼,你竟使他們陷於重罪﹖」
Ary hoy Mosesy tamin’ i Arona: Inona no nataon’ ity firenena ity taminao, no nitondranao heloka lehibe taminy?
22 亞郎回答說:「我主,請不要生氣! 你知道這百姓傾向於惡。
Fa hoy kosa Arona: Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao, tompoko, fa ianao mahalala ny toetry ny olona, fa mpanao ratsy izy;
23 他們對我說:請給我們製一神像,在我們前面引路,因為那領我們出埃及國的梅瑟,不知道遭遇了什麼事。
ary hoy izy tamiko: Manaova andriamanitra ho antsika, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay lehilahy nitondra antsika niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy.
24 我給他們說:誰有金子,就摘下來! 他們遂給我送來。我把金子投在火中,這牛犢便出來了。」懲罰拜金牛者
Ary hoy izaho taminy: Na zovy na zovy manam-bolamena, aoka handrombotra izany izy, ka dia nomeny ahy; ary natsipiko tao anaty afo izany, ka io ombilahy kely io no nivoaka.
25 梅瑟見百姓這樣放肆,─因為亞郎放縱了他們,成了敵人的笑柄;─
Ary rehefa hitan’ i Mosesy fa natondraka hanaram-po amin’ izay tsy mety ny olona, satria efa natondrak’ i Arona ho fanakorana eo amin’ ny fahavalony izy,
26 就站在營幕門口說:「凡屬上主的,到我跟前來! 」於是肋末的子孫聚到梅瑟前。
dia nijanona teo amin’ ny vavahadin’ ny toby Mosesy ka nanao hoe: Izay rehetra an’ i Jehovah mankanesa etỳ amiko. Ary ny taranak’ i Levy rehetra niangona teo aminy.
27 梅瑟向他們說:「上主,以色列的天主這樣說:每人要把刀配在腰間,在營中往來,從這門到那門,要殺自己的兄弟、朋友和親人。」
Dia hoy izy taminy: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Samia manao ny sabany eo am-balahany avy ianareo, dia mandrosoa sy miverimberena amin’ isam-bavahadin’ ny toby, ary samia mamono ny rahalahiny avy sy ny sakaizany avy ary ny namany avy ianareo.
28 肋末的子孫就照梅瑟的吩咐作了,那一天百姓中被殺的約有三千人。
Dia nanao araka ny tenin’ i Mosesy ny taranak’ i Levy; ary nahafatesana tokony ho telo arivo lahy ny olona tamin’ izany andro izany.
29 梅瑟說:「今天你們應接受奉事上主的聖職,因為你們每人犧牲了自己的兒子和兄弟,上主今日必賜福與你們。」
Fa Mosesy efa nilaza hoe: Manokàna ny tenanareo ho an’ i Jehovah ianareo anio; eny, samia mamono ny zanany sy ny rahalahiny avy, mba hahazoanareo fitahiana anio.
30 到了次日,梅瑟向百姓說:「你們犯了重罪,現在我要上到上主台前,也許我能為你們贖罪。」
Ary nony maraina dia hoy Mosesy tamin’ ny olona: Efa nanao fahotana lehibe ianareo; ary ankehitriny, dia hiakatra ho amin’ i Jehovah aho, fa angamba hahazo manao fanavotana ny amin’ ny fahotanareo.
31 梅瑟回到上主那裏說:「唉! 這百姓犯了重罪,為自己製造了今神像。
Ary Mosesy dia niverina ho ao amin’ i Jehovah ka nanao hoe: Indrisy! efa nanao fahotana lehibe ity firenena ity ka efa nanao andriamani-bolamena ho azy.
32 現在只求你赦免他們的罪,不然,就把我從你所記錄的冊子上抹去罷! 」
Ary ankehitriny, enga anie ka hamela ny fahotany Hianao! fa raha tsy izany, mifona aminao aho, vonoy eo amin’ ny bokinao izay nosoratanao ny anarako.
33 上主回答梅瑟說:「誰犯罪得罪我,我就把誰從我的冊子上抹去。
Fa hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Na iza na iza nanota tamiko, dia hovonoiko ny anarany eo amin’ ny bokiko.
34 現在你去領我的百姓到我吩咐你的地方去。看,我的使者在你前面引路。在我懲罰之日,我必懲罰他們的罪。」
Mandehana ankehitriny, ka ento ny olona ho any amin’ izay efa nolazaiko taminao; indro, ny Anjeliko no hitarika anao eo aloha; ary amin’ izay andro hamaliako dia hamaly azy noho ny fahotany Aho.
35 以後上主打擊了百姓,因他們敬拜了亞郎製造的牛犢。
Ary Jehovah namely ny olona, satria nanao ny ombilahy kely izy, dia ilay nataon’ i Arona.